Tsara ny Mianatra Teny Vahiny!
Tsara ny Mianatra Teny Vahiny!
Hoy i Mike: ‘Tsy manan-tsahala ny fianarana teny vahiny.’ Hoy koa i Phelps: ‘Nanapa-kevitra ny hianatra teny vahiny aho, ary tsy nanenenako izany.’ Mitaky ezaka ny fianarana teny vahiny, nefa nanao izany izy roa lahy ireo.
MIHABETSAKA eran-tany ny olona mianatra teny vahiny, noho ny antony maro samihafa. Ny sasany manao izany noho ny antony manokana, ny hafa noho ny fitadiavam-bola, ary misy koa noho ny antony ara-pivavahana. Nanadinadina olona maromaro mianatra teny vahiny ny Mifohaza! Ireto no fanontaniana sasany napetraka tamin’izy ireo: Manao ahoana ny fianarana teny vahiny, rehefa olon-dehibe ianao vao manao izany? Inona no manampy mba hahaizana ilay fiteny? Avy amin’ny valin-tenin’ireo olona ireo, ny fanazavana ato amin’ity lahatsoratra ity. Mety hampahery sy hanampy anao ny fanazavana ato, indrindra fa raha eo an-dalam-pianarana ianao, na mieritreritra ny hianatra. Nilaza ireo olona nadinadinina fa misy toetra tena ilaina, raha tiana ny hahafehy teny vahiny iray. Inona ny sasany amin’izany?
Maharitra, manetry tena, ary tsy tery saina
Matetika no mora mahay fiteny roa indray miaraka na mihoatra an’izany ny ankizy, na dia mandre an’ilay izy fotsiny aza. Tsy mora toy izany anefa mazàna ny an’ny olon-dehibe. Tsy maintsy manam-paharetana izy raha te hahay teny vahiny, satria mitaky fotoana izany. Be atao koa ny
olon-dehibe, ka matetika izy ireo no mila mampandefitra zavatra sasany.“Tena ilaina ny fanetren-tena”, hoy i George. Tsy maintsy vonona ny hiteny toy ny zaza sy hatao toy ny zaza mihitsy ianao amin’ny lafiny sasany, raha mbola tsy hainao mihitsy ilay fiteny.” Hoy ilay boky hoe Ahoana no Ianarana Teny Vahiny? (anglisy): “Aza be hambom-po na matahotra ny ho afa-baraka, raha tianao hitombo ny fahaizanao.” Aza menatra ny miteny àry na dia misy diso aza ny zavatra lazainao. Hoy i Ben: “Tsy tena mampiasa tsara an’ilay fiteny vao ianaranao ianao, matoa tsy manao diso mihitsy.”
Aza sorena rehefa mihomehy noho ny zavatra diso nolazainao ny olona, fa miaraha mihomehy amin’izy ireo koa! Azo inoana fa ho lasa tantara mahatsikaiky hotantarainao ireny fahadisoana ireny, any aoriana any. Aza matahotra ny manontany koa. Mora aminao ny mitadidy ny fomba filazan-javatra iray, rehefa mazava aminao ny anton’ilay izy.
Tokony halala-tsaina sy tsy hitsara an-tendrony ary ho vonona handray hevi-baovao isika, rehefa mianatra teny vahiny. Mianatra kolontsaina vaovao mantsy isika mazàna rehefa mianatra teny vahiny. Hoy i Julie: “Rehefa nianatra teny vahiny aho dia nahita fa misy fomba maro azo iheverana ny zavatra iray sy hanaovana zavatra iray. Tsy voatery ho tsara noho ny anankiray ilay iray hafa, fa samy hafa fotsiny ilay izy.” Nanoro hevitra i Jay hoe: “Miezaha hinamana amin’ny olona mampiasa an’ilay fiteny, ary ankafizo ny fiarahana amin’izy ireo.” Mazava ho azy anefa fa olona mampiasa fiteny mendrika ihany no hofidin’ny Kristianina ho namana. (1 Korintianina 15:33; Efesianina 5:3, 4) Hoy ihany i Jay: “Rehefa hitan’izy ireo fa mahaliana anao ny momba azy, ny sakafony, ny mozikany, ary ny zavatra hafa, dia ho voasarika mora foana aminao izy ireo.”
Arakaraka ny habetsahan’ny fotoana ianaranao an’ilay fiteny, ary indrindra fa ny fampiasanao an’ilay izy, no hahatonga anao hahay vetivety. Hoy i George: “Toy ny akoho misakafo, izay mitsindroka tsikelikely, isika rehefa mianatra teny vahiny. Na dia kely aza ny zavatra haintsika isaky ny mianatra, dia mitombo tsikelikely eny ihany izany.” Nianatra fiteny maromaro i Bill, izay misionera. Hoy izy, rehefa niresaka ny fomba nianarany: “Manoratra teny maromaro amin’ny taratasy kely aho, ary entiko miaraka amiko ilay izy na aiza na aiza alehako. Jereko ilay izy isaky ny manam-potoana kely aho.” Maro no milaza fa ny manokana fotoana kely hianarana tsy tapaka no tsara, noho ny manokana fotoana lava be tsindraindray.
Maro karazana ny fitaovana azo ampiasaina hianarana teny vahiny. Anisan’izany ny boky, kasety, karatra kely misy soratra sy sary ianarana teny, ary ny maro hafa. Na eo aza ireny fitaovana isan-karazany ireny, dia maro no mihevitra fa ny mianatra an-dakilasy no tsara indrindra. Fidio àry izay mety aminao. Tadidio anefa fa ilaina foana ny ezaka sy ny fikirizana. Etsy an-danin’izany, dia misy koa fomba mora mampahay, sady mahafinaritra kokoa. Anisan’izany, ohatra, ny fihainoana matetika an’ilay fiteny, sy ny fifankazarana amin’ny kolontsain’ny olona mampiasa azy.
Hoy i George: “Tsara raha mankany amin’ny firenena mampiasa an’ilay fiteny ianao, mandritra ny fotoana kelikely, rehefa voafehinao tsara ny zavatra sasany tokony ho hay momba ilay fiteny, ary mahay voambolana tsotsotra ianao, fara faharatsiny.” Mitovy hevitra amin’izany koa i Barb. Hoy izy: “Ho hitanao ny lafiny manokana mampiavaka ilay fiteny, rehefa mitsidika ny firenena mampiasa azy ianao.” Manjary mieritreritra amin’ilay fiteny ianaranao ianao, rehefa any amin’ny firenena mampiasa ilay izy, ary izany no tena ilaina mba hahaizana. Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no afaka mandeha any amin’ny firenen-kafa. Mety hisy fomba hafa ahafahana mihaino sy mifankazatra amin’ilay kolontsaina anefa ao amin’ny tany misy anao. Mety hisy boky, ohatra, na fandaharana amin’ny radio na amin’ny tele, mampiasa ilay fiteny ianaranao. Raha misy izany, dia izay mahasoa sy mety amin’ny Kristianina fidina. Mitadiava olona mahay tsara ilay fiteny eo amin’ny faritra misy anao, ary miresaha aminy. Hoy ilay boky hoe Ahoana no Ianarana Teny Vahiny?: “Tsy misy afa-tsy ny fampiasana ilay fiteny no zava-dehibe indrindra, raha tianao ny hitombo fahaizana.” *
Inona no atao rehefa tsy mandroso firy?
Mety hahatsapa ianao indraindray fa tsy mitombo firy ny fahaizanao, na dia mianatra foana aza ianao. Inona no azo atao? Voalohany, tadidio ny antony ianaranao an’ilay fiteny. Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no mianatra teny vahiny mba hanampiana ny hafa hianatra ny Baiboly. Vao mainka ianao ho tapa-kevitra hanohy hianatra, raha misaintsaina ny tanjonao.
Faharoa, aza mitaky be loatra amin’ny tenanao. Hoy ilay boky hoe Ahoana no Ianarana Teny Vahiny?: “Tsy ho tonga toy ireo olona tompon’ilay fiteny mihitsy ianao. Tsy izany no tokony hataonao tanjona. Ny hahazoan’ny olona izay lazainao fotsiny no tokony hiezahanao.” Miezaha hampihatra izay nianaranao, mba hilazana mazava tsara izay tianao hambara, fa aza mitaraina hoe tsy misosa toy ny fitenenanao amin’ny tenin-drazanao ny fitenenanao an’ilay fiteny vahiny.
Fahatelo, jereo ny dingana lehibe efa vitanao. Toy ny hoe mijery bozaka maniry ianao, rehefa mianatra teny vahiny. Mitombo isan’andro ny bozaka, nefa tsy voamarikao izany. Toy izany koa ny fahaizanao teny vahiny. Tsy isalasalana fa efa mihamahay ianao, raha ampitahaina amin’ny fahaizanao tamin’ny voalohany. Aza mampitaha tena amin’ny hafa mihitsy anefa. Araho ity toro lalana mahasoa voalazan’ny Galatianina 6:4 ity: “Aoka .. ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”
Fahefatra, hevero ho toy ny asa mitaky fotoana sy ezaka ilay izy, nefa tsy mitondra soa eo no ho eo fa any aoriana. Eritrereto izao: Mahay mandaha-teny ve ny ankizy telo taona na efa-taona? Mampiasa teny sy fehezanteny sarotra ve izy? Mazava ho azy fa tsia! Mahay miresaka tsara anefa izy. Na ny ankizy aza anefa dia mbola mila taona maromaro vao mahay fiteny iray.
Fahadimy, ampiasao matetika araka izay azo atao ilay fiteny ianaranao. Hoy i Ben: “Hoatran’ny tsy mitombo mihitsy ny fahaizako an’ilay fiteny, rehefa tsy ampiasaiko matetika ilay izy.” Ampiasao foana àry ilay fiteny. Miresaha foana! Mazava ho azy fa mety hahasosotra anao ny miresaka, rehefa tsy ampy voambolana toy ny zaza ianao. Nitaraina toy izao i Mileivi: “Sarotra amiko ny milaza izay tiako hambara, amin’ny fotoana tiako hilazana azy, ka sosotra aho.” Tsy tokony ho kivy anefa ianao rehefa sosotra toy izany, fa vao mainka aza tokony hiezaka hatrany. Hoy i Mike: “Tsy mahafa-po ahy ny fahaizako, raha tsy efa azoko ireo tantara sy hatsikana amin’ilay fiteny. Nandrisika ahy hianatra mafimafy kokoa izany.”
Izay azon’ny hafa anampiana
Inona no azon’ny hafa atao, mba hanampiana ny olona vao mianatra ny fiteniny? Izao no natoron’i Bill, ilay niresaka tetsy aloha: “Mitenena miadana sy araka ny fitsipi-pitenenana. Aza mampiasa fitenin-jaza.” Hoy i Julie: “Aza maimaika, fa avelao hahatapitra ny fehezanteniny ilay vao mianatra.” Hoy i Tony: “Mitady hiresaka amiko amin’ny fitenin-drazako foana ny olona mahay izany. Tsy mampahay anefa izany.” Milaza amin’ny namany àry ny olona sasany mianatra teny vahiny mba tsy hampiasa fiteny hafa ankoatra an’io amin’ny fotoana sasany. Mangataka amin’ny namany koa izy ireny mba hanoro azy ny lafiny tokony hohatsaraina. Faly koa ireo vao mianatra, rehefa misy midera amim-pahatsorana ny ezaka ataony. Hoy i George: “Tsy vitako ilay izy, raha tsy teo ny fitiavana sy ny fampaherezan’ny namako.”
Mendrika ny hanaovana ezaka àry ve ny fianarana teny vahiny? “Izany mihitsy!”, hoy i Bill, izay mahay fiteny maromaro. “Nahatonga ahy hitombo traikefa eo amin’ny fiainana sy handray hevi-baovao izany. Ambonin’izany dia ho voaonitra ny ezaka nataontsika, rehefa afaka mampianatra Baiboly an’ireo olona miteny vahiny isika, ary mahita azy ireny manaiky ny fahamarinana sy miezaka ho tonga mpanompon’Andriamanitra. Nisy olona mahay fiteny 12, nilaza tamiko hoe: ‘Tiako raha mba toa anao aho. Mianatra teny vahiny aho, noho ny fahafinaretana fotsiny, fa ianao kosa manao izany mba hanampiana olona.’ ”
[Fanamarihana ambany pejy]
[Teny notsongaina, pejy 11]
Ny faniriana hanampy ny hafa no tena mandrisika hianatra teny vahiny