Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Mpanasa Lamba any Abidjan

Lehilahy Mpanasa Lamba any Abidjan

Lehilahy Mpanasa Lamba any Abidjan

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY CÔTE D’IVOIRE

ANY Afrika Andrefana no misy an’i Abidjan, tanàna maresaka any Côte d’Ivoire. Niainga tao izahay ary nizotra niankandrefana. Raha mbola finaritra nijery ny manodidina izahay, dia nahatazana zavatra nahavariana. Nisy akanjo marevaka an’arivony nitandahatra teny amin’ny ahi-maitson’ny faritra iray midadasika. Fa atao inona eny ireny akanjo ireny? Nanazava ny anton’izany ireo tompon-tany namanay. Izao, hoy izy ireo, no vokatry ny asan’ireo fanico.

Anarana iantsoana an’ireo lehilahy mpanasa lamba any Côte d’Ivoire ny fanico. Vao mangiran-dratsy mandra-pilentiky ny masoandro, dia lehilahy an-jatony sy vehivavy matanjaka vitsivitsy no manasa lamba eo amin’ny Reniranon’i Banco. Izany asa mafy izany no antom-piveloman’izy ireo. Teny dioula ny hoe fanico. Ny fani dia midika hoe “lamba” na “akanjo”, ary ny ko dia midika hoe “manasa.” “Mpanasa lamba” àry no dikan’ny hoe fanico.

Ny asan’ny fanico

Te hahalala bebe kokoa momba ny asan’ireo fanico izahay, ka nitsidika ny toerana fanasany lamba. Tsy moramora ny asan’izy ireo! Vao maraim-be izahay no tonga, nefa efa teo am-perinasa sahady ry zareo. Somary mavomavo ilay renirano ary feno pne ngeza be. Misy vato eo ambonin’ny pne tsirairay, ary hatreny ambony lohalika ny rano. Manana pne iray avy ny mpanasa lamba, ary somokotra erỳ ry zareo manosotra savony sy manontona ary miborosy lamba.

Vao maraim-be dia efa mitety trano manangon-damba ny fanico. Any amin’ny telo kilaometatra avy eo amin’ilay fanasan-damba no hakana ny sasany. Lolohaviny ny lamba rehetra na entiny amin’ny sarety kely, ary mizotra mankany amin’ny Reniranon’i Banco izy avy eo. Fiarahabana amin’ny fiteny maro samihafa no mitsena azy rehefa tonga izy, satria avy any amin’ny faritra maro manerana an’i Afrika ireo fanico ireo. Efa am-polony taona ny sasany amin’izy ireo no nanao an’io asa io. Anisan’izany Ingahy Brama, izay lehilahy nofosana efa 60 taona mahery. Intelo isan-taona ihany izy ireo no tsy miasa, izany hoe telo andro amin’ny fitambarany.

Asa be ny fanasan-damba. Nisy lehilahy iray, hitanay nampidina ny lamba nololohaviny. Habetsahan’izay lamba re izany! Noborahiny ilay lamba ary natsobony tsirairay tao anaty rano. Nohosorany savony vita amin’ny menaka palmie izany avy eo, ary natontontontony teo amin’ilay vato. Nokosehiny tamin’ny borosy ny lamba, indraindray, rehefa nisy tasy tsy afaka. Ohatrinona no karaman’izy ireo? Tokotokony ho 140 Ariary ny akanjo iray ary 280 Ariary kosa ny lambam-pandriana. Tsy maintsy manasa lamba be dia be àry ny fanico vao mahazo vola ampy hivelomana.

Rehefa mahita ny habetsahan’ny lamba sasan’ireo fanico ianao dia mety hanontany tena hoe: ‘Ahoana no hitadidian’izy ireo hoe an’iza ny lamba tsirairay?’ Nihevitra izahay fa nasian’izy ireo marika ny lamba tsirairay, toy ny ataon’ireo mpanasa lamba any Inde. Hafa mihitsy anefa ny fomba ampiasain’izy ireo, ary mahomby koa.

Nanazava taminay ny fomba ampiasain’ny fanico ilay olona nitari-dalana anay, satria fantany tsara izany. Rehefa manangona lamba izy ireo amin’ny maraina, dia miezaka mitadidy ny haben’ny olona tsirairay ao amin’ilay fianakaviana. Tsy manisy marika amin’ny lamba ry zareo. Atambany kosa ny lamban’ny fianakaviana iray, ka afatony miaraka eo amin’ny faritra iray, ohatra hoe eo amin’ny tanan’akanjo, na ny vozony, na ny tepany. Ataony izay tsy hampisaraka ny lamban’ny fianakaviana iray, rehefa manasa lamba izy. Hitanay anefa fa mbola atahorana hifangaro ihany ny lamba. Nanontany fanico iray àry izahay, raha efa nanary na nampifangaro lamban’olona izy. Taitra be izy sady nilaza hoe: ‘Sanatria! Tsy manary lamban’olona mihitsy ny fanico!’

Mahazo manasa lamba eo amin’ny Reniranon’i Banco ve ny olona rehetra? Tsy izany velively! Misy fepetra hentitra tsy maintsy arahina. Ampiofanina mandritra ny telo volana izay te ho lasa fanico. Mpanasa lamba efa za-draharaha no mampiofana azy. Mandritra izany fotoana izany ilay vaovao no mianatra an’ilay fomba fitadidiana lamba. Raha tsy hainy ilay izy dia tsy maintsy mitady asa hafa izy. Raha mahay tsara kosa ilay fanico vaovao, dia asaina mandoa vola kely. Atoro azy ny pne hiasany, ary izy ihany no mahazo mampiasa izany.

Savony palmie

Tena ilain’ny mpanasa lamba ny savony. Ampianarina mampiasa an’ilay savony vita amin’ny menaka palmie koa àry izay te ho tonga fanico. Misy karazany telo io savony io, ka ny lokony no amantarana azy. Fanasana ny lamba tsy dia maloto ny savony fotsy sy mavo. Ny savony mainty kosa no ampiasaina rehefa maloto be ny lamba. Be kokoa ny menaka palmie ao amin’io savony io, ka izany no mahamainty azy. Savony folo isan’andro, fara fahakeliny, no ampiasain’ny fanico iray. Mamatsy savony ho azy ireo foana àry ny mpanao savony eo akaiky eo.

Nankany amin’ireo orinasa kely mpanao savony ireo izahay. Amin’ny enina maraina izy ireo dia efa manomboka miasa. Efa novidin’izy ireo tany an-tsena ireo akora ilaina, dia ny menaka palmie efa mandry, potasioma, sira, ranona voantsokina (corossol), diloilo coco, ary menaka kakaô. Tsy atahorana hanimba tontolo iainana mihitsy ireo akora ireo. Miara-tanehina ao anaty barìka mandritra ny adiny enina eo ho eo izy ireo, ary afo kitay no ampiasaina. Araraka eo ambony lasitra na vilia baolina vifotsy izany avy eo. Mivaingana ilay izy rehefa afaka ora maromaro ary tapatapahina.

Atao ao anaty koveta ireo savony avy eo, ary lolohavin’ilay mpanao savony mankeny amin’ireo fanico. Ahoana no anomezany savony an’ireo mpanasa lamba, izay efa ao anaty rano? Miroboka ao anaty rano izy, asosany eo ambony rano ilay koveta plastika feno savony, ary izay mila dia anaterany.

Vita ny asa

Entin’ireo fanico mankeny amin’ny havoana eo akaiky eo ny lamba rehetra rehefa voasasa, ary ahahiny eny ambony bozaka na ahantony amin’ny tady. Izany no nahatonga an’ilay loko marevaka nanintona ny masonay tamin’ny voalohany. Amin’izay koa vao mba afaka maka aina kely ireo lehilahy be herim-po ireo. Rehefa maina avokoa ny lamba amin’ny hariva, dia avalony tsirairay ary pasohiny amin’ny fera saribao ny sasany. Atambany ireo lamba ireo avy eo, ary ateriny any amin’ny tompony.

Tsy tao an-tsainay mihitsy izany asa rehetra izany, tamin’izahay nahatazana voalohany an’ireo lamba maro be nitandahatra. Tena faly àry izahay nahita ny asan’ireo fanico any Abidjan. Fantatray kokoa mantsy izao ny asa ataon’ireo mpanasa lamba rehetra, na lahy izany na vavy, ary lasa mankasitraka kokoa azy ireny izahay.

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

CÔTE D’IVOIRE

[Sary, pejy 12]

Mpanao savony mivarotra savony

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

PhotriMicroStock™/C. Cecil