Tarihin’ny Fahaizana Voajanahary ny Vorona
Tarihin’ny Fahaizana Voajanahary ny Vorona
“Ny fifindra-monin’ny vorona angamba no iray amin’ireo zava-mitranga mahatalanjona indrindra eo amin’ny natiora.”—BOKIN-TSARINTANIN’I COLLINS MOMBA NY FIFINDRA-MONIN’NY VORONA, ANGLISY.
TAMIN’NY 9 Desambra 1967, dia nahita gisadia 30 teo ho eo nanidina nankany Irlandy ny mpanamory fiaramanidina iray. Gaga izy satria tafakatra hatrany amin’ny 8 200 metatra ambonin’ny tany ireo vorona ireo. Nahoana izy ireo no nanidina avo be toy izany, nefa 40 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana any ambony any? Tratran’ny rivotra mifofofofo arahina lanezy mantsy izy ireo raha vao manidina ambany kokoa. Mahavita 200 kilaometatra isan’ora koa izy rehefa any ambony any, satria misy rivotra manosika azy. Avy any Islandy ireo gisadia ireo, ary 1 300 kilaometatra be izao no elanelan’io tany io amin’i Irlandy. Voalaza anefa fa adiny fito monja dia tonga any Irlandy izy ireo!
Ny varevaka avy any amin’ny Tendrontany Avaratra no vorona mpifindra monina lavitra indrindra. Mikotrika any amin’ny Tendrontany Avaratra io voron-dranomasina kely io, nefa mifindra any amin’ny Tendrontany Atsimo isaky ny ririnina. Mahatratra 40 000 ka hatramin’ny 50 000 kilaometatra ny diany mandroso sy miverina. Toy ny mihodidina ny tany manontolo izy, rehefa jerena izany!
Mikotrika any Eoropa Avaratra ny vanobe fotsy, ary mankany Afrika Atsimo rehefa ririnina. Mahatratra 24 000 kilaometatra ny diany mandroso sy miverina. An’arivony amin’io vorona io no mandalo any Israely isaky ny fararano sy lohataona. Efa tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly no fantatra fa mpanao izany ny vanobe fotsy.—Jeremia 8:7.
Iza no nametraka izany fahaizana izany tao amin’ny vorona? Nanontanian’Andriamanitra toy izao ilay olo-marina atao hoe Joba, 3 500 taona lasa teo ho eo izay: “Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?” Rehefa namaly an’Andriamanitra i Joba, dia nidera azy noho ny fahaizana mahavariana ananan’ny vorona sy ny biby hafa.—Joba 39:26, 27; 42:2.
Tsy baikoin’ny fahaizana voajanahary fotsiny
Ny olona no zavaboary ambony karazana indrindra noforonin’Andriamanitra teto an-tany. Tsy toy ny biby isika. Tsy manan-tsafidy mantsy izy ireny, fa baikoin’ny fahaizana voajanahary fotsiny. Tsy io fahaizana io kosa no tena mibaiko antsika. Afaka mifidy izay tiantsika hatao isika, ary nomen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana hitarika antsika, sady nataony ho afaka hitia. (Genesisy 1:27; 1 Jaona 4:8) Afaka mandray fanapahan-kevitra mety sy ara-drariny àry isika. Hita amin’ireny fanapahan-kevitra ireny mihitsy aza indraindray, fa be fitiavana sy mahafoy tena isika.
Matetika ny toe-tsain’ny olona iray sy ny fitondran-tenany no miankina amin’ny fitsipika sy ny foto-pinoana nampianarina azy tamin’ny mbola kely. Misy koa anefa tsy nampianarina an’ireo. Vokatr’izany, dia mety tsy hitovy ny fiheveran’ny olona ny atao hoe tsara sy ratsy, sy ny atao hoe fitondran-tena mety sy tsy mety. Mety hahatonga azy ireo tsy hifankahazo izany, na tsy handefitra, na hankahala olona mihitsy aza, indrindra raha zava-dehibe aminy ny kolontsainy na ny tanindrazany na ny fivavahany.
Raha mandinika ny natiora isika, dia hahita fa mitovy ihany ny lalàna tsy maintsy ankatoavin’ny zavaboary rehetra, ary mitondra soa izany. Azo inoana àry fa raha mitovy koa ny lalàna momba ny fitondran-tena arahin’ny olona rehetra, dia ho tsara lavitra ny fiainana eto an-tany, indrindra moa raha mifanaraka amin’ny rariny sy ny fampianarana ao amin’ny Baiboly izany lalàna izany! Kanefa misy olona ampy fahaizana sy fahalalana hametraka fitsipika eken’ny rehetra ve? Raha eny, efa nanao izany ve izy, sa amin’ny hoavy vao hanao izany? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.