Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5. Faminaniana Tanteraka

5. Faminaniana Tanteraka

Antony Atokisana ny Baiboly

5. Faminaniana Tanteraka

Eritrereto hoe marina foana izay ambaran’ny mpilaza toetrandro iray hatramin’izay. Raha milaza izy fa ho avy ny orana, tsy hitondra elo ve ianao?

BETSAKA ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. * Araka ny voaporofon’ny tantara, dia hita mazava fa tanteraka foana ny faminaniana voalaza ao.

Ny mampiavaka azy. Milaza zavatra voafaritra tsara ny faminanian’ny Baiboly matetika, ary tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra izany. Mazàna koa izy ireny no mahakasika raharaha lehibe, ary milaza zavatra mifanohitra amin’izay noeritreretin’ny olona fa hitranga.

Ohatra miavaka. Tsara toerana i Babylona fahiny, satria nandalovan’ny Reniranon’i Eofrata. Noho izany, dia nantsoina hoe “foibe ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-kolontsaina tany Azia fahiny” izy io. Nanambara loza anefa i Isaia mpaminany tamin’ny 732 T.K. tany ho any. Nilaza izy fa ho rava i Babylona. Voafaritra tsara ny zavatra nolazainy: Mpitondra atao hoe “Kyrosy” no handresy an’ilay tanàna, ho “tankina” ny ranon’i Eofrata izay niaro azy, ary “tsy hirindrina” ny vavahady. (Isaia 44:27–45:3) Tanteraka ny tsipiriany rehetra tamin’io faminaniana io, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 5 Oktobra 539 T.K. Nanamarina ny fomba naharava an’i Babylona i Hérodote, mpahay tantara grika (taonjato fahadimy T.K.). *

Sahy nilaza tsipiriany tsy mampino. Nilaza zavatra hafa nanaitra momba an’i Babylona i Isaia. Hoy izy: “Tsy honenana mandrakizay izy.” (Isaia 13:19, 20) Nihanitatra i Babylona tamin’izany sady tena tsara toerana, ka sahy tokoa i Isaia rehefa nilaza fa ho lao mandrakizay izy io. Raha tanàna toy izany no rava ankehitriny, dia antenaina fa ho voaorina ihany. Marina fa mbola nisy nandritra ny fotoana elaela kely i Babylona, taorian’ny nandresena azy. Tanteraka anefa ny tenin’i Isaia tamin’ny farany. “Tany ngazana, mahamay, lao ary mamovoka” sisa no hita eo amin’ilay toerana nisy azy, hoy ny gazety Smithsonian.

Mampitolagaga tokoa ilay faminanian’i Isaia. Izany dia tsy misy hafa amin’ny filazana amin’ny an-tsipiriany fa ho rava ny tanàna maoderina toa an’i New York na Londres, rehefa afaka 200 taona, sady tsy hisy mponina intsony. Tena mahavariana anefa fa tanteraka ilay faminanian’i Isaia! *

Hitantsika hatreto ny porofo sasantsasany maharesy lahatra ny olona an-tapitrisany fa mendri-pitokisana ny Baiboly. Izany no mahatonga azy ireo hiantehitra amin’izy io mba hitari-dalana azy. Nahoana àry raha miezaka hahalala bebe kokoa ny Baiboly, mba hahafahanao hanapa-kevitra raha azonao atokisana koa izy io?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tombantombana ihany no ataon’ny mpilaza toetrandro. Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly kosa anefa avy amin’Andriamanitra, izay afaka manova ny toe-javatra raha tiany izany.

^ feh. 6 Mba hahitana tsipiriany hafa momba ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia, dia jereo ny pejy 27-29 amin’ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 8 Mba hahitana faminaniana hafa efa tanteraka sy ny porofo ara-tantara momba izany, dia jereo ny pejy 117-133 amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 9]

Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe handresy an’i Babylona, izay firenena matanjaka, i Kyrosy