Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanjaka Nahavita Zavatra Niavaka

Mpanjaka Nahavita Zavatra Niavaka

Mpanjaka Nahavita Zavatra Niavaka

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY CAMEROUN

I IBRAHIM NJOYA no mpanjaka faha-17 nitondra ny Bamoum, foko lehibe any amin’ny faritra andrefan’i Cameroun. Nanjaka tamin’ny 1889 ka hatramin’ny 1933, taona nahafatesany, izy. Hita etsy ampita ny lisitr’ireo mpanjaka bamoum nanomboka tamin’ny 1391 ka hatramin’izao. Niezaka nanjanaka ny tanin’izy ireo ny Frantsay sy ny Alemà, nandritra ny fotoana nanjakany.

Tena narani-tsaina hatramin’ny fahazazany i Njoya. Olona manam-pahaizana sy tia fanavaozana ary mitovy firehan-kevitra aminy, no nangoniny hiara-miasa taminy. Hita amin’ilay lapa tsara tarehy naoriny, aseho eto ambany, fa tena nahay momba ny hairafitrano izy. Namorona milina fitotoan-katsaka (aseho eto) koa izy. Ankoatra izany, dia namorona ny fomba fanoratra ny teny bamoum izy, ary izany no zava-bitany tena niavaka.

Nanampy handrakitra an-tsoratra

Nampitaina am-bava fotsiny ny tantaran’ny Bamoum, talohan’ny 1900. Fantatr’i Njoya fa mety hisy tsipiriany tsy ho voalaza na hiampy, amin’izany. Namorona fomba fanoratra ny teny bamoum àry izy. Efa nahay teny arabo izy, satria nahazo boky tamin’io fiteny io, avy tamin’ireo mpanakalo entana sy mpivaro-mandeha nandalo tao amin’ny fanjakany. Mety ho nahay namaky teny vaï koa izy, satria nampiasaina tany Liberia izany.

Namorona litera an-jatony aloha i Njoya, ka kisarisary sy marika ny ankamaroany. Tsy maintsy nitadidy ny dikan’ny litera tsirairay ny mpamaky. Notsorin’i Njoya ilay fomba fanoratra, tatỳ aoriana, noho ny fanampian’ireo tandapany mendri-pitokisana. Natambatambany ireo litera mba ho vitsy kokoa. Nihavitsy àry ny litera sy ny fanononana tsy maintsy notadidina. Ireny litera notsorina ireny no natambatra ho lasa vanin-teny, ary vanin-teny maromaro indray no natambatra ho lasa teny. Nantsoina hoe A-ka-u-ku ilay soratra vaovao, ary nisy litera 70.

Nampirisika ny vahoakany hampiasa ilay soratra vao noforonina i Njoya, ka nasainy nampianarina tany an-tsekoly sy nampiasain’ny rehetra tao amin’ny fitondram-panjakany ilay izy. Nasainy nosoratana tamin’ny teny bamoum koa ny tantaran’ny fireneny sy ny tarana-mpanjaka niaviany. Tamin’izay ny vahoaka bamoum vao afaka namaky mahakasika ny fomban-drazany sy ny lalàny. Nampanoratra fomba fanamboarana fanafody tamin’ny teny bamoum mihitsy aza i Njoya. Mbola ao amin’ny fitehirizan-taratasin’ilay lapa ny 8 000 mahery amin’ireny taratasy ireny.

Niharihary ny soa azo avy tamin’ilay soratra vao noforonina, rehefa nanjanaka ny Bamoum ny Alemà, tamin’ny 1902. Na dia nampandroso ny toe-karena teo amin’ny fanjakan’i Njoya aza ny Alemà, dia matetika ilay mpanjaka no tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo. Ilay soratra vao noforoniny àry no nampiasainy, satria tsy hain’ny Alemà izy io. Naharitra ela ve ny fampiasana an’io soratra io?

Tsy afaka nifehy ny faritra nanjakan’i Njoya intsony ny Alemà, nandritra ny Ady Lehibe I (1914-1918). Ny Frantsay indray no notendren’ny Fikambanam-pirenena hifehy an’ilay faritra. Tsy tery saina i Njoya. Nirehareha noho ireo zavatra nolovainy tamin’ny razany anefa izy, ary naniry mafy hiaro sy hampiroborobo izany. Nahatonga azy hikomy tamin’ny Frantsay nanjanaka azy izany. Naongan’ny Frantsay àry i Njoya, tamin’ny 1931, toa an’ireo mpitondra hafa tsy nanaiky ny fahefan’ny mpanjana-tany. Maty tany an-tsesitany i Njoya, roa taona tatỳ aoriana.

Tsy navelan’ny Frantsay hampiasa ny soratra amin’ny teny bamoum intsony ny mpianatra. Tsy teo intsony koa i Njoya mba hampirisika ny fampiasana azy io. Tsy nampiasaina intsony àry ilay izy, ary vetivety dia hadinon’ny ankamaroan’ny Bamoum. Tonga ny misioneran’ny Kristianisma Anarana, tatỳ aoriana. Nianatra ny fitenin’ny Bamoum izy ireo, ary nandrakitra an-tsoratra ny fitsipi-pitenenan’ilay fiteny, mba hampianarina any an-tsekoly. Tsy toy ny nataon’i Njoya anefa no nataon’izy ireo, satria ny ankamaroan’ny abidy romanina sy ny fanononana izany no nampiasainy.

Nisy ezaka natao vao haingana mba hitiavan’ny olona indray ilay soratra fahiny. Nanokatra sekoly tao amin’ilay lapa naorin’ny dadabeny i Mbombo Njoya, mpanjaka any amin’izao fotoana izao. Ampianarina ao amin’io sekoly io indray ilay fomba fanoratra ny teny bamoum fahiny, mba tsy ho hadino tanteraka.

[Sary, pejy 27]

Takelaka mampiseho ny tarana-mpanjaka bamoum, nanomboka tamin’ny taonjato faha-14 ka hatramin’izao, nosoratana tamin’ny abidy romanina eo ankavia, ary tamin’ny teny bamoum eo ankavanana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Sary rehetra: Courtesy and permission of Sultan Ibrahim Mbombo Njoya, Foumban, Cameroon