Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Kokoa Noho ny Filalaovana Onja

Tsara Kokoa Noho ny Filalaovana Onja

Tsara Kokoa Noho ny Filalaovana Onja

NOTANTARAIN’I KARL HEINZ SCHWOERER

Teraka tany Pittsburgh, any Etazonia, aho tamin’ny 1952. Tany New Smyrna Beach, any Floride, anefa no nahalehibe ahy. Mbola zatovo aho dia efa tia nilalao onja teny an-dranomasina. Lasa tena zava-dehibe teo amin’ny fiainako izany.

NANIRY ho tonga mpanamory fiaramanidina aho, ka niditra nianatra tao amin’ny oniversite iray momba ny fanamboarana fiaramanidina, tany Daytona Beach, tamin’ny 1970. Nandiso fanantenana ahy anefa ny fitondram-panjakana, satria nandray anjara tamin’ny adin’i Vietnam, izay hitako hoe tsy ara-drariny. Nahatsiravina ahy sy ny tanora hafa ny rafitra rehetra nisy tamin’izany. Tsy nianatra intsony àry aho. Nanaraka ny fomba fiainan’ny hippie aho, ka nanalava volo sy nampiasa zava-mahadomelina.

Tsy ela aho dia nihaona tamin’i Susan, tovovavy tia nizaha tany, ary tena nahay hoso-doko sy naka sary. Nieritreritra aho fa raha miezaka ho tso-piaina izahay, dia enina ka hatramin’ny valo volana isan-taona monja aho no hiasa amin’ny orinasa mpanao fanorenana any Floride. Aorian’izay, dia ho afaka hitsangantsangana eny amin’ny morontsirak’i Pasifika, any Meksika sy Amerika Afovoany, izahay.

Nanomboka nitady an’Andriamanitra

Sambatsambatra erỳ izahay teny amin’ireo torapasika tsara tarehy sy mafana. I Sue nanao sary hoso-doko sy naka sary, fa izaho kosa nilalao onja teny an-dranomasina. Tena nahafinaritra izany! Taona vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, dia tsapanay fa tsy nahafa-po ny fiainanay. Hitanay hoe nisy zavatra tsy ampy. Nanomboka nitady an’Andriamanitra àry aho, tamin’ny 1975, tamin’izahay tany amin’ny morontsirak’i Pasifika, tany Costa Rica. Namaky boky momba ny filozofia sy ny fivavahana tatsinanana aho, satria izany no be mpitia tamin’izany.

Matetika no naka teny avy tao amin’ny Baiboly ireo boky novakiko, mba hanaporofoana fa marina ny zavatra lazainy. Nihevitra àry aho fa mirakitra ny fahamarinana ny Baiboly. Natakaloko Baiboly iray efa tonta ny zava-mahadomelina sasany tao amiko. Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ilay Baiboly. Namaky azy io aho isaky ny tolakandro, rehefa avy nilalao onja ny maraina. Tena nazoto namaky aho, nefa tsy tena azoko izay novakiko.

“Manana fanontaniana  ara-baiboly ve ianareo?”

Nividy fanafody tao amin’ny farmasia iray tany Salvadaoro izahay sy Sue, rehefa hody tany Etazonia avy tany Costa Rica, tamin’ny Aogositra 1975. Tsy nifankahazo ny fiteninay sy ny an’ilay mpivaro-panafody, ka sahirana izahay. Nanampy anay anefa ny tovovavy amerikanina iray 16 taona. Jenny no anarany, ary niteny Espaniola tsara izy. Nolazainy fa Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny ray aman-dreniny, ary nifindra tany Salvadaoro mba hampianatra Baiboly.

Hoy izy: “Manana fanontaniana ara-baiboly ve ianareo?”

“Eny”, hoy aho. Hita tamin’ny paozinay fa hippie izahay. Nanasa anay ho any an-tranony avy hatrany anefa i Jenny, mba hihaonanay tamin’i Joe sy Nancy Trembley, ray aman-dreniny. Nanaiky izahay. Nametraka fanontaniana ara-baiboly izahay nandritra ny tolakandro. Nahagaga anay ny fomba namalian’izy mivady an’izany. Nilaza foana mantsy izy ireo hoe: “Jereo ao amin’ny Baibolinareo ange ity andinin-teny ity, ary vakio e!”

Tsy ela dia alina ny andro, ka nasain’izy ireo natory tao aminy izahay sy Sue. Tsy nampiraisiny efitra anefa izahay, satria mbola tsy mpivady. Niari-tory nandritra ny alina i Sue sy Jenny, ary nandinika foto-kevitra ara-baiboly maro be.

Ilay Baiboly maitso

Nomen’i Joe sy Nancy gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! maromaro, boky vitsivitsy, ary Baiboly iray izahay, rehefa handeha ny ampitso. Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ilay Baiboly, ary miloko maitso. Nentin’i Joe nijery ny Efitrano Fanjakana koa izahay. Trano tsotsotra ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hianarana Baiboly izy io. Nieritreritra aho hoe: ‘Tena hafa ity fa tsy mitovy amin’ny trano fiangonan’ny fivavahana hafa, izay mirenty be nefa zara raha mianatra Baiboly ny mpivavaka ao!’

Nandalo toeram-pisavana izahay tamin’iny andro iny, rehefa hiditra ny sisin-tanin’i Goatemalà. Nisavorovoro ny manam-pahefana nahita an’ilay Baiboly maitso. Gaga izy ireo satria fantany fa Baibolin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Izahay anefa hita hoe tsy Vavolombelona mihitsy. Navelan’izy ireo handeha ihany izahay, rehefa afaka minitra vitsivitsy. Nahagaga anay izany, satria matetika izy ireo no nisava ny fiaranay sy ny entanay sao misy zava-mahadomelina na entana tsy ara-dalàna. Lasa noheverinay ho ody miaro àry ilay Baiboly maitso.

Rehefa nanohy namaky Baiboly sy boky ara-baiboly izahay, dia niaiky fa nahita ny marina momba an’Andriamanitra. Mbola te hilalao onja tany Puerto Escondido mandritra ny tapa-bolana anefa aloha aho, rehefa nandalo tao Meksika. Tao no toerana filalaovana onja tiako indrindra. Tapa-kevitra ny hiverina tany Floride sy ho tonga mpanompon’i Jehovah aho, taorian’izay.

Nandritra ny tapa-bolana nanaraka, dia nilalao onja aho isa-maraina, ary namaky Baiboly sy boky ara-baiboly teny amin’ny tora-pasika ny tolakandro. Taitra ny ankizivavy kely iray valo taona nahita an’ilay Baiboly maitso, ka nanasa anay hiaraka aminy tany amin’ny toerana iray ny takariva. Tsy fantatray izay tiany hitondrana anay, nefa nino izahay fa nisy ifandraisany tamin’ilay Baiboly izany. Tsy nety izahay, nefa nisisika foana izy. Niaraka taminy ihany àry izahay, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nentiny tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Trano kely vita amin’ny bararata ilay izy, ary mitafo bozaka. Nandray tanana sy namihina anay ny rehetra, toy ny hoe efa namany hatry ny ela izahay.

Nampiaiky volana anay ny filaminana nandritra ny fivoriana. Nijerijery anay ny ankizy sasany, satria mbola tsy nahita lehilahy lava volo mihitsy angamba izy ireo. Nasain’ny ray aman-dreniny nifantoka tamin’ny fivoriana foana anefa izy ireo. Ankizy toy ireny no nampiasain’i Jehovah hitarika anay hanatrika fivoriana voalohany.

Tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah

Namidiko ilay fitaovana filalaovako onja, rehefa avy nilalao onja nandritra ny tapa-bolana aho. Niverina tany Floride avy hatrany izahay. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary nanatrika ny fivoriana rehetra. Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah izahay, ka nisara-toerana ary tsy nifandray be tamin’ny namanay taloha intsony. Niharatra sy nihety aho, ary nividy akanjo vitsivitsy i Sue. Nivady izahay efa-bolana tatỳ aoriana, ary natao batisa tamin’ny Aprily 1976, ho porofo fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra.

Lasa nisy heviny ny fiainanay. Tena nankasitraka an’i Jehovah izahay, ka naniry mafy hiverina tany amin’ny firenena miteny espaniola, mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanoro hevitra anay anefa ny anti-panahin’ny fiangonanay hoe: “Hatanjaho tsara aloha ny finoanareo vao mandeha. Ho hainareo tsara ny hanampy ny hafa amin’izay.” Nekenay ny torohevitr’izy ireo, ka niezaka ho tonga mpisava lalana (mpitory manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah) izahay.

Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana i Sue, tamin’ny Janoary 1978. Te hanao izany koa aho, saingy mbola be dia be ny saram-pianarana tsy voaloako tany amin’ny oniversite. Nahita vahaolana tsotra anefa aho. Saika holazaiko fotsiny hoe bankirompitra aho, dia havelany ny trosako. Ho afaka hanao mpisava lalana aho amin’izay.

Nanoro hevitra ahy tamin-katsaram-panahy anefa ny anti-panahy, fa tsy mety izany hevitro izany, satria tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly hoe: ‘Manaova ny marina amin’ny zava-drehetra.’ (Hebreo 13:18) Nanohy niasa àry aho mba handoavana ny trosako. Tratrako ihany ny tanjoko tamin’ny Septambra 1979. Afaka niara-nanao mpisava lalana tamin’i Sue aho. Nataonay tsotra foana ny fiainanay nanomboka teo, ka andro vitsivitsy isan-kerinandro ihany aho no niasa.

Nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn

Nisy zavatra tsy nampoizinay tamin’ny Aprily 1980, herintaona latsaka kely taorian’ny niarahanay nanao mpisava lalana. Nahazo fanasana avy amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, izahay mba hiasa any manomboka ny volana Mey! Nisy fiantsoana hanao fanorenana mantsy, taloha kelin’izay, ka nanao fangatahana izahay. Faly sahirana izahay rehefa nivaly ilay fangatahana, satria tena tianay ny asan’ny mpisava lalana. Niresaka tamin’ny anti-panahy roa àry izahay. Nampian’izy ireo izahay hahita fa tombontsoam-panompoana tena sarobidy no teo anoloanay. Hoy izy ireo: “Manandrama aloha manompo ao amin’ny Betela herintaona e!” Namidinay àry ny fanananay rehetra, ka nankany Brooklyn izahay.

Nanao fanorenana nandritra ny roa taona aho. Nasaina niasa tao amin’ny Biraon’ny Fanorenana Misahana ny Lafiny Teknika aho, avy eo, ary nampiofanina hanao mari-trano. I Sue kosa niasa herintaona tao amin’ny Fanakambanam-boky, ary tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Sary avy eo. Nanao jery todika ny taon-dasa izahay, isaky ny nitsingerina ny mariazinay. Nodinihinay ny toe-javatra nisy anay sy ny fanirianay, ary nanapa-kevitra izahay fa hanohy hiasa ao amin’ny Betela.

Nahazo namana akaiky sy mahafinaritra izahay, rehefa nandeha ny fotoana. Hitanay koa fa afaka nanompo an’i Jehovah bebe kokoa sy tena nanampy ny rahalahinay eran-tany izahay, tao amin’ny Betela. Tapa-kevitra ny hanohy foana àry izahay. Nanomboka nianatra teny espaniola izahay tamin’ny 1989, ka afaka niaraka tamin’ny fiangonana miteny espaniola, tany Brooklyn. Nanana tombontsoa roa sosona izahay noho izany: Sady afaka nanompo tao amin’ny Betela no afaka niara-nanompo tamin’ny fiangonana miteny vahiny.

Nitsidika anay tany Brooklyn i Jenny, ilay noresahina terỳ aloha. Nahafinaritra ny nihaino azy nitantara ilay fotoana nihaonanay tany Salvadaoro. Narary, hono, izy, tamin’iny, teo am-pampianarana Baiboly, ka nividy fanafody rehefa hody. Tsy nandeha tao amin’ilay fivarotam-panafody nahazatra azy anefa izy, fa nankao amin’ilay nifankahitanay.

Nanompo tany an-tany hafa

Nanontany ahy toy izao ny mpiandraikitra ny asako tao amin’ny Betela, tamin’ny 1999: “Tianao ve ny ho any amin’ny sampan’i Aostralia mandritra ny telo volana, mba hiasa amin’ny tetikasa iray ao amin’ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika?”

Nanaiky avy hatrany aho. Tsy ela dia teny an-dalana ho any Aostralia izahay, ary nanompo telo taona tany. Nahafinaritra ny nanampy tamin’ny fanaovana ny mari-tranon’ireo sampana maro, any Azia sy Pasifika Atsimo. Nisy zavatra tsy nampoizinay indray anefa rehefa niverina tany Brooklyn izahay, tamin’ny 2003. Voatendry ho atỳ amin’ny sampan’i Brezila izahay mba hanompo ato amin’ny Biraom-paritra Momba ny Efitrano Fanjakana. Miala kely ny tanànan’i São Paulo ny sampan’i Brezila.

Mbola eto izahay izao. Miandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana ho an’ny ankamaroan’ny tany atỳ Amerika Atsimo ilay birao. Anisan’ny asa nanendrena ahy ny mitety an’ireo toeram-panorenana mba hanampy sy hampahery ny mpiasa. Afaka miaraka amiko i Sue amin’izany.

Mifantoka hatrany amin’ny zava-dehibe kokoa

Mbola tiako foana ny milalao onja, nefa nahita zava-tsarobidy kokoa noho izany aho. Tsy zava-dehibe amiko intsony io lalao io, fa fialam-boly sisa. Tena manampy ahy i Sue, ka afaka mifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa aho, dia ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana.

Ny hampiasa ny fiainanay sy ny fahaizanay mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana sy ny fivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra izao, no tena imasoanay. Nianaranay fa tsy ny toerana anompoanay an’i Jehovah no tena zava-dehibe, fa ny manompo azy amin’ny fo manontolo, na aiza na aiza.—Kolosianina 3:23.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Mbola tiako foana ny milalao onja, nefa nahita zava-tsarobidy kokoa noho izany aho”

[Sary, pejy 22, 23]]

Sariko milalao onja

[Sary, pejy 23]

Tamin’izaho 13 taona

[Sary, pejy 23]

Tsy nahafa-po ahy ny fiainana hippie

[Sary, pejy 25]

Eo ambony: Manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana; ankavanana: Izahay sy Sue, ankehitriny