Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fombafomba Fahiny Mbola Arahina any Meksika

Fombafomba Fahiny Mbola Arahina any Meksika

Fombafomba Fahiny Mbola Arahina any Meksika

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

MBOLA mifikitra amin’ny finoana sy fombafomba ara-pivavahana fahiny ny ankamaroan’ny olona any Meksika, na dia efa mampiasa finday sy Internet aza. Lasa fanaon’ny Fivavahana Katolika any ny fombafomba sasany fanaon’ny Indianina fahiny. Mbola mampiavaka ny Fivavahana Katolika any mihitsy aza ireny fanao ireny.

Mamangy fasana, ohatra, ny Meksikanina maro, isaky ny 2 Novambra. Mankalaza ny Fetin’ny Maty izy ireo amin’io andro io. Mety hitondra voninkazo, sakafo ary toaka ho an’ilay maty izy ireo. Mitondra mpitendry zavamaneno mihitsy aza ny sasany, mba hanao ny hira nankafizin’ilay nodimandry. Katolika maro koa no manorina alitara ao an-tranony, ary mametraka ny sarin’ilay nodimandry eo ambonin’izy io.

Milaza ny Rakipahalalan’i Meksika (espaniola) fa toa “nolovaina avy tamin’ny Indianina” ny fanao sasany amin’ny Fetin’ny Maty. “Nanao fety mantsy ny Indianina tamin’ny volana ochpaniztli sy teotleco, izay mifanitsy amin’ny faramparan’ny Oktobra sy ny fiandohan’ny Novambra. Vory ny vokatra tamin’io fotoana io, ary nanolotra voninkazo cempasúchil sy koban-katsaka miharo hena ho an’ireo manes [na fanahin’ny maty] izy ireo.” Milaza koa io rakipahalalana io, fa misy itovizany amin’ireo lanonana fankalazana ny maty talohan’ny nahatongavan’ny Espaniola, ny fombafomba sasany amin’ny Fetin’ny Maty fanao any. Anisan’izany ny karazana fety toy ny karnavaly.

Fankamasinana sary

Andro fety ho an’ny Katolika meksikanina ny 12 Desambra. Katolika an’arivony avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Meksika no mitanjozotra mankany amin’ny Eglizin’ny Virjinin’i Guadalupe, eo amin’ny Havoana Tepeyac ao Mexico. Maro no mandeha an-tongotra mandritra ny andro maro sady mivavaka amin’ilay Virjiny. Mandohalika izy ireo (sary etsy ambony) rehefa miditra an’ilay eglizy, ary manolotra raozy eo amin’ilay sary vongana.

Ahitana sarin’ny Virjinin’i Guadalupe koa izao any an-tranon’olona, eny amin’ireo trano avo be, toerana fijanonan’ny bisy, ary toeran-kafa falehan’ny olona. Nomena anaram-boninahitra hoe “Renin’Andriamanitra” sy “Ilay Mainty Hoditra Kelin’i Tepeyac” ny Virjinin’i Guadalupe. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-16, dia mpino maro no nilaza fa nahavita nanasitrana sy nanao fahagagana ny Virjinin’i Guadalupe.

Tantaran’ny Virjinin’i Guadalupe

Ny fankamasinana andriamanibavy sy ireo fombafomba mifandray amin’izany, dia efa fanao tamin’ny fivavahana tamin’ilay andriamanitra reny azteky antsoina hoe Cihuacóatl, na Tonantzin, izay midika hoe “Neny Kelinay.” Milaza ny boky Meksika Nandritra Ireo Taonjato (espaniola), fa ny Azteky fahiny no nitondra ny andriamanibavy Cihuacóatl sy i Huitzilopochtli zanany lahy ho any Tenochtitlán, renivohitry ny Fanjakana Azteky, na i Mexico ankehitriny.

Noravan’ny Espaniola ny tempolin’i Cihuacóatl teo amin’ny Havoana Tepeyac. Araka ny lovantsofina, dia niseho tamin’ny tompon-tany indianina iray antsoina hoe Juan Diego teo amin’io havoana io ny Virjinin’i Guadalupe, 40 taona latsaka taorian’ny nahatongavan’i Christophe Colomb tany Amerika. Nangataka, hono, izy mba hanorenana trano fivavahana teo.

Nanaja fatratra an’i Cihuacóatl ny Azteky. Voalaza fa lava volo sy niakanjo fotsy mangatsakatsaka i Cihuacóatl. Iva kely ny fidirana tao amin’ny tempoliny, ka tsy maintsy nandohalika rehefa niditra tao. Raha vao tafiditra an’ilay tempoly ireo mpivavaka, dia nahita ny sarivongany voahodidina sarivongana kely maro be. Toy ny hoe i Cihuacóatl àry no ‘renin’ireo andriamanitra.’

Nisy fanaovana sorona olombelona sy fandihizana ary miaramila nanao matso ny fety fankalazana an’i Cihuacóatl. Nitondra “raozy teny an-tanany ireo miaramila, sady nanao vakana sy fehiloha vita tamin’ny raozy.” Natao fanatitra ho an’ny Huitzilopochtli teo an-tampon’ilay tempoly ireo voninkazo ireo. Nandeha an-tongotra efa ho roa arivo kilaometatra ny Indianina sasany, mba hanatrehana ny fety fankalazana an’i Cihuacóatl. Avy any Goatemalà ny maro taminy.

Zava-dehibe ve ny niandohan’ny fanao iray?

Hita àry fa niandoha avy tamin’ny fanaon’ny olona tsy mpivavaka amin’ilay tena Andriamanitra, ny fivavahan’ny Katolika amin’ny sarin’ny Virjinin’i Guadalupe. (Salamo 83:18) Tokony hisy vokany eo amin’ny fiheverantsika an’io fanao io ve izany? Zava-dehibe amin’Andriamanitra ve ny niandohan’ny fanao iray?

Nanome torohevitra feno fahendrena mahakasika izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. ... Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino?” Hoy koa izy: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.”—2 Korintianina 6:14, 15; 1 Tesalonianina 5:21.

Mihatra amintsika ankehitriny koa izany torohevitra izany. Tokony handinika ny fomba anompoantsika an’Andriamanitra isika ka hanontany tena hoe: ‘Tena mifanaraka amin’ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ve ny fomba anompoako an’Andriamanitra? Sa niandoha tamin’ny fanaon’ny olona nanompo andriamani-diso ny zavatra sasany?’ Hiezaka hisaintsaina izany ny olona maniry hampifaly an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.

[Sary, pejy 23]

Mpino katolika tonga eo amin’ny Eglizin’ny Virjinin’i Guadalupe

[Sary, pejy 23]

Mpitendry zavamaneno eny am-pasana, 2 Novambra