Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hitaizana ny Tanora? Nahoana no Ilaina ny Fahalalana?

Ahoana no Hitaizana ny Tanora? Nahoana no Ilaina ny Fahalalana?

Ahoana no Hitaizana ny Tanora? Nahoana no Ilaina ny Fahalalana?

Aoka hatao hoe manao vakansy any an-tany hafa ianao, ary tsy hainao ny fiteny any. Marina fa sarotra aminao ny miresaka amin’ny olona, nefa mety ho azonao atao ihany izany. Afaka mijery diksionera, ohatra, ianao mba hahalalanao ny teny fampiasa andavanandro. Afaka mitady mpandika teny koa ianao. Hahalala izay tian’ny olona holazaina ianao amin’izay, ary ho hainy koa ny tianao holazaina.

MISY ray aman-dreny mahatsapa indraindray hoe toy ny olona mahare teny vahiny izy. Azo oharina amin’ny teny vahiny mantsy ny fihetsika asehon’ny tanora. Mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreny ny tena dikan’izy ireny, nefa azony atao ihany ny mamantatra azy. Mila hainy fotsiny ny zava-mitranga, rehefa mihalehibe ny ankizy. Fotoana mahafinaritra io, nefa manahirana koa.

Nahoana ilay ankizy no miova?

Te hanao izay tiany ny tanora, nefa tsy voatery hoe te hikomy izy. Tadidio fa milaza ny Baiboly hoe tsy maintsy “handao ny rainy sy ny reniny” ny olona, rehefa lehibe. (Genesisy 2:24) Tokony havela hanapa-kevitra irery àry ny tanora indraindray, mba ho vonona amin’ireo andraikitra lehibe kokoa miandry azy.

Aleo hojerentsika ny tenin’ireo ray aman-dreny tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Inona no mety ho nahatonga ny zanany hiova?

Nitaraina i Lia, any Grande-Bretagne hoe: ‘Hoatran’ny lasa nanizingizina ny heviny foana ny zanako lahy, sady be famaliana.’

Manontany foana ny ankizy hoe: “Fa maninona?” Rehefa mihalehibe anefa izy, dia tsy ampy azy intsony ny valin-teny fohy sy tsotra. Nahoana? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Fony aho zaza, dia nisaina toy ny zaza.’ (1 Korintianina 13:11) Efa misaina kokoa noho ny zaza ny tanora, ka mila fanazavana bebe kokoa, mba ho zatra mampiasa saina.—Hebreo 5:14.

Hoy indray i John, any Ghana: ‘Lasa nieritreritra be momba ny bikany sy ny tarehiny ny zanakay vavy.’

Rehefa 11 na 13 taona eo ho eo ny ankizy no mitombo be tampoka ny vatany. Mety ho lasa aloha kely ny an’ny sasany, ary ny an’ny hafa mety ho tara kely. Mieritreritra be momba ny bika aman’endriny ny tanora maro, manomboka eo. Misy ankizivavy faly rehefa mijery ny bikany, fa misy kosa matahotra. Ny hafa indray faly sahirana. Lasa misy mony koa ny ankizy amin’io fotoana io, ka tsy mahagaga raha variana eo amin’ny fitaratra izy, fa tsy dia miraharaha fianarana. Ny sasany rahateo sambany vao mba manandrana manao makiazy.

Hoy i Daniel, any Philippines: “Lasa tia nanafinafina ny zavatra nataony ny zanakay, sady te hitokana indraindray. Naleony koa niaraka tamin’ny namany toy izay niaraka taminay.”

Ratsy ny manafinafina. (Efesianina 5:12) Tsy ratsy kosa anefa ny hoe mba te hitokana tsindraindray. Na i Jesosy aza nahita fa ilaina ny ‘mitokana any amin’ny toerana mangina.’ (Matio 14:13) Mba tokony havela irery koa àry ny tanora indraindray. Afaka mianatra misaintsaina izy amin’izay, satria hahasoa azy izany rehefa lehibe izy.

Mila mana-namana koa ny ankizy. Marina aloha fa milaza ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Voalaza ao koa anefa hoe: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17) Avelao àry ny tanora hianatra hifandray amin’izay olona hitany fa afaka mampahery azy. Ilainy mandritra ny androm-piainany izany.

Tokony hanana fahalalana àry ny ray aman-dreny, izany hoe tokony hahalala ny tena antony mahatonga ny zanany hiova. Tsy ho diso fandray ny fihetsiny izy amin’izay. Tsy ampy anefa ny fahalalana. Mila manana fahendrena koa ny ray aman-dreny, izany hoe mila mahita vahaolana tena mahomby, rehefa misy zava-mitranga. Ahoana izany?

[Teny notsongaina, pejy 5]

Efa misaina kokoa noho ny zaza ny tanora, ka mila hazavaina bebe kokoa aminy ny fitsipika ao an-trano