Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana ho An’ireo Bobo

Fanampiana ho An’ireo Bobo

Fanampiana ho An’ireo Bobo

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BÉNIN

“REHEFA mameno taratasy aho ka misy fanontaniana hoe ‘Inona no volon-koditrao?’, dia ataoko foana hoe ‘Mainty’, na dia mbola fotsy noho ny fotsy hoditra aza aho.” Izany no nolazain’i John, Afrikanina Tandrefana mipetraka any akaikin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Bénin sy Nizeria. Bobo izy, izany hoe tsy ampy na tsy misy an’ilay zavatra mpanome loko, ny masony sy ny hodiny ary ny volony. Ny bobo sasany, ny masony ihany no voa. Betsaka ve ny olona voan’io aretina io? Inona no vokatr’izany eo amin’izy ireo? Ahoana no azo anampiana ny bobo? *

Misy bobo avokoa ny karazan’olona rehetra, indrindra fa ny mainty hoditra. Tombanana ho olona 1 ao anatin’ny 20 000 no voan’io aretina io.

Manaranaka ilay aretina, saingy tsy miseho izy io indraindray raha tsy any amin’ny taranaka lavitra be. Izany no nitranga tamin’i John. Tsy nisy bobo mihitsy ny razamben’izy ireo, fa ny tany aloha be no tsy fantatra.

Aretin-koditra sy areti-maso

Rehefa mitanina andro elaela ny ankamaroan’ny olona fotsy, dia lasa somary zarazara hoditra. Mamokatra melaninina, na loko miaro ny hoditra, mantsy ny vatany. Tsy mba toy izany anefa i John, satria tsy misy melaninina ny hodiny sy ny volony ary ny masony. Io karazany io no fahita matetika amin’ilay aretina. * Inona no vokany rehefa tsy misy melaninina ny hoditra? Mora main’ny masoandro. Na hoditra salama aza mantsy no main’ny masoandro, dia mangirifiry sy mahasorena. Mainka moa fa ny an’ny bobo. Atahorana ho voan’ny kanseran’ny hoditra izy ireo raha tsy mitandrina tsara, indrindra fa any amin’ny tany mafana.

Ny zavatra voalohany tokony hataon’ny bobo mba hiarovana ny hodiny, dia ny manao akanjo miaro azy amin’ny masoandro. Tantsaha, ohatra, i John. Manao satroka tsihy be sofina sy akanjo ambony lava tanana àry izy rehefa miasa eny an-tsaha. Na efa mitandrina toy izany aza anefa izy, dia mbola nilaza hoe: “Tsapako mihitsy indraindray fa may ny vatako manontolo. Rehefa mody aho ka mihaotraotra ny sandriko, dia mihofakofaka be ny hoditro.”

Tsara koa ny manao menaka miaro amin’ny masoandro, raha misy. Samy hafa ny herin’izy ireny, ka izay misy fiarovana mahery kokoa no tena mety, arakaraka ny hoditra. Tokony hahosotra antsasak’adiny alohan’ny handehanana eny amin’ny hainandro ilay izy, ary haverina isaky ny adiny roa.

Marary maso koa ny bobo. Tsy misy an’ilay zavatra mpanome loko mantsy ny voamasony. Io anefa no misakana ny tara-pahazavana tsy hiditra ao anaty maso. Eo amin’ny anakandriamaso ihany no tokony hiditra ny hazavana. Tantera-pahazavana anefa ny voamason’ny bobo, ka ratsy ny vokany. Maro amin’ny bobo àry no manao kasikety na solomaso miaro amin’ny taratra ultraviolet. Misy indray manao vera manify miloko, izay apetaka amin’ny maso. Nilaza i John fa tsy mampaninona azy ny tsy manao solomaso mandritra ny andro maromaro. Sahirana anefa izy amin’ny alina, rehefa tarafin’ny jiron’ny fiara.

Maro no mihevitra fa mena ny mason’ny bobo. Tsy marina anefa izany. Volondavenona, na volontany, na manga ny mason’izy ireo matetika. Nahoana àry no toy ny mena ny masony? Hoy ilay boky hoe Ny Marina Momba ny Bobo (anglisy): ‘Arakaraka ny hazavana ilay izy. Mety ho somary hanopy mena na volomparasy ny voamason’ilay marary, izay zara raha misy an’ilay mpanome loko. Taratra avy amin’ny temimaso io loko io.’ Toy ny hoe mena maso àry ny bobo, mitovy amin’ireny mason’olona tratran’ny hazavana manjelatra ireny, ka lasa mena rehefa ao anaty sary.

Betsaka ny zavatra tsy tena mety ao amin’ny mason’ny bobo. Tsy mifandray tsara, ohatra, ny hozatra mampitohy ny temimaso amin’ny atidoha. Lasa njola àry ny mason’ilay olona. Tsy mahitsy ny fijeriny, ka tsy hainy ny manavaka hoe lavitra sa akaiky ny zavatra jereny. Azo tsaboina amin’ny alalan’ny solomaso na fandidiana izany.

Tsy misy na lafo loatra ny fitsaboana any amin’ny tany maro. Ahoana àry no ataon’i John, satria njola koa izy? Hoy izy: “Tsy maintsy mitandrina aho rehefa miampita arabe. Sady mijery ny masoko no mihaino tsara ny sofiko. Rehefa mahita fiara aho, dia mbola tsy miampita raha henoko hoe manatona ilay izy.”

Indraindray koa mihetsiketsika be ny voamason’ilay olona. Tsy mahita tsara izy noho izany, angamba tsy mahita lavitra na tsy mahita akaiky. Mety hahita kokoa izy raha manao solomaso na vera manify apetaka amin’ny maso, na dia tsy tena mahafaka an’ilay aretina aza izany. Afaka mamaky teny koa ny sasany rehefa atongilany ny lohany, na ataony eo alohan’ny masony ny rantsantanany iray.

Vavolombelon’i Jehovah i John. Ny tena manahirana azy dia izy tsy mahita raha tsy akaiky kely. Hoy izy: “Tsy maintsy ataoko akaiky kely ny zavatra vakiko. Afaka mamaky haingana ihany aho mantsy rehefa mety tsara ny elanelan’ilay boky sy ny masoko. Mila manao an’izany aho rehefa mamaky Baiboly isan’andro.” Hoy koa izy: “Manomana tsara aho rehefa hanao lahateny any amin’ny fivoriana kristianina. Amin’izay aho tsy mila mamaky be fa mahatadidy izay holazaina. Tena faly aho satria efa misy amin’ny teny yorobà izao Ny Tilikambo Fiambenana soratra lehibe.”

Tena sahirana ny ankizy bobo, izay njola na marary maso, rehefa any am-pianarana. Misy azo anampiana azy ireny anefa, raha miresaka mialoha amin’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ny ray aman-dreniny. Ny sekoly sasany, ohatra, manana kasety fianarana sy boky misy soratra ngezabe sy mazava be. Hahavita tsara ny fianarany ireny ankizy ireny, raha miara-miasa akaiky ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatra ary ny talen-tsekoly.

Ailikiliky ny olona

Vitan’ny ankamaroan’ny bobo ihany ny miatrika ny aretiny. Ny tena sarotra ho an’ny maro amin’izy ireo anefa, dia ny fanavakavahan’ny mpiara-monina. Ho an’ny ankizy indrindra izany no tena mafy.

Misy mananihany sy maneso, ohatra, ny ankizy bobo atỳ Afrika Andrefana. Antsoin’ny olona hoe “Afin”, midika hoe “mampahatahotra”, izy ireo, any amin’ny faritra sasany miteny yorobà. Ny ankizy no tena be mpananihany, noho ny olon-dehibe. Tsy mipetraka an-trano ny olona atỳ Afrika Andrefana, amin’ny ankapobeny. Aleon’ny bobo sasany anefa mijanona ao an-trano. Lasa mahatsiaro ho ailikilika sy tsy ilaina àry izy ireo. Izany no tsapan’i John, talohan’ny nianarany ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Niova tanteraka anefa ny fiainany, rehefa avy natao batisa izy tamin’ny 1974. Nitokana tao an-tranony foana izy taloha. Fantany anefa fa adidiny ny mitory amin’ny hafa ny fanantenana mahatalanjona ananany. Hoy izy: “Na marary aza aho, dia mbola mampalahelo kokoa noho izaho izy ireo satria tsy mahalala an’i Jehovah.” Misy mananihany ve izy rehefa mitory? Hoy i John: “Indraindray misy olona tena tsy tia ny hafatra ara-baiboly, ka ny tarehiko no mody anesoesoany ahy. Tsy mampaninona ahy anefa izany, satria fantatro fa ny hafatra toriko no tena toheriny fa tsy dia izaho loatra.”

Ho foana ilay aretina

Nandroso be ny fitsaboana ny bobo tato anatin’ireo taona faramparany. Nahazo fanampiana betsaka àry izy ireo. Misy koa fikambanana manampy ny bobo hifampitantara ny mahazo azy sy hifanakalo hevitra mba hahitana fanatsarana. Tsy avy amin’olombelona anefa ny tena vahaolana, fa avy amin’Andriamanitra.

Vokatry ny tsy fahalavorariana nolovana tamin’i Adama ny aretin’ny bobo, toy ny aretina hafa rehetra ihany. (Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12) Ho foana tsy ho ela izany, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Hataon’i Jehovah salama tsara daholo izay rehetra mino azy. Izy tokoa no “manasitrana ny aretinao rehetra.” (Salamo 103:3) Tsy hisy olona ho bobo intsony amin’izay, satria ho tanteraka amin’izy ireo ny Joba 33:25 hoe: “Ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy mitovy amin’ny olona voan’ny hazapotsy ny bobo. Jereo ny Mifohaza! 8 Oktobra 2004, pejy 18.

^ feh. 7 Jereo ilay efajoro manazava ny fomba sasany isehoan’ilay aretina.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Na marary aza aho, dia mbola mampalahelo kokoa noho izaho izy ireo satria tsy mahalala an’i Jehovah.—John

[Efajoro, pejy 28]

FOMBA ISEHOAN’ILAY ARETINA

Ireto no fahita matetika:

Tsy misy melaninina ny hoditra sy ny volo ary ny maso. Misy karazany 20 eo ho eo ny fisehon’izany.

Ny maso ihany no voa, fa ny hoditra sy ny volo toy ny an’ny olon-drehetra ihany.

Miseho amin’ny endriny maro ilay aretina, saingy tsy dia fahita ny sasany. Anisan’izany, ohatra, ilay atao hoe aretin’i Hermansky sy Pudlak. Lasa mora mangana sy mora maratra izay voan’izy io. Olona maro any Porto Rico no voan’ilay izy, tokotokony ho 1 ao anatin’ny 1 800.