Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandrenesana Tsiro

Fandrenesana Tsiro

Nisy Namorona Ve?

Fandrenesana Tsiro

▪ Mahavariana fa vao manaikitra ny sakafo tena ankafizinao ianao dia renao avy hatrany ny tsirony. Ahoana no mahatonga izany?

Diniho izao: Misy tambatsela antsoina hoe tsapatsiro ny lela sy ny tenda ary ny ativava. Eo amin’ny marokoroko amin’ny lela no misy ny ankamaroany. Misy sela mpandray tsiro 100 ny tsapatsiro tsirairay. Mandre tsiro iray ny sela mpandray tsiro tsirairay: na marikivy, na masira, na mamy, na mangidy. * Sela hafa tanteraka no mamantatra ny masiaka, dia ny sela mpandray fanaintainana. Mifandray amin’ny selam-pitatitra ny sela mpandray tsiro. Misy taharo simika ny sakafo rehetra hanintsika, ary ireny no manaitra ny selam-pitatitra. Ireo sela ireo indray no mampita hafatra any amin’ny atidoha.

Tsy ny vava ihany anefa no miasa mba handrenesana tsiron-kanina. Eo koa ireo sela mpandray fofona ao anaty orona, izay miisa dimy tapitrisa. Afaka mamantatra karazana fofona 10 000 eo ho eo izy ireo. Voalaza fa ny 75 isan-jaton’ny tsiron-kanina rentsika dia avy amin’ny fandrenesana fofona.

Nanamboatra milina mpamantatra fofona mitovy amin’ny orona, ny mpahay siansa. Hoy anefa i John Kauer, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra, tao amin’ny boky navoakan’ny Oniversiten’i Pennsylvanie: “Tsotra be ny zavatra namboarin’olombelona raha ampitahaina amin’ny zavaboary nalain’izy ireo tahaka, izay tsara voatra sady be pitsiny.”

Iza no tsy hiaiky fa ankafizintsika kokoa ny sakafo hanintsika rehefa rentsika ny tsirony? Mbola tsy fantatry ny mpahay siansa anefa hoe nahoana no misy tsiro tian’ny olona iray, fa misy tsiro tsy tiany. Hoy ny Siansa Isan’andro (anglisy): “Fantatry ny mpahay siansa ny fomba fiasan’ny vatan’olombelona amin’ny ankapobeny. Mbola tsy fantany daholo anefa ny momba ny fandrenesana tsiro sy fofona.”

Ahoana no hevitrao? Tongatonga ho azy ve ireo taova andrenesana tsiron-javatra, sa nisy namorona?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nahita karazana tsiro fahadimy ny mpahay siansa vao haingana. Antsoina hoe umami izy io, ary mitovitovy amin’ny tsiron-kena.

[Kisary/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

Lela jerena amin’ny mikraoskaopy

[Kisary]

Marokoroko

[Sary nahazoan-dalana]

© Dr. John D. Cunningham/Visuals Unlimited