Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?

Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?

Manontany ny Tanora Hoe...

Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?

Matoritory eo am-pandriana i Mika, * 16 taona. Tamy avy any ny reniny, ary niteny hoe: “Mikaela a! Miomàna amin’izay. Misy fivoriana ange androany e!” Zanaka Vavolombelon’i Jehovah i Mika, ary efa fanaon’izy mianakavy ny manatrika fivoriana kristianina. Kamo anefa i Mika tato ho ato.

“Ss! Ny an-dry Neny koa! Fa izaho ve tsy maintsy mandeha e?”

“Aza mingonongonona eo, fa miakanjoa e! Izaho tsy te ho tara intsony an!” Dia lasa ny reniny.

Mbola tsy lasa lavitra anefa izy dia niteny i Mika hoe: “Ianareo ange ry Neny no Vavolombelona, fa tsy izaho e!” Nijanona kely ny reniny tamin’izay, ka fantatr’i Mika fa henony ilay izy. Tsy namaly anefa ny reniny, fa lasa fotsiny.

Nanenina kely i Mika niteny an’izany. Tsy tena hoe te hampalahelo ny reniny mantsy izy. Tsy te hiala tsiny koa anefa izy. Ny sisa azony natao dia...

Nisento lalina ary nitsangana moramora, ka nisolo akanjo. Niteny irery izy avy eo hoe: “Tsy maintsy hanapa-kevitra ihany aho, na ho ela na ho haingana. Izaho ange tsy mitovy amin’ny ankizy any am-pivoriana e! Hoatran’ny tsy te ho Vavolombelona izany aho ka!”

EFA mba nahatsapa toa an’i Mika ve ianao? Hitanao ve hoe falifaly erỳ ny tanora hafa rehefa mivory sy mitory, fa ianao kosa toa manaraka am-bokony fotsiny? Eritrereto ireto:

▪ Hoatran’ny devoara tsy maintsy atao fotsiny ve ny fianarana Baiboly aminao?

▪ Matahotra ny hitory isan-trano ve ianao?

▪ Mankaleo anao ve indraindray ny mivory?

Aza kivy raha eny ny valin-teninao amin’ireo. Ho hitanao fa raha miezaka kely fotsiny ianao, dia ho lasa hahafinaritra anao ny manompo an’Andriamanitra. Andeha hojerentsika izany.

Olana #1: Mianatra Baiboly

Nahoana no sarotra ilay izy? Angamba ianao tsy dia mazoto mianatra. Mora miriorio ny sainao, ka sarotra aminao ny mifantoka! Tsy efa betsaka koa ve ny lesona tokony hianaranao?

Nahoana ianao no tokony hianatra Baiboly? Satria avy amin’Andriamanitra izy io, ka “ilaina mba hampianarana sy hanampiana olona, ary hanitsiana azy ireo, ka hanehoana aminy ny fomba fiaina mety.” (2 Timoty 3:16, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Hahalala zavatra mbola tsy fantatrao mihitsy ianao, raha mianatra sy misaintsaina ny Baiboly. Sady izao koa ange e: Tsy misy zavatra mandeha ho azy izany. Mila miezaka mafy ianao raha misy tanjona tianao hotratrarina. Raha misy spaoro tianao ho hay, ohatra, dia tsy maintsy mianatra ny fitsipika amin’ilay izy ianao, ary manao fanazaran-tena foana. Raha te ho salama ianao, dia mila manao fanatanjahan-tena. Ary raha te hahalala ny Mpamorona ianao, dia mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra.

Inona no nataon’ny tanora toa anao? “Nisy safidy tsy maintsy nataoko, rehefa nianatra teny amin’ny lise aho. Naditra be mantsy ny ankizy teny, ka tsy maintsy nandinika aho hoe: ‘Dia hanao hoatran-dry zareo ve aho?’ Nieritreritra koa aho hoe: ‘Tena marina ve ny zavatra nampianarin’i Dada sy Neny ahy?’ Tsy maintsy nitady ny porofon’izany aho.”—Tsiaro.

“Nino aho fa marina ny zavatra nampianarina ahy, nefa te hahita porofo aho. Tiako raha izaho mihitsy no resy lahatra, fa tsy hoe manaraka fotsiny an’i Dada sy Neny.”—Nelisa.

Soso-kevitra: Manaova fianarana samirery, ary ataovy araka izay tianao. Ianao ihany no mifidy izay foto-kevitra tianao. Inona izao no hianaranao voalohany? Maninona raha hamarinina tsara ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanao? Azonao ampiasaina, ohatra, ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *

Izao atao: Mifidiana foto-kevitra ara-baiboly roa na telo eto ambany, na soraty izay tianao hianarana ankoatra an’ireo.

□ Tena misy ve Andriamanitra?

□ Inona no porofo fa avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly?

□ Ahoana no ahalalana fa nisy namorona izao rehetra izao, fa tsy nivoatra miandalana?

□ Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no porofo fa tena misy izy io?

□ Ahoana no hanazavako hoe inona no mitranga rehefa maty ny olona?

□ Nahoana aho no tokony hatoky fa hisy tokoa ny fitsanganan’ny maty?

□ Ahoana no ahalalako hoe iza no fivavahana marina?

□ ․․․․․

Olana #2: Mandeha mitory

Nahoana no sarotra ilay izy? Mety ho menatra ianao rehefa hiresaka amin’ny olona momba ny Baiboly, na hatahotra sao ho hitan’ny mpiara-mianatra.

Nahoana ianao no tokony hitory? Satria nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Mbola misy antony hafa koa anefa. Hita tamin’ny fanadihadiana fa mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ny ankamaroan’ny tanora. Tsy mba manantena hoavy tsara anefa izy ireny. Ianao kosa mianatra Baiboly, ka mahalala ny zavatra tsy fantany nefa tena ilainy.

Inona no nataon’ny tanora toa anao? “Miara-manomana fampidiran-dresaka mahaliana izahay sy ny namako. Mianatra manao fiverenana mitsidika sy mitady fomba hamaliana fanoherana izahay. Lasa mahafinaritra ahy kokoa ny fanompoana, rehefa niezaka nanao izany aho.”—Nelisa.

“Nisy rahavavy izay, tena nanampy ahy! Zokiko enin-taona izy. Nentiny nanompo foana aho, ary indraindray nasainy hisakafo. Nisy andinin-teny mampahery nasehony ahy, ka nanova ny toe-tsaiko. Lasa tiako kokoa ny manampy olona, noho ny modely nomeny. Tsy ho voavaliko mihitsy ny soa nataony tamiko!—Salohy.

Soso-kevitra: Anontanio ny ray aman-dreninao hoe iza no olon-dehibe any am-pivoriana, afaka miara-manompo aminao. (Asan’ny Apostoly 16:1-3) Hoy ny Baiboly: “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17) Tena handray soa ianao raha miaraka amin’ny be taona, satria mahalala zavatra betsaka kokoa izy ireny. “Mahafinaritra ny miaraka amin’ny zokiolona”, hoy i Antsa, 19 taona.

Izao atao: Soraty eto ambany ny anaran’ny olona ao am-pivorianareo afaka manampy anao amin’ny fanompoana, ankoatra ny ray aman-dreninao.

․․․․․

Olana #3: Manatrika fivoriana

Nahoana no sarotra ilay izy? Efa nipetraka foana ianao tany am-pianarana, nandritra ny andro, ka toy ny ela be mihitsy ny fivoriana adiny iray na adiny roa.

Nahoana ianao no tokony hivory? Satria mampirisika ny Kristianina toy izao ny Baiboly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa mainka satria hitanareo fa manakaiky ny andro.’—Hebreo 10:24, 25.

Inona no nataon’ny tanora toa anao? “Tena ilaina ny manomana fivoriana. Mila manery tena mihitsy ianao indraindray. Mahafinaritra kokoa ny mivory rehefa manomana ianao, satria fantatrao ny zavatra horesahina any, ary afaka mandray anjara ianao.”—Elda.

“Tsapako fa lasa tena tiako ny fivoriana, rehefa manome valin-teny aho.”—Jessica.

Soso-kevitra: Mitadiava fotoana hanomanana, ary manomeza valin-teny raha azo atao. Tsy mpanatrika fotsiny ianao amin’izay, fa mba mandray anjara.

Inona, ohatra, no tsara kokoa, ny mijery spaoro ao amin’ny tele, sa ny manao an’ilay izy mihitsy? Mazava ho azy fa tsara kokoa ny mandray anjara, noho ny mitazam-potsiny. Maninona raha ampiharina koa izany amin’ny fivoriana?

Izao atao: Soraty eto ambany ny fotoana azonao anaovana fanomanana mandritra ny atsasak’adiny, isan-kerinandro.

․․․․․

Tanora maro no nahita fa marina ny Salamo 34:8 hoe: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah.” Tianao ve, ohatra, ny iresahana momba ny sakafo iray matsiro be? Sa aleonao manandrana an’ilay izy mihitsy? Toy izany koa ny manompo an’Andriamanitra. Andramo dia ho hitanao fa tena mahafinaritra ny mianatra sy mitory ary mivory. Milaza ny Baiboly fa “ho sambatra” ny olona raha mankatò, fa tsy mihaino fotsiny.—Jakoba 1:25.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 19 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ERITRERETO IZAO:

▪ Nahoana ny tanora no mety ho kamo hianatra Baiboly, na hivory sy hitory?

▪ Inona amin’ireo zavatra telo voaresaka ato no tianao hiezahana? Ahoana no hanaovanao izany?

[Sary, pejy 20, 21]

Raha te ho salama ianao, dia mila manao fanatanjahan-tena. Raha te hanatona an’Andriamanitra ianao, dia mila mianatra ny Teniny