Mijaly Am-panambadiana
Mijaly Am-panambadiana
“Tsy tantiko intsony fa leo aho!” Efa nandre olona manambady niteny toy izany ve ianao? Ary ianao, efa nisy fotoana ve nahatsapanao an’izany?
MPIFANKATIA an’arivony no maimay erỳ hivady, noho ny fitiavana miredareda. Manantena izy ireo fa ho sambatra. Hoy anefa ny mpanoro hevitra iray: “Maro no kivy tanteraka rehefa mandeha ny fotoana, ka mitady torohevitra atỳ amiko. Diso fanantenana tamin’ny vadiny izy ireo, ary tsy nampoiziny hoe ho toy izany ny fanambadiana sy ny fitiavana. Na ny fiainana aza mahakivy azy.” Tsy misy maha mpivady azy intsony, afa-tsy ny sora-piankohonana sy ny trano ipetrahana.
Mihabetsaka ny adin-tsaina sy fanahiana mahazo ny mpivady, ka misy vokany eo amin’ny tokantranony. Miasa mafy mandritra ny ora maro, ohatra, izy ireo, na miasa alina. Tsy vitany intsony àry ny mifaneho fitiavana, na dia mbola tiany aza ny vadiny. Lasa tsy mifankatia sy tsy mifanaja koa izy ireo, noho ny olana ara-bola, fitaizan-janaka, fifindrana trano, fiovan’asa, ary ny aretina. Raha tsorina, dia mety tsy hiraiki-po amin’ny vadiny intsony izy ireo, noho ireo fiovana ao an-tokantrano.
Renim-pianakaviana maro no miasa any ivelan’ny tokantrano, nefa mbola manao ny raharaha rehetra koa. Tsy mahavita manao zavatra hafa intsony àry izy ireo, ankoatra ny asany sy ny fikarakarana ny ankizy. Vizana loatra izy mivady, ka zara raha misy fotoana iarahana. Maro no sorena satria toa tsy afa-manoatra, ary lasa tsy miraiki-po amin’ny vadiny intsony. Fa nahoana no maro be ny olona mijaly am-panambadiana? Ahoana no hanananao tokantrano sambatra?