Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ho An’ny Malahelo

Fampiononana ho An’ny Malahelo

Fampiononana ho An’ny Malahelo

▪ Maty ny rain’ny vehivavy iray, tamin’izy vao 12 taona. Mbola nitebiteby sy kivy foana izy, taona maro tatỳ aoriana. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada izy hoe:

“Tsy nionona mihitsy aho, raha tsy namaky an’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Nanampy ahy hahazaka ny alaheloko izy io. Marina fa mbola mitomany foana aho rehefa mahatsiaro an’i Dadanay. Tsy mijaly be toy ny taloha intsony anefa aho, satria mampionona ahy ny fampanantenan’Andriamanitra. Sady latsa-dranomaso aho no mamaky an’ilay bokikely, ary mivavaka sy misaintsaina an’ireo andinin-teny.

“Notadidiko tsara ireo hevitra sy andininy voalaza ao. Manasitrana ny fery ato am-poko mantsy izy ireny, ary tsapako fa efa mihasitrana aho. Io bokikely io no hitako hoe tari-dalana tsara indrindra hahazakana alahelo.”

Efa nisy havanao na namanao ve nodimandry? Mbola malahelo ve ianao? Mitady fanampiana ve ianao mba hahazakanao ny alahelonao? Inona no fampanantenan’ny Baiboly momba ny maty? Mety hampionona anao na ny olom-pantatrao ny mamaky an’ilay bokikely 32 pejy hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.