Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitiavana Mahery Noho ny Rivo-doza!

Fitiavana Mahery Noho ny Rivo-doza!

Fitiavana Mahery Noho ny Rivo-doza!

Nandravarava ny faritra rehetra manamorona ny Hoalan’i Meksika any Etazonia ny Rivo-doza Katrina sy Rita, tamin’ny 2005. Maro ny aina nafoy. Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no niharam-pahavoazana.

Nanao zavatra avy hatrany ny komitin’ny vonjy rano vaky, rehefa nahazo toromarika avy amin’ny biraon’ny sampan’i Etazonia. Nanangana toby mpamonjy tra-boina 13, sy trano fanatobiana entana 9, ary fanatobian-tsolika 4 izy ireo, tany Louisiane. Nahatratra 80 000 kilaometatra toradroa ny velaran’ny faritra niasan’izy ireo. Vavolombelona efa ho 17 000, nanerana an’i Etazonia sy avy any amin’ny tany 13 hafa, no tonga nidodododo nanampy an-tsitrapo tamin’ny vonjy rano vaky sy ny asa fanarenana. Mahery lavitra noho ny hetraketraky ny natiora tokoa ny fitiavana kristianina!—1 Korintianina 13:1-8.

Trano maherin’ny 5 600 an’ny Vavolombelona sy Efitrano Fanjakana 90 (toerana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah) no namboarin’ireo mpiasa an-tsitrapo. Saika voamboatra avokoa izay trano simba an’ny Vavolombelona. Nanampy olona maro tsy Vavolombelona koa anefa izy ireo. Mampirisika ny Kristianina mba “hanao soa amin’ny rehetra” mantsy ny Galatianina 6:10.

ILANA fahafoizan-tena ny fanampiana ny tra-boina, nefa be dia be ny valisoa. Diniho ny nolazain’ireto Vavolombelona fito ireto, izay niandraikitra lafiny samihafa tamin’ilay asa.

“Zavatra niavaka teo amin’ny fiainako”

Robert: Zavatra niavaka teo amin’ny fiainako ny fiasana tao amin’ny komitin’ny vonjy rano vaky. Izaho no zokiny indrindra satria 67 taona. Niara-niasa tamin’ny mpiasa an-tsitrapo be dia be aho, anisan’izany ny tanora maro be zotom-po eo anivon’ny fiangonana. Tena mampahery ny mahita tanora mahafoy tena noho ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Kristianina namany!

Nanampy be ahy i Veronica vadiko. Nanaiky ny fanapahan-kevitro hiala tamin’ny asa nataoko nandritra ny 40 taona mahery izy, mba hahafahanay hanampy ny tra-boina. Manadio birao indray alina isan-kerinandro izao no asa ivelomanay. Mianatra mianina amin’ny vola kely kokoa azonay izahay ary manatsotra ny fiainanay. Manjary azonay kokoa izao ny dikan’ny hoe manao ny Fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana, satria olona maniry hampifaly an’i Jehovah avokoa no iarahanay miasa. (Matio 6:33) Tsapanay foana fa tena mikarakara ny vahoakany i Jehovah.

Frank: Miandraikitra ny lakozia eto amin’ny tobin’ny mpamonjy tra-boina eto Baton Rouge aho. Niasa adiny 10 ka hatramin’ny adiny 12 isan’andro izahay, tamin’ny voalohany, nandritra ny herinandro manontolo. Betsaka anefa ny soa noraisinay, anisan’izany ny fahitanay ny herin’ny fitiavana kristianina.

Mpiasa an-tsitrapo maro niasa tao amin’ny lakozia nandritra ny herinandro na mihoatra, no mbola nangataka hiverina hanampy. Nisy koa nandefa taratasy na nitelefaonina, ka naneho ny fankasitrahany ny fandraisany anjara tamin’ilay asa. Tena nanohina ny fonay sy Veronica vadiko ny fahafoizan-tenan’izy ireo.

Nihetsi-po be izy

Gregory: Namidinay sy Kathy vadiko ny tranonay tany Las Vegas, any Nevada, ary nividy kamiao kely sy tranofiara izahay hipetrahanay. Notsorinay ny fiainanay ka afaka nanampy ny tra-boina tany Louisiane izahay, nandritra ny roa taona mahery. Tena tsapanay tamin’izany fa marina ny voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Malakia 3:10 hoe: “Izahao toetra ... Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, [ary jereo] raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.”

Mihomehy izahay matetika rehefa mandre ny olona miteny hoe: “Tena mahafoy tena ianareo an!” Mba naniry hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Etazonia mantsy izahay mivady, 30 taona lasa izay. Nanan-janaka anefa izahay ka tsy afaka. Tanteraka ihany àry ny fanirianay hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa, rehefa nanampy ny tra-boina izahay. Mahafinaritra koa ny miara-miasa akaiky amin’ny Vavolombelona hafa, izay manan-talenta manokana ny sasany aminy. Lehiben’ny mpahandro tao amin’ny hotely lehibe iray, ohatra, ny iray tamin’ireo mpahandronay, ary efa nahandro ny sakafon’ny roa tamin’ny filoham-pirenena amerikanina ny iray hafa.

Nisy vokany lalina teo amin’ny ankamaroan’ireo mpiasa an-tsitrapo ny fanampiana ny tra-boina. Nihetsi-po be ny mpiasa an-tsitrapo iray 57 taona, rehefa nitantara ny nanampiany an’ireo tra-boina. Tena nampahery koa ny sasany tamin’ireo tsy afaka nanampy mivantana. Nisy mpiasa an-tsitrapo roa mpanala bobongolo amin’ny trano, ohatra, nampiseho taminay banderôla iray misy ny sonian’ny olona rehetra tao amin’ny fiangonana telo tany Nebraska, tanàna niaviany. Nanao sonia teo koa ny ankizy.

‘Mikarakara an’ireo mijaly Andriamanitra’

Wendell: Nasain’ny biraon’ny sampan’i Etazonia nijery ny simba tamin’ny Efitrano Fanjakana sy ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Louisiane sy Mississippi aho, ny ampitson’ny nandalovan’ny Rivo-doza Katrina. Asa nanendrena ilay izy nefa nianaran-javatra koa. Nipetraka tany amin’ny faritra nilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa izahay sy Janine vadiko, nandritra ny 32 taona, ary hitako tsara ny fikarakaran’i Jehovah ny vahoakany. Vao mainka anefa miharihary aminay izany ankehitriny.

Mpitari-draharahan’ny komitin’ny vonjy rano vaky, eto Baton Rouge, aho. Sarotra ilay asa, nefa tena mahafa-po. Imbetsaka tokoa izahay no nahita fa namaha olana Andriamanitra, nanaisotra vato misakana lehibe, ary nikarakara an’ireo nijaly. Ny Ray be fitiavana sy Mahery Indrindra ihany no mahavita izany.

Maro no nanontany hoe: “Ahoana no mbola hahavitanareo mivady manampy ny tra-boina, efa roa taona mahery izao?” Tsy mora foana akory ilay izy. Tsy maintsy nanitsy zavatra maro teo amin’ny fiainanay izahay. Nandray soa be dia be anefa izahay satria niezaka nanana ‘maso tsotra’ foana.—Matio 6:22.

Zara raha nanam-potoana hakana aina izahay, rehefa nanomboka namonjy an’ireo tra-boina teto Nouvelle-Orléans. Vao mainka sarotra ny toe-javatra, satria nitovy tamin’ny tanàna nampiharana fepetra amin’ny tany misy hotakotaka teto. Nanjaka mantsy ny korontana sy ny herisetra. Kivy ambony ihany izahay rehefa nijery ny asa niandry anay.

Nihaona tamin’ny Vavolombelona an’arivony namoy fananana izahay. Niara-nivavaka tamin’izy ireo izahay ary niezaka nampionona azy. Niroso tamin’ny asa izahay avy eo, noho ny fanampian’i Jehovah. Maro ny zavatra niainanay nandritra ny roa taona, ka toy ny hoe efa niaina 100 taona mahery izahay.

Matetika aho no trotraka tanteraka ary tsy manana herim-po intsony. Amin’izay indrindra anefa no misy mpiasa an-tsitrapo vaovao tonga, mba hanampy mandritra ny volana maromaro na mandritra ny fotoana tsy voafetra. Manome hery vao ho anay ny fahitana olona maro falifaly sy vonon-kanampy, izay tanora ny ankamaroany.

Matetika i Jehovah no namonjy anay. Tamin’izahay vao tonga, ohatra, dia an’arivony tamin’ny tranon’ireo rahalahy no nianjeran’ny hazo. Tsy ampy anefa ny olona ary tsy nanana fitaovana hanesorana ireo hazo izahay. Nampidi-doza koa ilay asa. Nivavaka momba izany àry izahay. Ny ampitson’iny ihany, dia nisy rahalahy tonga hanampy, ary nitondra kamiao sy ilay fitaovana tena nilainay. Indray mandeha, dia nivaly tao anatin’ny 15 minitra ny vavakay, ary nisy fotoana aza tonga talohan’ny nanaovanay amena ny fitaovana nangatahinay tamin’ny vavaka! “Mpihaino vavaka” tokoa i Jehovah!—Salamo 65:2.

‘Mirehareha fa Vavolombelon’i Jehovah’

Matthew: Afaka nanampy tamin’ny fandefasana fanampiana 15 taonina tany amin’ny faritra niharam-boina aho, ny ampitson’ny nandalovan’ny Rivo-doza Katrina. Anisan’ny entana nalefa ny sakafo, rano, ary zavatra hafa tena nilaina. Tena nalala-tanana ny vahoakan’i Jehovah!

Nifindra trano izahay sy Darline vadiko, mba hahafahanay hanampy bebe kokoa. Adiny roa mandeha fiara avy eo amin’ilay faritra niharam-boina ilay tranonay vaovao. Nanome asa tapa-potoana ho anay ny Vavolombelona iray teo an-toerana, mba hahafahanay hanokana fotoana betsaka kokoa hanampiana ny tra-boina. Ny iray hafa kosa nanome trano ipetrahanay. Tena ankasitrahako amin’ny fo manontolo izany fanehoam-pitiavana izany, ary mahatonga ahy hirehareha ny amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah ahy.

Ted: Nirotsaka an-tsitrapo nanampy ny tra-boina izahay sy Debbie vadiko, tsy ela taorian’ny nandalovan’ny Rivo-doza Katrina. Nividy tranofiara iray efa niasa, mirefy sivy metatra, aho, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Maivana izy io ka tsy sarotra tamin’ny fiaranay ny nitarika azy. Antsasaky ny tokony ho izy koa ny vidiny. Takatry ny volanay tsara ilay izy ary tsapanay fa valim-bavaka. Io tranofiara io no nipetrahanay nandritra ny roa taona mahery.

Niato kely ny asa, ka afaka nivarotra ny tranonay sy ny ankamaroan’ny fanananay izahay. Afaka nanampy bebe kokoa tany Nouvelle-Orléans àry izahay. Lasa mpandrindra tetikasa aho. Tena niavaka ny nahitanay ny fomba nampisehoan’i Jehovah tamin’ny mpivavaka aminy, fa “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” izy. Maro mantsy ny rahalahy namoy ny tranony sy ny Efitrano Fanjakanany. Tsy afaka niaraka tamin’ny mpiara-mivavaka aminy intsony koa izy ireo, ary tsy nanana faritany itoriana ny vaovao tsara.—2 Korintianina 1:3.

‘Nanohina ny fonay ny finoan’izy ireo’

Justin: Nisy antso nalefa, tamin’ny Oktobra 2005, ho an’ireo maniry hirotsaka an-tsitrapo hanampy ny tra-boina any amin’ny Hoalan’i Meksika. Nanao fangatahana avy hatrany izahay sy Tiffany vadiko. Nasaina nanampy ny antoko-mpiasa mpanamboatra tafontrano izahay ny Febroary 2006. Tany Kenner, akaikin’ny Nouvelle-Orléans no nisy ny tobinay.

Miova isan’andro ny trano iasanay, ary mihaona amin’ny Vavolombelona maro eo an-toerana izahay. Nanohina ny fonay ny nahita ny finoan’izy ireo sy ny fianteherany tamin’Andriamanitra. Mahita porofo mampiaiky izahay isan’andro fa hadalana ny mitoky amin’ny vola aman-karena. Tena mahafaly ny manampy ny mpiray finoana, sy ny mahita fa manampy ny vahoakany hahavita zavatra i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

Fiainana ao Amin’ny Tobin’ny Mpamonjy Tra-boina

Manomboka miasa amin’ny 4.30 maraina ny mpahandro, ao amin’ny tobin’ny mpamonjy tra-boina. Mivory eo amin’ny toerana fisakafoana ny mpiasa rehetra amin’ny 7.00 maraina, ary mandinika andinin-teny iray avy ao amin’ny Baiboly mandritra ny folo minitra, alohan’ny sakafo maraina. Mety hiarahaba tonga soa an’ireo vaovao koa ny mpitari-draharaha, ary hitantara zavatra mampahery nitranga vao haingana.

Aorian’ny vavaka fisaorana, dia mihinana sakafo mahasalama ny rehetra ary samy mamonjy ny asany avy eo. Mijanona ao an-toby ny mpiasa birao, ny mpanasa lamba, ary ny mpahandro. Manomana sakafo antoandro azo entina ny mpahandro, ary alain’ny solontenan’ny ekipa tsirairay miasa any an-toeran-kafa izany, amin’ny antoandro.

Mivory mba hianatra Baiboly amin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana (navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah) ny mpiasa rehetra, isaky ny alatsinainy hariva. Manampy azy ireo hifandray tsara foana amin’Andriamanitra izany, ka lasa mahay miaritra sy falifaly ary manana toe-tsaina tsara manoloana ny asa izy ireo.—Matio 4:4; 5:3.

[Efajoro, pejy 19]

“Diso Hevitra Momba Anareo Aho Taloha”

Izao no soratra teo am-baravaran’ny vehivavy iray any Nouvelle-Orléans: “Tsy mandray Vavolombelon’i Jehovah.” Indray andro anefa, dia nisy mpiasa an-tsitrapo nanamboatra ny trano simba vokatry ny rivo-doza, teo ampitan’ny arabe manoloana ny tranony. Voamariny foana fa tsara fanahy sy sariaka izy ireo. Nanitikitika ny sainy izany, ka nanatona izy mba hamantatra ny antony. Rehefa fantany fa Vavolombelon’i Jehovah ireo mpiasa an-tsitrapo, dia nilaza izy fa tsy mba nisy niantso azy an-telefaonina mihitsy na dia iray aza ny mpiara-miangona aminy, taorian’ilay rivo-doza. Hoy izy: “Tena diso hevitra momba anareo aho taloha.” Inona no vokany? Nesoriny ilay soratra teo am-baravarany, ary nasainy nitsidika azy ny Vavolombelona.

[Sary, pejy 16, 17]

Robert sy Veronica

[Sary, pejy 16, 17]

Frank sy Veronica

[Sary, pejy 17]

Gregory sy Kathy

[Sary, pejy 17]

Wendell sy Janine

[Sary, pejy 18]

Matthew sy Darline

[Sary, pejy 18]

Ted sy Debbie

[Sary, pejy 18]

Justin sy Tiffany