Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahavariana ny Katsaka

Mahavariana ny Katsaka

Mahavariana ny Katsaka

MPAMBOLY katsaka tao amin’ny faritr’i Finger Lakes any Etazonia i Harlin. Mahafinaritra azy erỳ ny mitantara an’ireo zavatra mahavariana momba ny katsaka, rehefa misy namany na olona tonga mitsidika. Nanasa azy ny Mifohaza! mba hizara amin’ny mpamaky momba ny zavatra fantany. Ho hitantsika ato ny fanazavana nomeny sy ny lafin-javatra hafa mampiavaka ny katsaka. Avy aiza no niavian’izy io? Ahoana no nahatonga azy io hiely eran-tany? Inona avy no ampiasana azy io?

“Miresaka” ny katsaka

Hoy i Harlin: “Amiko dia vokatry ny asa kanto sy fahaizana manao kajy, ny katsaka. Milamina sy milahatra tsara daholo ny fipetraky ny raviny sy ny voany, ka mahafinaritra erỳ ny mijery azy. Ankoatra izany, dia ‘miresaka’ aminao ny katsaka rehefa mihalehibe. Lazainy aminao raha mangetaheta izy na tsy ampy sakafo. Mitomany ny zazakely rehefa misy zavatra ilainy. Toy izany koa, fa ambaran’ny katsaka aminao amin’ny alalan’ny bikabikany ny zavatra ilainy, toy ny ataon’ny zavamaniry maro ihany. Hita amin’ny endriky ny ravina na ny lokony, ohatra, izany. Mila hainao àry ny dikan’ireny famantarana ireny.

“Mety tsy ho ampy fosifaty, ohatra, izy rehefa miloko volomparasy manopy mena ny raviny. Hafa kosa ny famantarana raha tsy ampy manezioma, na azota, na potasy izy. Fantatry ny mpamboly koa raha marary ny katsaka na simban’ny zavatra simika.

“Isaky ny lohataona aho no namboly katsaka, toy ny ataon’ny mpamboly rehetra. Mafana mantsy ny tany amin’io, ka afaka mitsimoka tsara ny voa. Mahatratra roa metatra ny katsaka namboleko, rehefa afaka efatra na enim-bolana.

“Misy dingana maromaro ny fitombon’ny katsaka, ary fantatra amin’ny isan’ny ravina izany. Mahay manao kajy sy simia ny katsaka, ary ampiasainy tsara io fahaizany io rehefa miisa dimy ny raviny. Mamantatra tsara ny tany aniriany aloha ireo faka. Miankina amin’ny vokatr’ilay fanadihadiana sy ny ho isan’ny laharan’ireo voan-katsaka, no amaritany ny haben’ny babin-katsaka [izany hoe ny haben’ny katsaka ao anaty hodiny]. Manao fanadihadiana fanampiny izy ireo, rehefa miisa 12 na 17 ny raviny. Miankina amin’izany no amaritany ny ho isan’ny voan-katsaka eo amin’ny kolan-katsaka. Toy ny hoe manao kajy ilay katsaka, mba hahazoany vokatra faran’izay betsaka avy amin’ny tany. Mahavariana izany, kanefa mbola mahatalanjona koa ny fomba fiforonan’ny voan-katsaka, izay be pitsiny tokoa.”

Fomba fiforonan’ny voany

Hoy ihany i Harlin: “Manana lahimbony sy vavimbony ny katsaka tsirairay. Ilay voniny toy ny salohim-bary eny amin’ny tendron-katsaka no lahimbony. Misy tobim-bovobony 6 000 ny lahimbony tsirairay. Mamoaka vovobony an-tapitrisany izy ireny. Entin’ny rivotra ireny vovobony ireny ka mankao amin’ny fanjarivoan’ny katsaka hafa. Ao anatin’ny hodi-katsaka no misy ny fanjarivoa.”

‘Ahoana no hahatongavan’ny vovobony any amin’ny fanjarivoa, kanefa izy io mifono ao anaty hodi-katsaka? Manaraka ny volon-katsaka ireo vovobony ka tonga any amin’ny fanjarivoa. Misy volon-katsaka an-jatony ny babin-katsaka tsirairay. Misy fanjarivoa iray avy ny fototry ny volon-katsaka tsirairay, ary ny fanjarivoa no lasa voan-katsaka.’

Fohy ny volon-katsaka miseho etỳ ivelany amin’izany. “Mipetraka eny amin’ireny volo ireny ny vovobony. Ny volon-katsaka mantsy no fandray vovobony amin’ny katsaka. Mamoaka tsiriny kely toy ny faka ireo vovobony rehefa voarain’ny volon-katsaka, ary iny tsiriny iny no mitambatra amin’ny fanjarivoa ka lasa voa.

“Ahoana no mahatonga ny katsaka sasany ho bangabanga ny voany? Tsy naniry ara-potoana angamba ny volon’ilay katsaka, ka tsy afaka nandray vovobony. Izany no mitranga rehefa maina ny tany. Raha fantatry ny mpamboly izany, dia afaka manao zavatra izy mba hanatsarana ny vokatra amin’io fotoana io, na fara faharatsiny, amin’ny taom-pambolena manaraka. Ampifandimbiasiko amin’ny saozà ny voly katsaka mba ho tsara kokoa ny vokatra. Mampitombo ny azota ao anaty tany mantsy ny saozà, sady tsy tian’ny olitra mpanimba katsaka. *

“Faly erỳ aho rehefa mahita ny tanimboly lasa maitso mavana tsikelikely, ary avy eo mamokatra sakafo be dia be. Mahafinaritra erỳ izany rehetra izany, sady mandeha amim-pilaminana no tsy mandoto ny tontolo iainana. Tena miaiky aho hoe zavaboary mahavariana ny katsaka, toy ny zavamaniry hafa rehetra ihany. Mbola sombintsombiny fotsiny anefa ny zavatra fantatro.”

Mbola te hahafantatra zavatra betsaka noho izay nolazain’i Harlin ve ianao? Andeha indray àry isika handinika ny tantaran’ny katsaka sy ny fomba maro ampiasana an’io zavamaniry mahavariana io.

Fomba nielezany

Ny olona tany amin’ny kontinantan’i Amerika no namboly katsaka voalohany, angamba ry zareo tany Meksika. Nivavaka tamin’ny andriamani-bavy katsaka ny Indianina tany Peroa talohan’ny andron’ny Inca. Nisatroka satroboninahitra katsaka izy io. Toy ny fipetraky ny tana amin’ny kodiarana bisikileta ny fipetrak’ireo katsaka eo amin’ilay satroboninahitra. Nilaza ilay mpanoratra atao hoe Joseph Kastner fa “nivavaka tamin’ny [katsaka]” ny Indianina Mena Hoditra, “satria nino izy ireo fa namboarin’ireo andriamanitra izy io, sady nanamboarana ny olona ihany koa ... Tsy nandany vola be ny fambolena azy io, ary fotony iray dia ampy ho sakafon’ny olona iray ao anatin’ny iray andro.” Ankoatra ny katsaka dia nihinana voamadinika koa ny Indianina. Mbola izany no sakafon’ny olona any Amerika Latinina hatramin’izao.

Tamin’ny 1492 ny Eoropeanina no nahita katsaka voalohany, taorian’ny nahatongavan’ilay mpikaroka tany vaovao atao hoe Christophe Colomb, tany Karaiba. Nilaza i Fernando zanany, fa nahita voa “nantsoina hoe katsaka” ny rainy tany, ary nolazainy fa “tena matsiro izy io rehefa andrahoina, na atono, na atao koba.” Nitondra voa tamin’izy io i Christophe Colomb rehefa nody tany Eoropa. Hoy i Kastner: ‘Efa nambolena tany Espaina sy Boligaria ary Torkia [ny katsaka] tamin’ny taona 1550 tany ho any. Nitondra katsaka tany Afrika ireo mpivarotra andevo. Namela [katsaka] tany Philippines sy Azia ireo lehilahy’ niaraka tamin’ilay mpikaroka tany vaovao atao hoe Fernand de Magellan. Nampiasaina betsaka ny katsaka nanomboka teo.

Ny katsaka izao no vokatra faharoa be indrindra eran-tany manarakaraka ny varimbazaha. Ny vary no laharana fahatelo. Ireo sakafo telo ireo no tena hanin’ny ankamaroan’ny olona sy ny biby fiompy.

Maro karazana ny katsaka. Any Etazonia fotsiny, ohatra, dia efa misy karazan-katsaka 1 000 mahery. Samy hafa koa ny haavony: 60 santimetatra ka hatramin’ny 6 metatra. Tsy mitovy koa ny halavan’ny babin-katsaka: 5 santimetatra ka hatramin’ny 60 santimetatra. Hoy ny boky Nahandro any Amerika Latinina (anglisy): “Ngeza be ny karazan-katsaka sasany any Amerika Atsimo, satria lehibe noho ny baolina rigby. Fisaka ny voany: roa santimetatra sy sasany ny lavany ary toy izany koa ny sakany.”

Maro karazana koa ny lokon’ny katsaka. Ankoatra ny mavo, dia ao koa ny mena, ny manga, ny mavokely, ary ny mainty. Misy koa manana loko isan-karazany, ka lasa toy ny hoe misy pentimpentina na tsipika mitsivalana na mitsangana. Tsy foin’ny olona andrahoina izy ireny indraindray, fa ataony haingon-javatra.

Fomba maro ampiasana ny katsaka

Misy sokajiny enina ny katsaka: ao ny manana voa misy milempona, ao ny mafy akora, ao ny fanaovana lafarinina, ao ny mamy, ao ny mangirangirana malamalama, ao ny fanaovana poa-katsaka. Vitsy ihany anefa ny katsaka mamy. Siramamy kely ihany ny azy no lasa tavolo, ka izany no mahamamy azy. Maherin’ny 60 isan-jaton’ny katsaka eran-tany no atao sakafom-biby, fa latsaka ny 20 isan-jato monja no hanin’ny olona. Ampiasain’ny orinasa sy atao masomboly kosa ny 20 isan-jato eo ho eo. Mety hiovaova arakaraka ny firenena anefa izany.

Ampiasaina amin-javatra maro ny katsaka. Ampiasaina, ohatra, ny voan’izy io na ny zavatra sasany aminy, mba hanamboarana lakaoly, labiera, ary tantin-jaza tsy tantera-drano. Ampiasaina koa aza ny katsaka mba hanamboarana solika atao hoe etanôla, na dia miteraka adihevitra aza izany. Azo antoka anefa, fa mbola be dia be ny fomba azo ampiasana an’io zavamaniry mahavariana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Efajoro, pejy 11]

Fampivadiana Katsaka

Tia mampivady katsaka roa samy hafa ny mpamboly any amin’ny tany maro satria ahazoana vokatra be izy ireny. Izay katsaka manana ny toetra ilainao no ampivadiana amin’ny katsaka hafa. Ilay karazan-katsaka manana voa misy milempona no tena fampiasa amin’izy io. Tsy maintsy mividy masomboly anefa ny mpamboly isaky ny hamboly. Nahoana? Tsy hitovy amin’ilay katsaka azony teo aloha intsony ny taranany, sady tsy mamokatra be intsony.

[Sary, pejy 10]

Misy karazan-katsaka an-jatony maneran-tany

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Sam Fentress

Courtesy Jenny Mealing/flickr.com