Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manambara Loza ve ny Zava-mitranga?

Manambara Loza ve ny Zava-mitranga?

Manambara Loza ve ny Zava-mitranga?

“Mponin’i Tuvalu i Veu Lesa, rangahy 73 taona. Tsy mila tatitry ny mpahay siansa izy, vao hahalala fa misondrotra ny ranomasina. Difotry ny rano mantsy ireo torapasika efa teo hatramin’ny fahazazany. Simban’ny siran-dranomasina koa ny voly niveloman’izy mianakavy. Voatery niala tamin’ny tranony mihitsy izy ireo tamin’ny Aprily [2007], rehefa nisamonta ny ranomasina, ka sarona tao ilay trano ary rakotra vatovato sy poti-javatra nentin’ny onja.”—Mpanambara Vaovaon’i Nouvelle-Zélande (anglisy).

NOSY maromaro i Tuvalu, ary tsy mihoatra ny efa-metatra ambonin’ny ranomasina ny haavony. Ho an’ny mponina any, dia tsy resaky ny mpahay siansa fotsiny ny fiakaran’ny mari-pana. * “Zavatra iainany isan’andro” ilay izy, araka ilay gazety tetsy aloha. An’arivony no efa nandao ireo nosy, ary mbola betsaka no miomana handeha.

Ny any amin-dry Robert, any Brisbane, Aostralia indray, dia voafetra ny andro azo anondrahana zaridaina, mba tsy handaniana rano loatra. Tsy mahazo mampiasa tiô koa izy, fa siô ihany. Ary rehefa manasa fiara izy, dia ny fitaratra sy ny takelaka misy ny nomerao ihany no azony sasana. Tsy maintsy mankany amin’ny orinasa mpanasa fiara izy, raha te hanasa azy io manontolo. Diovin’izy ireny mantsy ny rano efa nampiasainy, mba ho azo ampiasaina indray. Inona no anton’ireo lalàna ireo? Ny hain-tany misy any, izay voalaza fa ny mafy indrindra tao amin’ilay tanàna, tao anatin’ny 100 taona. Mbola ratsy kokoa aza ny any amin’ny faritra hafa. Porofon’ny fiakaran’ny mari-pana ve ireo olana any Aostralia sy Tuvalu ireo?

Ny lazain’ny olona sasany momba ny hoavy

Maro no mihevitra fa ny ataon’ny olona no tena mampiakatra ny mari-pana. Mety hiteraka loza lehibe eo amin’ny toetrandro sy ny tontolo iainana izany. Betsaka, ohatra, ny ranomandry miempo any amin’ny toerana rakotra ranomandry mandavantaona. Mihabetsaka koa ny rano ao an-dranomasina rehefa mihamafana izy io. Mety hampisondrotra be ny haavon’ny ranomasina izany rehetra izany. Mety hanjavona àry ny nosy ivaiva toa an’i Tuvalu, ary ny ampahany lehibe amin’i Holandy sy Floride, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika. Mponina an-tapitrisany no mety ho voatery hiala any Shangaï sy Calcutta ary ny faritra sasany any Bangladesy.

Rehefa miakatra koa ny mari-pana, dia mety ho lasa mahery kokoa ny tafio-drivotra ary ho mafy kokoa ny tondra-drano sy ny hain-tany. Mitondra rano ho an’ny renirano lehibe fito, ohatra, ny ranomandry eny amin’ny tendrombohitr’i Himalaya. Efa manomboka mihena anefa io ranomandry io. Raha mitohy izany, dia mety ho ny antsasaky ny mponina eran-tany no tsy ho ampy rano. Mety hampidi-doza ny karazam-biby an’arivony koa izany. Anisan’izany ny orsa fotsy, izay mpitady sakafo eny amin’ny ranomandry. Efa hita amin’ny tatitra sasany fa orsa maro no mihamahia, ary misy aza matin’ny hanoanana.

Mety ho vao mainka hiely koa ny aretina, rehefa mihamafana ny andro. Lasa miparitaka lavitra kokoa mantsy ny moka sy ny kongona ary ny zavatra hafa mitondra aretina. Hoy ny Gazetin’ny Mpahay Siansa Momba ny Ataoma (anglisy): “Kely sisa dia hitovy amin’ny loza vokatry ny fitaovam-piadiana niokleary ny loza mety hateraky ny fiovan’ny toetrandro. Mety tsy hiharihary eo no ho eo ny vokatr’izy io. ... Kanefa, rehefa afaka 30 na 40 taona, dia mety ho simba sy tsy ho azo amboarina intsony ny tontolo iainana, izay miantoka ny fahaveloman’ny olona.” Mampahatahotra kokoa aza ny tenin’ny mpahay siansa sasany. Lazainy fa miseho haingana kokoa, tsy araka ny nampoiziny, ny fiovana vokatry ny fiakaran’ny mari-pana.

Tokony hino an’ireny filazana ireny àry ve isika? Misy mihevitra fa tsy marim-pototra ny filazana hoe hitera-doza ny fiakaran’ny mari-pana. Ny hafa indray misalasala. Inona àry no marina? Tandindomin-doza tokoa ve ny tany sy ny olombelona?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny tiana holazaina amin’izany dia ny fiakaran’ny hafanan’ny ranomasina sy ny atmosfera (rivotra sy gazy manodidina ny tany).