Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavonin’omby

Vavonin’omby

Nisy Namorona Ve?

Vavonin’omby

▪ Efa nahita ondry na osy na omby tera-bao angamba ianao. Mety ho variana ianao nahita ny zanany kely nitsangana avy hatrany, ary mailaka erỳ namonjy ny nonon-dreniny. Maro ny biby mampinono, fa manana ny mampiavaka azy ny biby mandinika, toy ny ondry, osy, ary omby. Misy zavatra mahavariana ao amin’ny vavonin’ny zanak’izy ireny, rehefa minono.

Diniho izao: Mizara ho kitapo efatra ny vavonin’ny omby, mba handevonany ny vilona sy ny mololo. Tsy mila an’ireo kitapo telo voalohany anefa ny zanak’omby, satria ronono ihany no sakafony. Lalan-kanina manokana no andehanan’ny ronono, ary mivantana ao amin’ilay kitapo fahefatra izany.

Harary ny zanak’omby raha lasa ao amin’ilay kitapo voalohany, antsoina hoe roroha, ny ronono. Natao hanapotika sakafo saro-devonina mantsy ny roroha, ary misy bakteria manao izany asa izany ao. Hivadika ny ronono raha tonga ao, ka hiteraka rivotra tsy levon’ilay ombikely. Mikatona ho azy anefa ny lalan-kanina mankao amin’ny roroha, rehefa minono ilay ombikely, na misotro ronono amin’ny siny.

Tsy izany kosa no mitranga rehefa rano no sotroiny. Mila rano be dia be mantsy ny rorohany, mba hahamaro ireo bakteria sy mikraoba, izay tena ilaina rehefa manomboka mihinam-bilona izy. Mbola mandalo ao amin’ny roroha ny rano, fa ny ronono kosa mankao amin’ilay kitapo fahefatra avy hatrany. Mahavariana fa ny ronono ihany no mandalo ao amin’ilay lalan-kanina manokana!

Ahoana no hevitrao? Kisendrasendra ve no nampisy an’io lalan-kanina manokana io? Sa nisy Mpamorona mahay nanao azy io?

[Kisary/Sary, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

Tsy mandalo ao amin’ireo kitapo telo voalohany ny ronono

[Kisary]

Lalan-kanina manokana

1 Roroha

2 Masontantely

3 Vorivoriny

4 Kitapo fahefatra