Hitanay Izay Notadiavinay
Hitanay Izay Notadiavinay
Notantarain’i Bert Tallman
Faly aho rehefa mahatsiaro ny fahazazako tao amin’ilay faritra natokana ho an’ny foko blood. Anisan’ny Indianina Blackfoot, atỳ Alberta, Kanada izahay. Tsy lavitra ny Tendrombohitra Rocheuses sy ny Farihy Louise no nisy anay.
FITO lahy sy roa vavy izahay no zanaky ny ray aman-dreninay. Matetika izahay no nankany amin’i bebenay. Niasa mafy izy ary nampianariny anay ny fomba fiainan’ny Blackfoot taloha. Nianatra nioty voaroy sy nahandro sakafo nentim-paharazana ary namboly izahay. Nentin’i Dadabe sy Dada nihaza sy nanjono aho. Nihaza serfa sy biby iray karazana aminy izahay, mba hatao sakafo sy hakana ny hodiny. Niasa mafy i Dada sy Neny, ary niezaka nanao izay hahasambatra anay. Nahafinaritra ny fiainanay tamin’izany.
Niova anefa ny zava-drehetra rehefa maty i Bebe, tamin’ny 1963. Nampikorontana ny saiko izany, na dia vao dimy taona aza aho. Tsy tena nampionona ahy izay rehetra reko. Mbola kely aho, nefa nieritreritra hoe: ‘Raha misy ny Mpamorona, aiza izy? Nahoana ny olona no maty?’ Ningonongonona aho indraindray satria kivy. Rehefa nanontany i Dada sy Neny hoe inona no nahazo ahy, dia nolazaiko fotsiny fa nisy narary ny vatako.
Nifandray tamin’ny fotsy hoditra
Tsy nifandray firy tamin’ny fotsy hoditra izahay, talohan’ny nahafatesan’i Bebe. Isaky ny nahita azy ireny izahay, dia nilaza foana ny olona hoe: “Olon-dratsy ny fotsy hoditra sady tia vola sy mafy fo. Tsy tsara toetra ireny.” Vitsy, hono, ny fotsy hoditra tsara toetra, ary tsy azo itokisana izy ireny. Te hahalala kokoa azy ireo aho, nefa nitandrina ihany satria naneso sy nanaratsy anay matetika ireo fotsy hoditra teny akaikinay.
Lasa nisotro toaka be i Dada sy Neny, raha vao maty kelikely i Bebe. Nalahelo mafy aho tamin’izay. Nisy Mormons roa nitsidika anay, tamin’izaho valo taona. Toa mba olona tsara ihany ry zareo. Neken’i Dada sy Neny ny handefa ahy hiara-miaina amin’ny fotsy hoditra. Izany mantsy, raha ny fahazoako azy no noheverin’ny Mormons fa hanatsarana ny fiainan’ny ankizy indianina. Nihevitra i Dada sy Neny fa izany no tsara indrindra ho ahy, noho ny zava-misy tao an-trano. Tezitra sy diso fanantenana aho, satria nilaza izy ireo taloha fa tsy azo itokisana ny fotsy hoditra. Tsy te handeha aho, ka nataoko izay tsy hahalasa ahy. Nanaiky ihany aho, rehefa nilazana fa handeha koa ny zokiko lahy.
Nosarahina anefa izaho sy ilay zokiko rehefa tonga tany Vancouver, any Kolombia Britanika. Nalefa tany amin’ny 100 kilaometatra niala avy teo aho. Kivy tanteraka aho. Tsara fanahy ilay fianakaviana nandray ahy, nefa vaovao loatra tamiko ilay izy ka natahotra aho. Nody aho rehefa afaka folo volana teo ho eo.
Tafody tany amin’i Dada sy Neny
Tsy niova firy ny fiainana tao an-trano, nefa faly aho fa tafaverina indray. Tsy nisotro intsony i Dada sy Neny, tamin’izaho 12 taona teo ho eo. Nahafaly izany, saingy izaho indray no naditra. Nanomboka nampiasa zava-mahadomelina sy nisotro toaka mantsy aho. Tsy tian’i Dada sy Neny hanao an’ireo aho, ka nasainy nanao zavatra hafa, toy ny fitaingenana omby tsy voafolaka. Tena tiako ilay izy, ka nianarako. Tsy natao ho an’ny saro-tahotra ny mitaingina omby tsy voafolaka. Tokony hijanona eny mandritra ny valo segondra ianao, fara fahakeliny, nefa tsy mianjera. Afatotra amin’ny kibon’ilay omby ny tady iray, ary tanana ila no ihazonana azy.
Nampianatra ahy ny fivavahan-drazana ireo zokiolona teo amin’ny fokonay, rehefa lehibebe aho. Tena nahaliana ahy ilay izy, satria tsy nohajaiko firy ny fivavahan’ny fotsy hoditra. Nihevitra aho hoe toa mba mampirisika ny olona ho tsara fanahy sy ho tia rariny ihany ny Blackfoot. Tsy nisy an’ireo mantsy tany amin’ny fivavahana maro milaza azy ho Kristianina. Nahafinaritra ahy ny niaraka tamin’ireo Indianina. Tia vazivazy izy ireo, ary mifandray tsara ny mpihavana sy ny mpinamana.
Tamin’izay koa vao fantatro fa niharan’ny tsy rariny ny Indianina nandritra ny taonjato maro. Nolazaina tamiko fa nampiely aretina taminay ny fotsy hoditra, ary novonoin’izy ireo koa ny ombidia, izay tena fivelomanay. Niteny toy izao, hono, ny Kolonely R. Dodge, anisan’ny tafika amerikanina: “Vonoy daholo ny ombidia rehetra. Hoatran’ny hoe Indianina iray no maty rehefa misy ombidia iray maty.” Kivy sy tsy afa-nanoatra àry ny Blackfoot.
Ankoatra izany, dia nihevitra ny mpitondra fanjakana sasany sy ny mpitondra fivavahana niaraka taminy fa olon-dia ny Indianina. Niezaka nanova ny Indianina àry izy ireo. Tokony hitovy amin’ny an’ny fotsy hoditra, hono, ny fomba fiainan’ny Indianina, anisan’izany ny kolontsainy, finoany, fahazarany, ary ny fiteniny. Nampijalina ny ankizy indianina sasany tany amin’ireo sekolim-pinoana teto Kanada. Ny hafa lasa nisotro toaka na nampiasa zava-mahadomelina na nahery setra na namono tena. Mbola mitohy ireo olana ireo any amin’ny faritra natokana ho an’ny Indianina.
Tsy te hahita an’izany olana izany intsony ny Indianina sasany, ka nialany ny kolontsainy. Niteny anglisy tamin’ny zanany izy ireo fa tsy niteny blackfoot intsony. Niezaka nanaraka ny fanaon’ny fotsy hoditra koa izy ireo. Maro tamin’izy ireo anefa no nesoina. Tsy ny fotsy hoditra ihany no naneso fa ny Indianina koa, izay niantso azy ireo hoe “Indianina paoma”, izany hoe mena ivelany fa fotsy anatiny.
Nampalahelo ny nahita fa maro ny fijalian’ny Indianina. Tena tiako ho sambatra ireo Indianina tao amin’ny faritra natokana ho anay, sy ireo nanerana an’i Kanada sy Etazonia.
Te hahazo valiny aho
Nihevitra aho tamin’izaho mbola tanora fa tsy ho tian’ny olona mihitsy. Nihevi-tena ho ambany aho tamin’izany, ary matetika ilay izy no nivadika ho lolompo. Lasa nankahala ny fotsy hoditra mihitsy aza aho. Nampitandrina ahy anefa i Dada sy Neny ary ny nenitoako, mba tsy hankahala olona na hamaly faty. Nampirisihiny aho hamela heloka sy haneho fitiavana ary tsy hiraharaha fanavakavahana. Fantatro tatỳ aoriana fa mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly izany torohevitra izany. Mbola tiako ho fantatra ihany anefa ny valin’ireo fanontaniana nanahiran-tsaina ahy tamin’izaho mbola kely. Nanomboka nieritreritra koa aho hoe inona no antony namoronana antsika sy hoe nahoana no misy foana ny tsy rariny. Tsy neken’ny saiko ny hoe velona vetivety fotsiny isika, ary maty avy eo. Very hevitra aho.
Izaho no nirahina hamoha trano, isaky ny tonga tao aminay ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaja azy ireo foana aho, satria toa tsy nanavakavaka izy ireo. Tsy haiko tsara ny nametraka ny fanontaniako, nefa nahaliana foana ny
resakay. Nitsidika anay, ohatra, i John Brewster niaraka tamin’i Harry Callihoo, izay Blackfoot. Niresaka ela be teny an-tsaha izahay. Nomeny boky iray aho, nefa very ilay izy raha vao ny antsasany no voavakiko.Lasa mpitaingina omby aho
Naka torohevitra tany amin’ireo zokiolona tao amin’ny faritra natokana ho anay aho. Tena nankasitrahako ny torohevitra tsara nomen’izy ireo. Mbola tsy nahazoako valiny mahafa-po anefa ireo fanontaniako momba ny fiainana. Niala tao an-trano aho tamin’izaho 16 taona, ary revo tanteraka tamin’ny fifaninanana mitaingina omby tsy voafolaka. Matetika no nisy fibobohan-toaka sy zava-mahadomelina tany amin’ireo fety nalehako, taorian’ny fifaninanana. Nanenjika ahy ny eritreritro, satria fantatro fa ratsy izany, ary tsapako fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fiainako. Matetika aho no nivavaka tamin’ny Mpamorona, mba hanampy ahy hanao ny tsara sy hahita ny valin’ireo fanontaniana mbola nanahirana ny saiko.
Tany Calgary aho tamin’ny 1978, ary nahita tovovavy indianina atao hoe Rose. Metisy blackfoot sy cree izy. Nitovy ny zavatra tianay, ary afaka nifampiresaka tsara izahay. Nifankatia izahay ary nivady tamin’ny 1979. Niteraka an’i Carma zanakay vavy, sy i Jared zanakay lahy izahay tatỳ aoriana. Tsy nivadika tamiko mihitsy i Rose, fa nanohana ahy foana. Reny mahafatra-po koa izy. Nitsidika ny zokiko lahy izahay indray andro, ary nahita boky iray hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. * Nahaliana ahy izay voalaza tao ary hitako fa tena mitombina. Efa nanomboka takatro ny hafatra ao amin’ny Baiboly, rehefa tonga teo amin’ireo pejy rovitra tamin’ilay boky aho. Notadiavinay sy Rose ireo pejy ireo, fa tsy hitanay. Nivavaka foana anefa aho mba hahazo fanampiana.
Nanatona pretra
Tany am-piandohan’ny taona 1984 no teraka ny zanakay fahatelo. Kayla no anarany, ary vavikely nahafatifaty izy. Voan’ny aretim-po hatrany am-bohoka anefa izy, ka maty, roa volana monja tatỳ aoriana. Ory dia ory izahay, ary tsy hitako izay hampiononana an’i Rose. Te hahazo ny valin’ireo fanontanianay sy hahita fampiononana i Rose, ka nandresy lahatra ahy hiaraka aminy ho any amin’ny pretra katolika tao amin’ny faritra nisy anay.
Nanontanianay ilay pretra hoe nahoana no maty ny zanakay, ary lasa aiza izy. Nilaza ilay pretra fa nila anjely fanampiny Andriamanitra, ka nalainy i Kayla. Nieritreritra aho hoe: ‘Raha Mpamorona Mahery Indrindra Andriamanitra, nahoana izy no mbola naka ny zanakay mba hatao anjely? Inona moa no mba vitan’ny zazakely?’ Tsy nanokatra Baiboly mihitsy ilay pretra. Kivy tanteraka izahay.
Ny vavaka no tena nanampy anay
Nivavaka ela be tamin’Andriamanitra aho indray alatsinainy maraina, tamin’ny faramparan’ny Novambra 1984. Nitalaho taminy aho mba hanampiany ahy ho tsara toetra kokoa, sy hahafantatra hoe nahoana no toy izao ny fiainana, ary inona no antony namoronana ny olona. Tamin’io maraina io indrindra no nandondòna tao aminay i Diana Bellemy sy Karen Scott, izay Vavolombelon’i Jehovah. Tsotra be ry zareo sady tsara fanahy. Tsy andriny izay hitoriana ny hafatra nentiny. Nihaino azy ireo aho, ary nomeny Baiboly sy ilay boky hoe Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray. * Nilaza i Diana fa hiverina izy sy Darryl vadiny rehefa afaka andro vitsivitsy, ary nanaiky aho.
Rehefa lasa izy ireo vao tsapako fa nivaly ny vavaka nataoko. Faly be aho ka nivezivezy eran’ny trano, satria tsy andriko ny hitantarana tamin’i Rose izay nitranga, rehefa niverina avy niasa izy. Gaga aho fa hay nivavaka koa izy ny alina talohan’io. Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hahita ny fivavahana marina. Nianatra Baiboly voalohany izahay ny zoma. Renay tatỳ aoriana fa tamin’ilay andro voalohany nitsidihan’i Karen sy Diana anay, dia tsy hitany ireo trano tokony ho nitoriany.
Naniry hitsidika anay anefa izy ireo, raha vao nahita ny tranonay.Voavaly ihany ny fanontaniako!
Tsy faly taminay ny havanay sy ny namanay, tamin’ny voalohany, rehefa nanomboka nianatra Baiboly izahay. Nitady hanakana anay izy ireo, ka nilaza fa nanimba ny fiainanay, hono, izahay ary tsy nahay nampiasa ny talentanay sy ny fahaizanay. Nanapa-kevitra anefa izahay fa tsy hivadika amin’ilay Namanay vaovao, dia i Jehovah ilay Mpamorona antsika. Nahita zava-tsarobidy mantsy izahay. Tsy inona izany fa ny fahamarinana tsy manam-paharoa sy ny zava-miafina masina ao amin’ny Baiboly. (Matio 13:52) Natao batisa izahay sy Rose, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Desambra 1985. Tena manaja ny Vavolombelon’i Jehovah izao ireo havanay, satria hitany fa nihatsara ny fiainanay taorian’ny batisanay.
Tena hitako izay notadiaviko! Tsotra nefa mampiaiky ny fomba amalian’ny Baiboly an’ireo fanontaniana sarotra. Faly aho nahafantatra hoe inona no antony namoronana antsika, ary nahoana isika no maty. Nahafaly ahy koa ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hihaona amin’i Kayla indray izahay, ary hahita azy hihalehibe ao amin’ny tontolo iray tonga lafatra. (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:4) Rehefa nandeha ny fotoana, dia nianarako fa tsy tokony hisetrasetra amin’ny vatantsika isika, na tsy hanaja ny aina, na hifaninana. (Galatianina 5:26) Sarotra ny niala tamin’ny fitaingenana omby tsy voafolaka, nefa nataoko izany mba hampifaliana an’Andriamanitra.
Nanafaka anay tamin’ny finoanoam-poana ny fianarana Baiboly. Indianina maro, ohatra, no mino fa hisy mpianakavy ho faty matoa misy vorondolo mandalo na alika mitomany valala. Tsy atahoranay hampijaly anay intsony koa ireo lazaina fa fanahy tsy hita maso ao amin’ny zavaboary mananaina sy tsy mananaina. (Salamo 56:4; Jaona 8:32) Sarobidy aminay izao ny zavatra noforonin’i Jehovah. Mana-namana avy amin’ny firenena maro aho ankehitriny, ary antsoiko hoe rahalahy sy anabavy izy ireny. Eken’izy ireo fa mitovy aminy izahay sady mpiara-manompo aminy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Maro amin’izy ireo no miezaka mafy mianatra ny kolontsaina sy ny finoan’ny Indianina, ary ny fiteny blackfoot. Mahaliana kokoa amin’izay ny hafatra ao amin’ny Baiboly toriny.
Mipetraka ao amin’ny toerana natokana ho an’ny foko blood, atỳ amin’ny faritra atsimon’i Alberta izahay ankehitriny, ary manana toeram-piompiana kely. Mbola tianay ny kolontsaina indianina, anisan’izany ny sakafo sy mozika ary dihy nentim-paharazana. Antsoina hoe powwow indraindray ireo dihy nentim-paharazana. Tsy mandray anjara firy amin’ireny izahay, nefa mijery ihany rehefa azo atao izany. Niezaka koa aho nampianatra ny zanako ny kolontsaina indianina sy ny fiteny blackfoot. Indianina maro no tsara fanahy sy manetry tena, ary tia sy miahy ny havana aman-tsakaizany. Malaza ho tia mandray vahiny sy manaja olona koa izy ireo, anisan’izany ny olona hafa fiaviana. Mbola sarobidy amiko sy tiako foana ireo toetra tsaran’ny Indianina ireo.
Ny tena mahasambatra anay dia ny mandany ny fotoananay sy ny fanananay hanampiana ny hafa hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy. Miasa an-tsitrapo any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any akaikin’i Toronto i Jared zanakay lahy. Anti-panahy ao amin’ny Fiangonan’i Macleod aho izao. Mpisava lalana maharitra na mpitory manontolo andro, izaho sy Rose ary Carma. Mahafaly anay ny mitory amin’ny fiteny blackfoot. Tena mahafaly ny mahita olona manaiky ny fahamarinana momba ny Mpamorona sy ny fikasany.
Hoy ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.” (1 Tantara 28:9) Misaotra azy aho fa nanatanteraka ny teniny izy, ka nampiany hahita izay notadiavinay izahay mianakavy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.
^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.
[Teny notsongaina, pejy 13]
‘Raha misy ny Mpamorona, aiza izy? Nahoana ny olona no maty?’
[Teny notsongaina, pejy 16]
“Indianina maro no tsara fanahy sy manetry tena”
[Sary, pejy 12]
I Bebe no nampianatra ahy ny kolontsaina blackfoot
[Sary, pejy 15]
Revo tanteraka tamin’ny fitaingenana omby aho
[Sary, pejy 15]
Misy amin’ny teny blackfoot ilay taratasy mivalona hoe “Afaka Matoky ny Mpamorona Ianao!”
[Sary, pejy 15]
Faly aho mitory ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
[Sary, pejy 15]
Izaho sy ny fianakaviako