Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitahiana Tsara Kokoa Noho ny Vola

Fitahiana Tsara Kokoa Noho ny Vola

Fitahiana Tsara Kokoa Noho ny Vola

NANANA asa be karama i Jon, any Etazonia. Mbola tanora izy dia efa nitety tany maro ary nahazo vola be. Tsara tarehy ny tranon’izy mivady, ary tsy nisy nahory azy. Nihevitra ny olona hoe sambatra izy ireo.

Voaray hiofana tao amin’ny banky lehibe iray any Eoropa i Kostas. * Olona 5 000 mahery no nangataka hiofana tao, nefa 80 monja no voaray. Nahita asa be karama kokoa hatrany i Kostas, tao anatin’ny taona vitsivitsy. Lasa olona ambony tao amin’ny banky iray mihitsy aza izy. Niala izy tatỳ aoriana, ary nanangana ny orinasany. Tena nanan-karena izy, satria mbola betsaka noho ny vola voangon’ny olona sasany mandritra ny androm-piainany, ny vola azony tao anatin’ny herintaona. Nahatsiaro ho sambatra izy.

Samy miaiky anefa izao ireo lehilahy ireo, fa misy fitahiana tsara kokoa noho ny vola. Lasa mpampianatra Baiboly, ohatra, i Jon, ary manampy olona hahafantatra an’Andriamanitra. Tsy andraisany karama izany. Hoy izy: “Hitako tamin’ny zavatra niainako fa tsy mahasambatra ny vola. Tsy manam-potoana hanaovan-javatra hafa intsony ianao, rehefa variana mitady vola sy manao izay hiarovana ny fanananao. Mahazo fitahiana be dia be kosa ianao, rehefa manaraka izay lazain’ny Baiboly. Sambatra kokoa, ohatra, ny tokantranonao, ary milamin-tsaina ianao.”

Hoy i Kostas: “Tsy tian’Andriamanitra hanan-javatra be loatra isika. Raha manana mihoatra noho izay ilaintsika àry isika, dia tokony hampiasaina hanaovana ny sitrapony izany.” Nianatra teny vahiny ry Kostas mianakavy vao haingana, satria te hampianatra Baiboly olona maro kokoa. Hoy izy: “Hitanay fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Hitan’i Jon sy Kostas àry fa tsara lavitra noho ny vola ny fitahian’Andriamanitra. Hoy i Daniel Gilbert, mpampianatra any Harvard: ‘Efa ela ny mpitsabo aretin-tsaina no namantatra raha mahasambatra ny harena na tsia. Hitan’izy ireo fa sambatra ny olona raha vao manomboka manan-karena, indrindra raha nahantra be izy taloha. Tsy dia sambatra intsony anefa izy rehefa lasa mpanankarena.’

Zava-marina tsy maintsy ekena

Hoy ny manam-pahaizana iray: “Mahagaga fa tsy dia sambatra intsony ny olona rehefa lasa mpanankarena.” Hitan’ny mpanao gazety iray fa marina izany, rehefa niresaka izy sy Andrew Carnegie, ilay lehilahy nampandroso ny famokarana vy. Lasa anisan’ny mpanankarena indrindra i Carnegie tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Hoy izy: ‘Tsy tokony hitsiriritra ahy ny olona. Tsy mahasoa ahy akory mantsy ny volabeko. Efa 60 taona aho izao, ary mihantitra foana. Tsy mahalevon-kanina intsony koa aho. Raha misy mahay mamerina ahy ho tanora sy ho salama, dia homeko azy daholo ny volako.’

Hoy ilay mpanao gazety: “Nanodina ny lohany Atoa Carnegie avy eo. Hita hoe diso fanantenana izy. Tsy hitako izay teny hilazana ny fahoriany. Nila tsy hahaloa-peo izy, nefa niteny moramora ihany hoe: ‘Sahiko ny mivarotra ny fananako rehetra, raha izay no hampiverina ny fahatanorako.’ ” Hoy koa i Paul Getty, mpitrandraka solika mpanefohefo: “Tsy voatery hahasambatra ny vola. Toa mampahory aza ilay izy!”

Tsy mahagaga àry raha nivavaka toy izao ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: “Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Izay sakafo sahaza ahy no aoka hohaniko, sao ho voky aho ka handa anao ary hilaza hoe: ‘Fa iza moa i Jehovah?’, na ho lasa mahantra aho ka hangalatra ary hanala baraka ny anaran’Andriamanitro.”—Ohabolana 30:8, 9.

Hoy i Solomona, mpanjakan’ny Israely: “Nisandratra aho, ary nitombo fananana mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.” Hoy anefa izy: “Zava-poana ny zava-drehetra sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Nilaza koa i Solomona hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”—Mpitoriteny 2:9-11; 5:12, 13; Ohabolana 10:22.

Fitahiana haharitra mandrakizay

Ny olona manompo an’Andriamanitra ihany no tena sambatra. Hahafinaritra kokoa ny fiainantsika, raha manao ny sitrapony alohan’ny zava-drehetra isika.

Kely sisa dia tsy ho sahiran-tsaina amin’ny vola intsony isika. Mampanantena mantsy ny Baiboly fa haringana ny olona tia vola sy mpanambaka. (1 Jaona 2:15-17) Hisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana avy eo. Ho lasa paradisa ny tany, araka ny efa nokasain’Andriamanitra tamin’izy namorona an’i Adama sy Eva. Ho sambatra sy hihavana ary hifankatia ny olon-drehetra. Tena ho fitahiana izany!—Isaia 2:2-4; 2 Petera 3:13; 1 Jaona 4:8-11.

Tsy hahasorena na hankaleo intsony ny fiainana, satria maro ny fitahiana ho azontsika. Hifandray tsara amin’Andriamanitra isika, ary hiaina mandrakizay araka ny fikasany. Hanana sakafo sy trano ary asa mahafa-po ny olon-drehetra. Tsy hisy intsony ny mahantra.—Salamo 72:16; Isaia 65:21-23; Mika 4:4.

Tsy ho diso fanantenana izay tena mino an’i Jehovah, ilay Andriamanitra nampanoratra ny Baiboly. (Romanina 10:11-13) Miezaha àry dieny izao hahazo ny fitahiana ampanantenainy, satria tsara kokoa noho ny vola izany!—1 Timoty 6:6-10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Hahafinaritra kokoa ny fiainantsika, raha manao ny sitrapon’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra isika

[Sary, pejy 8]

Tsy ho sahiran-tsaina firy ianao raha mahay mitantam-bola