Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Biby Goavam-be any An-dranomasina

Biby Goavam-be any An-dranomasina

Biby Goavam-be any An-dranomasina

Nisy biby goavam-be iray niakatra tampoka avy tany an-dranomasina, nisintona an’ilay sambo, ary nandentika an’ireo tantsambo tany amin’ny lalina. Fandre ny angano toy izany, hatramin’izay. Tena misy ve ireny biby goavam-be ireny?

SENDRA nahazo angisy goavam-be ireo mpanjono tany amin’ny Ranomasin’i Ross, any akaikin’ny Tendrontany Atsimo, tamin’ny 2007. Folo metatra teo ho eo izy io, raha refesina hatramin’ny tanany, ary efa ho 500 kilao! Mino ny manam-pahaizana fa mbola afaka mitombo mihoatra noho izany aza ny angisy toa an’io.

Mitovitovy amin’io koa ny angisy be. Lavalava ny vatany, ary mitovy habe amin’ny lohan’olombelona ny masony. Toy ny vavam-boloky ny vavany ary mafy be, ka mahavita manapaka tady vy. Valo ny tanany ary feno hozatra mpitsentsitra milahadahatra. Manana tanana roa lava kokoa fampiasany rehefa misakafo koa izy. Mahatratra 30 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany any anaty rano, ary mahavita mitsambikina hatrany ivelan’ny rano mihitsy izy!

Efa ho in-50 no nahitana an’ireny biby ireny, tato anatin’ny zato taona. Mbola tsy nanaovana fandinihana mihitsy anefa izy ireny.

Trozona vaventy

Mbola lehibe noho ireo biby ireo anefa ny trozona lava loha, ary ireo angisy ireo no sakafony. Mahatratra 20 metatra io trozona io, 50 taonina mahery izy, ary iray kilao be izao ny nifiny iray! Nahitana potik’angisy be tao an-kibon’ny trozona lava loha efa maty. Nisy holatra koa nanodidina ny lohan’izy ireo, izay ngezabe sy dombodombo. Midika izany fa niady mafy ilay angisy, ka nampiasa an’ireo hozatra mpitsentsitra teny amin’ny tanany. Nilaza ireo mpihaza trozona tao amin’ny sambo sovietika iray tamin’ny 1965, fa nahita angisy be niady tamin’ny trozona lava loha, milanja 40 taonina. Samy maty ireo biby ireo. Voakenda ilay trozona ary nitsinkafona teny an-dranomasina. Hita tao an-kibony kosa ny lohan’ilay angisy.

Tena vaventy ny angisy be sy ny trozona lava loha, saingy mbola lehibe lavitra ny trozona manga. Izy io no biby mampinono lehibe indrindra. Ilay trozona manga azo tany amin’ny Tendrontany Atsimo no trozona lehibe indrindra fantatra hatramin’izay. Nahatratra 33 metatra ny halavan’io trozona vavy io. Mety hihoatra ny 150 taonina ny trozona manga. Mitovy lanja amin’ny elefanta lehibe ny lelany! Milanja telo taonina be izao ny zanany vao teraka, ary mirefy fito ka hatramin’ny valo metatra! Efa saika tsy nisy intsony ny trozona manga, teo anelanelan’ny 1960 sy 1970, satria nohazain’ny mpihaza trozona. Anisan’ny biby atahorana ho lany tamingana izao izy ireny.

Biby masiaka sy biby tsara fanahy

Ny antsantsa fotsy lehibe angamba no mampahatahotra indrindra amin’ireo hazandrano mpihinana nofom-biby. Manana nify be miranirany 3 000 izy io. Fito metatra ny antsantsa fotsy lehibe ngeza indrindra hita, ary 3 200 kilao ny lanjany. Tena mahavariana ny fahaizany mandre fofona. Vitany ny mamantatra ra indray mitete ao anaty rano 100 litatra!

Ny antsantsa trozona no hazandrano lehibe indrindra mbola misy, ary fito metatra sy sasany eo ho eo ny halavany. Avo roa heny noho izany aza ny halavan’ny sasany. Iray metatra mahery ny haben’ny vavany, ka tsy sarotra aminy ny mitelina olona. Tsy masiaka toy ireo biby mpiremby hafa any an-dranomasina anefa izy fa tsara fanahy, ary zavamaniry bitika sy trondro kely no sakafony.

Niresaka momba an’i Jona mpaminany ao amin’ny Baiboly, tamin’izy natelin’ny trondro be, ny gazetiboky Vaovao Momba ny Tany (anglisy). Hoy izy io: ‘Hafahafa ny firafitry ny vavonin’ny antsantsa trozona, ary mifanaraka tsara amin’ny tantaran’i Jona izany. Avoakan’ny antsantsa trozona fotsiny ireo zavatra lehibe nateliny tsy nahy, raha tsy levon’ny vavoniny.’—Jona 1:17; 2:10.

Biby be saro-kenatra

Anisan’ny biby lehibe any an-dranomasina koa ny horita be, izay milanja hatramin’ny 250 kilao. Nantsoina hoe hazandrano devoly izy io taloha, ary noheverina fa mahavita mandentika sambo. Saro-kenatra anefa io horita io, raha ny marina, ary miafina any amin’ireo lavaka amin’ny harambato any amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Valo ny tanany ary folo metatra avy. Izy no biby tsy manana hazondamosina manana atidoha ngeza indrindra. Tena kinga saina ny horita, ary mahay mianatra zavatra sarotra, toy ny mandeha amin’ny lalana sarotra ivoahana sy manokatra sarona tavoahangy!

Mitovy amin’ny angisy be ny horita be, ka afaka miova loko mba tsy hahafantarana azy, mamoaka ranon-javatra mifantsitsitra mba hahafahany milomano, ary manaparitaka zavatra toy ny ranomainty mba handosirana loza. Vitany mihitsy ny miakatra kely an-tanety mba hitadiavana sakafo!

Tena midera ny anaran’i Jehovah, ilay Mpamorona azy, tokoa ireny biby goavam-be any an-dranomasina ireny. Ara-drariny raha nihira toy izao ny mpanao salamo: “Miderà an’i Jehovah, ianareo etỳ an-tany, dia ianareo biby goavam-be any an-dranomasina sy ianareo rano lalina rehetra.”—Salamo 148:7.

[Kisary, pejy 17]

MANAO AHOANA NY HABEN’IZY IREO?

(Jereo ny gazety)

Antsantsa fotsy lehibe

Horita be

Antsantsa trozona

Angisy be*

Angisy goavam-be*

*refy notombantombanana

Trozona lava loha

Trozona manga

metatra 30 25 20 15 10 5 0

[Sary, pejy 15]

Antsantsa fotsy lehibe

[Sary, pejy 15]

Horita be

[Sary, pejy 16, 17]

Trozona lava loha

[Sary, pejy 16]

Antsantsa trozona

[Sary, pejy 17]

Trozona manga sy ny zanany

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Antsantsa: © Steve Drogin/SeaPics.com; sary: Getty Images; horita: © Brandon Cole

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Trozona lava loha: © Brandon Cole; trozona manga: © Phillip Colla/SeaPics.com; antsantsa trozona: © Steve Drogin/SeaPics.com