Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Eksodosy 12:1-8, 17-20, 24-27; Marka 14:12, 22-26; Jaona 13:1, 21-30. Jereo amin’izay ilay sarin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Inona no diso eo? Soraty eo ambany ny valin-teninao.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana no nampifanitsian’i Jesosy tamin’ny mofo tsy misy lalivay ny vatany?

Vakio ny 1 Korintianina 5:6-8; Hebreo 4:14, 15.

FANTATRAO TSARA VE I SOLOMONA MPANJAKA?

4. Iza no renin’i Solomona?

Vakio ny 2 Samoela 12:24.

․․․․․

5. Ankoatra an’i Solomona, nanan-janakalahy firy i Davida sy ny renin’i Solomona?

Vakio ny 2 Samoela 11:26, 27; 1 Tantara 3:5.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana i Solomona no tena hendry?

Vakio ny 1 Mpanjaka 3:5-14.

Tokony hanao inona ianao mba ho hendry?

HO AN’NY ANKIZY

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 19 Porofon’ny inona ny fanirianao hitokana mba hisaintsaina? Ohabolana 1:․․․

PEJY 19 Taiza ny mpianatr’i Jesosy no nasainy nivavaka? Matio 6:․․․

PEJY 28 Afaka manao inona “ny Soratra Masina”? 2 Timoty 3:․․․

PEJY 29 Manome antsika inona ny “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina”? Romanina 15:․․․

● Valiny, pejy 14

VALIN’NY PEJY 31

1. Tokony ho 11 ireo apostoly fa tsy 12.

2. Tokony ho fisaka ilay mofo fa tsy hibontsina, satria tsy misy lalivay.

3. Ondry ilay hena fa tsy kisoa.

4. Batseba.

5. Nanan-janakalahy efatra i Davida sy Batseba, ankoatra an’i Solomona.