Mahaiza Mandamina Fotoana
Mahaiza Mandamina Fotoana
“Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.
MILA fantarinao aloha izay zava-dehibe aminao, mba hahafahanao hanokana fotoana ho amin’ilay izy. Ho mora kokoa aminao ny hamantatra izany, raha faritanao tsara ireo zavatra sarobidy aminao sy ny tanjonao, ary izay tokony hatao mifanaraka amin’izany.
Eritrereto àry ireo zavatra sarobidy aminao. Azonao soratana izay tonga ao an-tsainao, ohatra hoe fianakaviana, namana, asa mafy, fianarana, mahavita zavatra miavaka, hatsaran-tarehy, vola, fahasambarana, fanambadiana, hatsaram-panahy, fahasalamana, fivavahana. Diniho avy eo hoe: ‘Iza amin’ireo no zava-dehibe indrindra amiko?’
Aorian’izay, dia eritrereto ireo tanjona tianao hotratrarina. Inona no tsy mampitovy ny tanjona sy ny zavatra sarobidy? Ny zavatra sarobidy dia tsy miova fa eo foana. Ny tanjona kosa rehefa tratra dia tsy mila tratrarina intsony.
Inona, ohatra, no mety ho tanjonao? Hiaraka bebe kokoa amin’ny fianakavianao ve? Hahazo asa tsara kokoa? Sa misy fialam-boly tianao ka te hanatsara ny fahaizana azy ianao? Te hitady fialam-boly vaovao ve ianao? Sa misy toetra iray tianao hananana? Te hanao vakansy ve ianao? Te hamaky boky iray na hanoratra boky ve ianao?
Jereo hoe iza amin’ireo no lehibe indrindra aminao? Ampifanaraho amin’ireo zavatra sarobidy aminao ilay izy. Raha ny hanan-karena be, ohatra, no tanjonao nefa ny fianakaviana no sarobidy aminao, dia azo inoana fa hampisy korontana eo amin’ny fiainanao izany.
Rehefa voafidinao ireo tanjona tianao hotratrarina, dia eritrereto izay tokony hatao mifanaraka amin’ny tsirairay aminy. Inona, ohatra, no tokony hatao raha te hampihena tena ianao? Mila manao fanatanjahan-tena.
Nahoana no manampy ny manao lisitra?
Handeha tsara ny fiainanao raha mifanentana amin’ny zavatra sarobidy aminao ny tanjonao, ary manao zavatra mifanaraka amin’izany ianao. Izay zava-dehibe aminao mantsy no handanianao fotoana kokoa. Tsy midika izany hoe tsy hiraharaha ny zavatra ilain’ny hafa sy ny faniriany ianao. (Filipianina 2:4) Ho mora aminao kosa ny hahita izay tsy tena zava-dehibe, ka hanilika izany.
Ekena fa hisy ny zavatra hanelingelina. Misy raharaha tsy dia lehibe loatra, ohatra, nefa tsy maintsy atao. Mety handany andro izy ireny, ka zara raha hanana fotoana hanaovana ireo zava-dehibe indrindra ianao, na tsy hanam-potoana mihitsy. Eo koa ny olana tampoka mila alamina haingana. Mety hikorontana ny fandaharam-potoananao rehefa miova ny fiainanao. Tsy dia ho sarotra aminao anefa ny handamina ny fotoananao sy ny fiainanao, raha miezaka manokana fotoana betsaka kokoa amin’ireo zava-dehibe ianao.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
MANAMPY VE NY KALANDRIE AMIN’NY FINDAY?
Manampy izy io ho an’ny sasany, fa mandany fotoana kosa ho an’ny hafa. Efa misy fampidirana fandaharam-potoana ny finday sasany. Hita ao, ohatra, ny kalandrie, lisitry ny adiresy sy nomerao telefaonina, lisitry ny zavatra tokony hatao, fandefasana hafatra, fampahatsiahivana, fakan-tsary, ary Internet. Afaka manampy anao izy io raha entinao miaraka aminao foana, ary ampidirinao ao ny fandaharam-potoananao. Ho lany fotoana kosa ianao raha mikarokaroka zavatra tsy tena ilaina, na mikitikitika azy io foana, na mividy kojakoja tsy ilaina miaraka aminy. Ho lasa an-tsirambina koa ny andraikitrao sy ny fianakavianao ary ny namanao, raha variana loatra amin’ilay izy ianao.
Soso-kevitra: Fantaro tsara ilay finday alohan’ny hividianana azy. Ho lany fotoana hanamboarana azy mantsy ianao raha simba matetika ilay izy. Raha hain’ny tompony ny mampiasa azy, dia amin’izay ihany izy io no hanampy azy. Ampiasao tsara àry ny kalandrie amin’ny findainao.
[Sary, pejy 4, 5]
Manokàna fotoana hanaovana izay zava-dehibe