Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miakanakam-piteny ve Ianao?

Miakanakam-piteny ve Ianao?

Miakanakam-piteny ve Ianao?

“Tsy mahazo aina aho rehefa miakanakana, ka vao mainka miakanakana be. Toy ny hoe latsaka ao anaty lavaka aho, nefa tsy mety tafavoaka. Nanatona manam-pahaizana momba ny saina àry aho. Mila manao firaisana, hono, aho, amin’izay matoky tena kokoa! Tsy niverina tany intsony aho. Tiako fotsiny raha tsy mihatakataka amiko ny olona.”—Rafael, 32 taona.

ERITRERETO hoe vao hiditra ao amin’ny mpivarotra ianao dia tsembo-dratsy. Rehefa hanontany amin’izay ianao dia tsy mahatafavoaka teny, fa ny fanombohany fotsiny no averimberinao. Olona 1 ao anatin’ny 100, na 60 tapitrisa eo ho eo, no tratran’izany eran-tany, ary lehilahy ny ankamaroany. Matetika izy ireo no ihomehezan’ny olona na ihatakatahany. Heverina ho vendrana mihitsy aza ry zareo, satria soloany teny mora tononina izay teny manahirana azy.

Nahoana ny olona no miakanakam-piteny? Mety ho sitrana ve izy? Ahoana no hahaizany miteny misosa kokoa? Ary ahoana no azo anampiana azy?

Inona no antony?

Nino ny olona fahiny fa misy demonia ny olona miakanakam-piteny, ka mila roahina, hono, ilay izy. Tao koa ny nihevitra fa ny lelan’ilay olona no mila tsaboina, ka nopetahana vy mahamay na nasiana zavatra masiatsiaka. Tatỳ aoriana, dia nisy dokotera nanala selam-pitatitra sy hozatra tao amin’ny lelan’ny olona niakanakam-piteny, na nanala ny kambontendany mihitsy aza. Tsy nisy nahomby anefa izany!

Milaza ny mpikaroka ankehitriny fa toa antony samihafa no mahatonga ny olona hiakanakam-piteny. Eo, ohatra, ny tahotra. Manaranaka koa ilay izy indraindray. Manana havana miakanakana mantsy ny antsasany mahery amin’ny olona toy ireny. Fantatra koa fa tsy toy ny an’ny olon-kafa ny fiasan’ny atidohany. Hoy ny Dr. Nathan Lavid: “Efa manomboka miteny ilay olona, nefa ny atidohany mbola tsy manoro ny fanononana an’ilay izy.” a

Tsy voatery ho tahotra foana àry no mahatonga an’ilay olana. Hoy ny boky Tsy Misy ny Fahagagana (anglisy): “Tsy marina ny hoe tsy matoky tena ny olona matoa miakanakana. Tsy ho sitrana àry izy raha resena lahatra fotsiny hoe ho vitany ny hanajanona an’ilay izy raha amboariny ny sainy.” Mety hanjary hatahotra anefa izy rehefa miakanakana lava. Mety tsy ho sahiny, ohatra, ny miresaka amin’ny telefaonina na eny imasom-bahoaka.

Ahoana no anampiana azy?

Mahavariana fa tsy sahirana izy ireny rehefa mihira, mibitsibitsika, miteny irery, miresaka amin’ny biby ompiany, miara-miteny amin’olon-kafa, na maka tahaka fitenin’olona. Sitrana ho azy koa ny ankamaroan’ny ankizy miakanakana. Ary ny hafa?

Maro izao ny fomba anampiana azy ireny hiteny misosa kokoa. Asaina miaina tsara, ohatra, izy ary tsy manenjana ny valanoranony sy ny molony ary ny lelany. Misy koa ampianarina mifoka rivotra moramora, ary avy eo mamoaka rivotra kely amin’ny orona alohan’ny hitenenana. Asaina taritiny koa ny zanatsoratra na renisoratra sasany. Mahavita miteny haingana kokoa izy rehefa tsy dia miakanakana intsony.

Mora ianarana ireo fa sarotra tanterahina rehefa misy toe-javatra mampahatahotra. Mila manao fanazaran-tena foana àry ilay olona raha te hahomby.

Tokony hotsaboina avy hatrany ve ny ankizy miakanakana? Sa andrasana aloha sao ho sitrana ho azy izy? Hita tamin’ny fandinihana natao fa vitsy no sitrana ho azy raha efa nandritra ny dimy taona no niakanakana. Hoy ilay boky Tsy Misy ny Fahagagana: ‘Mety tsy ho sitrana intsony izy rehefa feno enin-taona, raha tsy tsaboina. Mila tsaboina avy hatrany àry ny ankizy raha vao hita hoe miakanakana.’ Na izany aza, dia maro ihany no sitrana, na efa lehibe aza vao notsaboina. b

Aza manantena zavatra be loatra

Nilaza ny Profesora Robert Quesal, izay miakanakam-piteny, fa tsy tokony hanantena ireo olona miakanakana hoe hisosa tsara foana ny fiteniny. Tsy sitrana tanteraka i Rafael, ilay voaresaka terỳ aloha, na dia efa mihamisosa aza ny fiteniny. Hoy izy: “Mbola miakanakana aho rehefa mamaky teny na miteny eo anoloan’ny olona maro, na miresaka amin’ny vehivavy tsara tarehy. Niferinaina aho taloha satria nihomehezan’ny olona. Nanamboatra saina anefa aho tato ho ato, ary tsy dia niraharaha an’ilay izy. Mihomehy aho izao rehefa miakanakana. Miezaka ny ho tony aho avy eo, ary tohiziko ny teniko.”

Mitovy amin’izany ny fanamarihan’ny Fikambanana Amerikanina Manampy ny Olona Miakanakam-piteny. Hoy izy io: “Mora sitrana kokoa ianao raha tsy matahotra ny hiakanakana, toy izay hiezaka mafy tsy hiakanakana.”

Miezaka mankafy fiainana ny olona maro miakanakam-piteny. Lasa olo-malaza mihitsy aza ny sasany, toa an’Atoa Isaac Newton, mpahay fizika; Winston Churchill, mpitondra fanjakana anglisy, ary James Stewart, mpilalao sarimihetsika amerikanina. Ny hafa mahay mitendry zavamaneno, na manao sary hoso-doko, na mahay tenin’ny tanana. Raha mahay miteny tsara àry ianao, dia aza odian-tsy hita ny ezaka mafy ataon’ny olona miakanakam-piteny. Ampaherezo sy ampio izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mitovitovy ny fanazavana miely momba ny antony mahatonga ny olona hiakanakam-piteny sy ny fitsaboana azy io. Misy koa anefa mifanohitra. Tsy manohana hevitra na karazana fitsaboana manokana ny Mifohaza!

b Misy, ohatra, asain’ny mpitsabo mampiasa fitaovana manampy azy tsy hiakanakana, na omeny fanafody mampitony.

[Efajoro/Sary, pejy 13]

AMPIO NY OLONA MIAKANAKAM-PITENY

● Aza koropahina izy. Vao mainka sahirana izy ireny ankehitriny, satria maika lava ny olona manodidina azy.

● Aza terena hiteny miadana izy, fa ianao no tokony hiteny miadana. Hanahaka anao ho azy izy avy eo. Henoy tsara izy, fa aza tapahina na tohizina ny teniny. Miandrasa kely vao mamaly.

● Aza kianina na ahitsy izy. Ataovy hita amin’ny fijerinao, endrikao, fihetsikao, ary ny teninao fa izay lazainy no mahaliana anao fa tsy ny fomba ilazany azy.

● Tsy tokony hahamenatra anao ny miresaka momba an’ilay olana manjo azy. Tsy dia hatahotra izy raha sariaka aminy ianao, sady milaza aminy tsindraindray fa takatrao hoe mafy ny mahazo azy. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Sarotra be indraindray ilay miteny e?”

● Lazao aminy fa namanao foana izy na miakanakana aza.

[Efajoro/Sary, pejy 14]

“TSY DIA NIAKANAKANA INTSONY AHO”

Nisy olana lehibe tao amin’ny fianakavian’i Víctor, ka lasa niakanakam-piteny izy nandritra ny taona maro. Sitrana anefa izy, na dia tsy nanatona dokotera aza. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy ka nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, izay atao isan-kerinandro. Tsy natao hitsaboana olona miakanakam-piteny izy io, nefa manampy azy ireo hahay hiteny tsara sy hatoky tena.

Ilay boky hoe Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana no ampiasaina amin’ilay sekoly. Hoy izy io eo amin’ilay efajoro hoe “Raha Miakanakam-piteny Ianao”: ‘Tena ilaina ny manohy miezaka. Omano tsara izay anjara na lahateny asaina hataonao. Mifantoha tanteraka amin’ilay anjaranao rehefa eny amin’ny lampihazo. Raha manomboka miakanakana ianao, dia hazòny ho tony ny feonao sy ny fihetsikao, araka izay azonao atao. Aza henjanina ireo hozatry ny valanoranonao. Fehezanteny fohy ampiasaina. Ataovy vitsy araka izay azonao atao ny teny toy ny hoe “aaaa.”’

Nanampy an’i Víctor ve ilay sekoly? Hoy izy: “Nataoko izay hifantohana tamin’ny zavatra holazaiko, fa tsy ny fomba hilazako azy. Lasa hadinoko àry hoe miakanakana aho. Naveriko imbetsaka koa ny anjarako. Tsy dia niakanakana intsony aho nony farany.”