Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Gripa

Mitandrema Amin’ny Gripa

Mitandrema Amin’ny Gripa

Efa naminany i Jesosy fa ‘hisy areti-mandringana any amin’ny toerana samy hafa’, amin’ny andro faran’ity tontolo ity. (Lioka 21:11) Anisan’izany ny gripa.

VIROSY na otrikaretina iray no mahatonga ny gripa. Miditra ao anatin’ny sela ilay izy, ary mampiasa azy io mba hamokarana virosy maro kokoa. Mamely ny taovam-pisefoana izy io, ary mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy ranon-delo rehefa mievina na mikohaka na miresaka, ilay marary. Lasa valanaretina izy io rehefa olona maro no voany ao amin’ny faritra midadasika.

Tsy ny olona ihany no voan’ny gripa fa ny biby sy ny vorona koa. Zaraina ho sokajy A sy B ary C ny virosin’ny gripa. Ny gripa sokajy A no tena mpitranga. Ny proteinina roa eo amin’ny fonon’ilay virosy no amaritana ny karazany. Tsy inona izany fa ny hémagglutinine (H) sy ny neuraminidase (N).

Nahoana no tena mampatahotra ny virosin’ny gripa? Mitombo haingana be izy ireo sady mamokatra karazany be dia be. Afaka mitambatra koa ireo karazany samy hafa ary manome karazany vaovao. Mety tsy ho voatohitry ny hery fanefitra ny virosy iray, raha tena vaovao amin’ny vatana.

Betsaka no voan’ny gripa rehefa ririnina. Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa ela velona kokoa ny virosy eny amin’ny rivotra rehefa mangatsiaka ny andro. Lasa maditidity mantsy ny fonony ka miaro azy. Mitsonika anefa ilay maditidity rehefa tratran’ny hafanana ao amin’ny taovam-pisefoana. Miteraka aretina ilay virosy amin’izay. Tsy ny hatsiaka akory no miteraka ny virosin’ny gripa, fa mampahazo vahana azy io kosa.

Fomba iarovan-tena

Efa misy zavatra ataon’ny fitondram-panjakana maro, mba hiatrehana ny gripa. Inona anefa no azonao atao? Andeha isika hijery fomba telo hiarovan-tena:

Hatanjaho ny vatanao: Ataovy ampy torimaso tsara ny fianakavianao, ary mihinàna sakafo mampahatanjaka ny hery fanefitra. Tokony hahitana voankazo, legioma, vary, katsaka, ary proteinina tsy matavy ny sakafonao. Ireo no manome ny asidra amine, izay mampahatanjaka ny hery fanefitra.

Aza omena vahana ny otrikaretina: Diovy tsara isan’andro ny latabatra. Sasao avy hatrany ny vilany sy vilia avy nampiasaina. Sasao tsy tapaka ny lambam-pandriana. Diovy amin’ny ranoka famonoana otrikaretina ny zavatra kasihin’ny olona matetika, toy ny hidim-baravarana, telefaonina, telekomandy. Ataovy azon-drivotra tsara ny trano.

Miezaha hadio foana: Sasao tsara amin’ny savony sy rano ny tananao, na diovy amin’ny alkaola. Aza mitambatra servieta amin’ny olon-kafa na dia amin’ny mpianakavinao aza, rehefa mamafa tanana na tarehy.

Aza kasihina amin’ny tanana tsy nisasa ny maso, ny orona, na ny vava. Mampiasà mosara fanary mba hanampenana ny vavanao sy ny oronao rehefa mikohaka na mievina. Ario avy hatrany ilay izy avy eo. Aza mampiasa zavatra itambarana, toy ny telefaonina, izay mora mampiely otrikaretina. Mila zarina hanao izany ny ankizy. Mahasoa foana ireo, indrindra fa amin’ny vanim-potoana mampihanaka ny gripa.

Aoka ianao hiahy ny hafa

Iray andro alohan’ny isehoan’ny soritr’aretina aminao, dia efa mety hamindra gripa ianao, ary toy izany koa dimy andro aorian’ny ahararianao. Mitovy amin’ny soritr’aretin’ny sery ihany ilay izy saingy mafy kokoa. Anisan’izany ireto: Manavy, marary andoha, reraka be, mikoha-maina, ary manakotsako. Fahita kokoa amin’ny ankizy voan’ny gripa ireto: Be ranon-delo, maloiloy, mandoa, ary mivalana. Raha ahitana soritr’aretina ianao, dia mijanòna ao an-trano raha azo atao, mba tsy hamindra amin’ny hafa.

Mialà sasatra tsara ary misotroa rano be. Mandaitra ny fanafody, raha vao manomboka miseho ny soritr’aretina no mihinana azy ianao. Tsy tokony homena aspirinina ny ankizy voan’ny gripa. Manatòna dokotera avy hatrany raha mitovitovy amin’ny pnemonia ny fisehoan’ilay aretina. Ohatra hoe tsy avy miaina, na marary tratra, na marary andoha be.

Mety hanorisory ny gripa. Ho afaka hizaka kokoa an’ilay izy anefa ianao raha miomana tsara. Ankoatra izany, dia mahazo matoky ianao fa ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly hoe: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

[Efajoro, pejy 27]

KARAZANA GRIPA MAHERY

Mitovitovy amin’ny gripa espaniola tamin’ny 1918, izay nahafaty olona am-polony tapitrisa, ilay gripa H1N1 hita voalohany tany Meksika, tamin’ny 2009. Misy zavatra fahita ao amin’ny virosin’ny gripan-kisoa sy gripam-borona koa ao amin’ny virosin’ny gripa H1N1.

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

FOMBA 6 IAROVANA NY TENANAO SY NY HAFA

1. Tampeno ny vava rehefa mikohaka

2. Sasao ny tanana

3. Ataovy azon-drivotra ny trano

4. Diovy foana ny zavatra kasihina matetika

5. Mijanòna ao an-trano raha marary

6. Aza mifampikasika amin’olona

[Efajoro/Sary, pejy 29]

INONA NO ATAO REHEFA MIHANAKA NY GRIPA?

Voalohany, araho ny toromariky ny tompon’andraikitra momba ny fahasalamana. Aza misahotaka na manahy tafahoatra. Araho foana ireo fahazarana tsara voaresaka tato. Aza mandeha amin’ny toerana be olona. Manaova tampim-bava raha voa ianao. Sasao matetika ny tanana. Raha tsy ho afaka handeha hiantsena ianao, dia mitahiriza sakafo tsy mora simba, ampy anao mandritra ny tapa-bolana. Vidio mialoha koa izay fanafody sy zavatra ilaina mba hidiovana.

Araho ny toromarika omena, rehefa any amin’ny toeram-piasana, na toeram-pivavahana, na toeran-kafa be olona ianao. Ataovy azon-drivotra tsara koa ny toerana misy anao.

[Sary, pejy 27]

Virosin’ny gripa H1N1 rehefa jerena amin’ny mikraoskaopy

[Sary nahazoan-dalana]

CDC/Cynthia Goldsmith