Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Vonona Hiala ao An-trano ve Aho?

Efa Vonona Hiala ao An-trano ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Efa Vonona Hiala ao An-trano ve Aho?

“Tsapako indraindray hoe tsy manaja ahy ny olona, satria mbola ao amin’ny ray aman-dreniko aho nefa efa 19 taona. Hoatran’ny hoe tsy olon-dehibe aho raha tsy mitokan-trano.”—Katie. *

“Tsy tiako mihitsy fa tsy mba afaka manana ny fiainako aho, nefa efa ho 20 taona. Te hitokan-trano aho satria tsy miraharaha izay mba tiako ny ray aman-dreniko. Ry zareo, hono, no efa nahita fiainana.”—Fenosoa.

ARA-DALÀNA raha mba te hahaleo tena ianao, na dia mbola tsy vonona hitokan-trano aza. Araka ny fikasan’Andriamanitra tokoa mantsy, dia handao ny ray aman-dreniny ny tanora rehefa lehibe, ka hanana ny fianakaviany koa. (Genesisy 2:23, 24; Marka 10:7, 8) Efa vonona hitokan-trano ve anefa ianao matoa maniry mafy hahaleo tena? Mety ho izany nefa tsy voatery. Ahoana àry no hahalalanao raha tena vonona ianao? Misy fanontaniana telo mila dinihinao. Voalohany...

Nahoana aho no te handeha?

Diniho ilay lisitra eto mba hahitanao hoe nahoana ianao no te hitokan-trano. Alaharo arakaraka izay zava-dehibe aminao izany.

․․․ Mba hialana amin’ny olana ao an-trano

․․․ Mba halalaka kokoa ny fiainako

․․․ Mba hanajan’ny namako ahy

․․․ Misy namako mila olona hiara-mipetraka aminy

․․․ Mba hanao asa an-tsitrapo any an-toeran-kafa

․․․ Mba hianarako hahaleo tena

․․․ Mba hampihena ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniko

․․․ Antony hafa ․․․․․

Tsy hoe ratsy ireo antony ireo. Miankina amin’ny antony handehananao anefa no hahasambatra anao, rehefa mitokan-trano ianao. Ahoana, ohatra, raha ny hiala amin’ny olana ao an-trano na ny hampahalalaka ny fiainanao fotsiny no antony? Mety tsy ho araka ny antenainao ny zavatra hitranga!

Nahatsapa an’izany i Diary, izay nipetra-drery nandritra ny fotoana kelikely, tamin’izy 20 taona. Hoy izy: “Tsy maintsy misy foana ny zavatra tsy azonao atao. Mety tsy ho afaka hanao izay mba tianao ianao satria tsy maintsy miasa na tsy ampy vola, nefa ianao irery.” Hoy i Kanto, izay nankany andafy nandritra ny enim-bolana: “Tiako ilay izy, nefa hoatran’ny tsy mba manana fotoana malalaka mihitsy aho! Izaho no tsy maintsy manao ny raharaha rehetra: manadio, manamboatra ny simba, mikarakara zaridaina, manasa lamba, miborosy trano, sy ny sisa.”

Marina fa mety halalaka kely ny fiainanao rehefa mitokan-trano ianao, ary mety hanaja anao kokoa ny olona. Ianao anefa no tsy maintsy handoa ny fandaniana rehetra, hahandro sakafo, ary hanadio. Ianao irery koa no ho ao an-trano, rehefa tsy mandalo ny namanao na ny havanao. Aza maika hanapa-kevitra àry, na dia misy mampirisika aza. (Ohabolana 19:2) Na tsara aza ny antony ialanao ao an-trano dia tsy ampy izany, fa mila mahay mikarakara an’izay ilainao koa ianao. Mifandray amin’izany ny fanontaniana faharoa hoe . . .

Vonona ve aho?

Rehefa hitokan-trano ianao, dia toy ny hoe hilasy any anaty ala. Handeha ve ianao raha tsy hainao akory ny manangana lay, mandrehitra afo, mahandro sakafo, na mijery sarintany? Mazava ho azy fa tsia! Tanora maro anefa no miala ao an-trano na dia mbola tsy mahay mikarakara tokantrano aza.

‘Ny malina mandinika ny diany’, hoy i Solomona mpanjaka hendry. (Ohabolana 14:15) Omano àry ny fiainanao. Diniho ireto lafin-javatra ireto, ka asio izay efa hainao, ary asio X izay mbola mila hianaranao.

◯ Fitantanam-bola Hoy i Serena, 19 taona: “Mbola tsy nasaina niantoka ny fandaniana nataoko mihitsy aho hatramin’izay. Matahotra ny hitokan-trano sy hitantam-bola samirery aho.” Ahoana no hianaranao mitantam-bola?

Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany.” (Ohabolana 1:5) Maninona àry raha anontaniana ny ray aman-dreninao hoe ohatrinona eo ho eo isam-bolana ny vola lanin’ny olona iray amin’ny sakafo, hofan-trano, saran-dalana? Asaivo atorony anao avy eo ny fomba hitsinjarana ny volanao sy handoavana ny fandaniana isan-karazany. Nahoana no mila tsinjaraina tsara ny vola? Hoy i Tsiory, 20 taona: “Be dia be ny fandaniana tsy ampoizina, rehefa mitokan-trano. Raha tsy mitandrina ianao dia voatery mamono tena miasa mba handoavana trosa fotsiny!”

Manaova mihitsy fanandramana raha tianao. Aloavy amin’ny ray aman-dreninao izay laninao isam-bolana amin’ny sakafo, hofan-trano, ary fandaniana hafa, mandritra ny fotoana kelikely. Raha tsy vitanao izany, na tsy mahafoy vola ianao, dia mbola tsy vonona hitokan-trano ianao izay.—2 Tesalonianina 3:10, 12.

◯ Raharaha ao an-trano Nilaza i Dimby, 17 taona, fa ny manasa lamba no tena tsy tiany amin’ny hoe mitokan-trano. Ahoana àry no hahafantaranao raha efa mahavita mikarakara ny tenanao ianao? Izao no torohevitr’i Aron, 20 taona: “Ataovy toy ny hoe mipetra-drery ianao, mandritra ny herinandro. Ianao no miantsena sy mahandro ny sakafonao, manasa sy mipasoka ny lambanao, ary manadio ny efitranonao. Ny volanao ihany ampiasaina. Aza mitady olona haka na hanatitra anao rehefa misy dia halehanao.” Misy lafiny roa mahatsara izany: 1) Sady fianarana ho anao ilay izy, no 2) hahatonga anao hankasitraka kokoa ny ray aman-dreninao.

◯ Fifandraisana aman’olona Mifanaraka tsara amin’ny ray aman-dreninao sy ny iray tam-po aminao ve ianao? Raha tsy izany mantsy dia mety hihevitra ianao fa tsara kokoa ny miara-mipetraka amin’ny namana. Hoy anefa i Eva, 18 taona: “Nisy namako roa lasa niara-nipetraka. Mpinamana be ry zareo talohan’izay, nefa tsy nahay niara-niaina. Ny iray mantsy madio sy milamina, fa ny iray voretra sy be korontana. Ny iray matotra ara-panahy, fa ny iray kosa eo ho eo. Tsy nifanaraka mihitsy ry zareo!”

Te hitokan-trano i Faniry, 18 taona, nefa hoy izy: “Afaka miezaka mifandray tsara aman’olona ianao dieny mbola ao an-trano, satria mianatra mandefitra sy mifandamina amin’ny hafa. Mila atrehina ny olana fa tsy andosirana. Tsy izany anefa no ataon’ny tanora, raha lasa mitokan-trano izy satria hoe tsy mifanaraka amin’ny ray aman-dreniny.”

◯ Fanompoana an’Andriamanitra Mitokan-trano ny tanora sasany satria fotsiny hoe tsy te hanaraka ny fandaharana ara-panahy ataon’ny ray aman-dreniny. Misy indray nieritreritra ny hanohy ny fianarany Baiboly sy ny fanompoany an’Andriamanitra ihany, nefa resin’ny fahazaran-dratsy avy eo. Ahoana no hahatonga anao tsy ho ‘vaky sambo amin’ny finoana’?—1 Timoty 1:19.

Aza manaraka befahatany ny fivavahan’ny ray aman-dreninao. Tian’i Jehovah ho resy lahatra amin’izay inoanao mantsy ianao. (Romanina 12:1, 2) Manokàna àry fotoana hianarana Baiboly sy hanompoana an’Andriamanitra, ary hajao izany. Soraty eo amin’ny kalandrie ilay izy, ary jereo raha arakao ao anatin’ny iray volana. Aza miandry hotenenin’ny ray aman-dreninao.

Ny fanontaniana farany dia hoe . . .

Inona no tanjoko?

Misy tanora mitokan-trano satria te hiala amin’ny olana ao an-trano na ny fifehezan’ny ray aman-dreny. Ny handeha fotsiny no eritreretiny, fa tsy ny fiainany aorian’izay. Toy ny hoe mitondra fiara izay manao izany, nefa ny fitaratra fijerena ny ao aoriana foana no ifantohany fa tsy ny lalana. Ny toerana efa nandalovany no eritreretiny fa tsy izay halehany. Tsy fahendrena àry ny mifantoka amin’ny hoe hiala ao an-trano fotsiny. Manàna kosa tanjona tsara ary izany ifantohana.

Misy tanora Vavolombelon’i Jehovah efa matotra, mankany an-toeran-kafa na tany hafa mba hitory. Ao koa ireo mifindra mba hanampy amin’ny fanorenana toeram-pivavahana, na mba hiasa any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy indray mipetra-drery elaela aloha, vao manambady. *

Soraty eto izay tanjona tianao hotratrarina ka mahatonga anao hiala ao an-trano. ․․․․․

Misy tanora mijanona ela be ao amin’ny ray aman-dreniny, nefa mbola tsy mihamatotra ihany ary tsy vonona hitokan-trano. Aza maika hanapa-kevitra anefa, fa mandiniha tsara. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Araho ny torohevitry ny ray aman-dreninao. (Ohabolana 23:22) Mivavaha amin’i Jehovah, ary saintsaino ny toro lalan’ny Baiboly voaresaka ato.

Aza mieritreritra àry hoe vonona hiala ao an-trano ve aho, fa hoe mahavita mitantana ny fiainako ve aho. Efa mahaleo tena mantsy ianao raha mahavita an’izany.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 33 Amin’ny kolontsaina sasany dia tsy miala ao an-trano ny zanaka, indrindra ny zanaka vavy, raha tsy rehefa hanambady. Tsy misy torohevitra mivantana momba izany ao amin’ny Baiboly.

ERITRERETO IZAO:

● Nahoana no mahasoa anao ny mijanona ao an-trano aloha, na dia misy olana aza?

● Inona no azonao atao dieny mbola ao an-trano, mba hanampiana ny fianakavianao sy hahaizanao hikarakara tokantrano any aoriana?

[Efajoro/Sary, pejy 11]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Ny andraikitra omen’ny ray aman-dreninao anao izao ihany no tsy maintsy hataonao rehefa hitokan-trano. Ka tsy aleo ve ao an-trano ihany no mianatra hahaleo tena?

Ara-dalàna raha te hahaleo tena ianao. Fa raha te hiala ao an-trano ianao satria fotsiny hoe tsy te ho fehifehezina, dia mbola tsy vonona ianao izany!

[Sary]

Sarah

Aron

[Efajoro, pejy 13]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Matahotra ny hitokan-trano i Serena, voaresaka tetsy aloha. Nahoana? Hoy izy: “Tsy avelan’i Dada mividy zavatra amin’ny volako mihitsy aho. Anjarany, hono, izany. Lasa matahotra àry aho rehefa mieritreritra an’izany handoa faktiora izany.” Azo antoka fa nitady izay hahasoa an-janany ny rain’i Serena. Mampianatra ny zanany hitantana ny fiainany ve anefa izy, araka ny hevitrao?—Ohabolana 31:10, 18, 27.

Ampihantainao loatra ve ny zanakao, ka tsy mba mianatra ny hahaleo tena? Diniho indray àry ireo lafin-javatra efatra voaresaka ao amin’ilay lahatsoratra mba hahitanao izay tokony hataonao.

Fitantanam-bola. Fantatry ny zanakao efa lehibe ve ireo hetra tokony haloa sy ny fomba fandoavana azy? (Romanina 13:7) Zatra mitrosa amin-javatra tsy dia manao ahoana ve izy? (Ohabolana 22:7) Mahay mitsinjara ny karamany ve izy, ary tsy mitady zavatra tsy takatry ny volany? (Lioka 14:28-30) Tsapany ve hoe tsara kokoa rehefa ny volany ihany no ividianany zavatra? Tsapany koa ve fa mahasambatra ny manome ny fananany sy fotoanany hanampiana ny ha fa?—Asan’ny Apostoly 20:35.

Raharaha ao an-trano. Mahay mahandro sakafo ve ny zanakao vavy sy ny zanakao lahy? Nampianarinao hanasa lamba sy hipasoka ve izy? Raha mitondra fiara izy, hainy ve ny manao fikojakojana tsotsotra, toy ny manolo pne sy menaka?

Fifandraisana aman’olona. Rehefa miady ireo zanakao lehibe, manasaraka na mitsara azy ireo foana ve ianao, ka manome vahaolana ho azy? Sa zarinao ry zareo mba hifandamina sy hitady vahaolana aloha, vao manao tatitra aminao?—Matio 5:23-25.

Fanompoana an’Andriamanitra. Miezaka mandresy lahatra ny zanakao ve ianao, sa tonga dia lazainao azy izay tokony hinoany? (2 Timoty 3:14, 15) Tonga dia valianao daholo ve ny fanontaniany momba ny Baiboly na ny fitondran-tena? Sa mba zarinao izy hampiasa “fahaiza-misaina”, ka “hanavaka ny tsara sy ny ratsy”? (Ohabolana 1:4; Hebreo 5:14) Mazoto mianatra Baiboly ve ianao mba ho tahafin’ny zanakao?

Azo antoka fa mitaky fotoana sy ezaka mafy ny mampiofana ny zanakao amin’ireo lafin-javatra ireo. Tsy ho very maina anefa izany. Marina fa halahelo ianao rehefa lasa ny zanakao, nefa ho faly koa satria ary elatra amin’izay izy.

[Sary, pejy 12]

Toy ny hoe hilasy any anaty ala ianao rehefa handeha hitokan-trano. Mila mahay mikarakara izay zavatra hilainao ianao vao mandeha