Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
“Mahagaga fa ny Baiboly foana no boky be mpividy indrindra isan-taona any Etazonia, na dia efa manana azy io aza ny 90 isan-jaton’ny fianakaviana any. ... Baiboly 25 tapitrisa eo ho eo no lafo isan-taona.”—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.
“Maneran-tany, dia olona 4,5 tapitrisa eo ho eo isan-taona no voakaikitry ny bibilava. Tombanana ho 100 000, fara fahakeliny, no matin’ny kaikitry ny bibilava, ary 250 000 no lasa malemy.”—ONIVERITEN’I MELBOURNE, AOSTRALIA.
“E-mail 210 000 tapitrisa [eo ho eo] isan’andro no nalefa tamin’ny 2008.”—NEW SCIENTIST, GRANDE-BRETAGNE.
Mahavery Tadidy ny Tabataba
“Mety hahita tory ihany ny olona mipetraka eny akaikin’ny lalambe sy lalamby ary seranam-piaramanidina. Tsy mahatadidy zavatra anefa izy ireo ary sahirana rehefa mianatra zava-baovao.” Izany no tenin’i Ysbrand van der Werf avy ao amin’ny Fikambanana Holandey Mandinika Momba ny Atidoha. Mora very tadidy sy votsa saina ny olona tsy ampy tory. Izany koa no mahazo ny olona “matory be nefa misy zavatra manelingelina, ... eny fa na dia tsy taitra aza izy,” hoy ny gazety holandey de Volkskrant. Raha tiana hiasa tsara sy hahatadidy zavatra ny atidoha, dia mila torimaso lalina izay “tsy voahelingelin’ny zavatra toy ny tabataba na hazavana.”
Mankarary Havokavoka ny Afomanga
Mahafinaritra erỳ ny mijery afomanga, nefa mety hankarary anao ny piti-javatra avy amin’izy ireny, izay miely eny amin’ny rivotra. Misy zavatra simika mahery ny afomanga mba hahazoana loko maro. Anisan’izany ny strontiôma manome loko mena, ary ny bariôma manome loko maitso. Hitan’ny mpikaroka any Aotrisy fa nitombo avo 500 heny ny habetsahan’ny bariôma tao amin’ny lanezy nilatsaka, taorian’ny fanapoahana afomanga tamin’ny taom-baovao. Lasa tery ny lalan-drivotra rehefa azon’io zavatra simika io. Milaza àry ny mpikaroka, fa vao mainka ho sempotra ny olona voan’ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny asma, rehefa mifoka ny setroky ny afomanga.
Ramanavy Matin’ny Helisy
Milaza ny gazety Scientific American fa nahitana ramanavy maty teo ambanin’ny helisy ahodin-drivotra tany Alberta, Kanada. Nahavery hevitra ny mpikaroka izany, satria miavaka ny fomba fanidin’ny ramanavy ary matsilo be ny sofiny. Hita anefa fa nanao lotsi-dra anaty ny 92 isan-jaton’ireo ramanavy maty. Fantatra àry fa tsy tantin’ny taovam-pisefoan’izy ireo ny rivotra be alefan’ireo helisy. Mihodina hatrany amin’ny 200 kilaometatra isan’ora ireny helisy ireny. Ireo ramanavy mpihinana bibikely sy mpifindra monina no tena voa. Atahorana hampisy korontana eo amin’ny fiaraha-miasan’ny zavaboary àry ireo helisy ahodin-drivotra.