Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mason’ny Patsabe Famakiloha

Ny Mason’ny Patsabe Famakiloha

Nisy Namorona Ve?

Ny Mason’ny Patsabe Famakiloha

● Any amin’ny Haran-dranomasina Lehibe, any Aostralia, no ahitana ny patsabe famakiloha. Ny mason’izy io no be pitsiny indrindra amin’ny mason’ny biby rehetra. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Nicholas Roberts fa “tena miavaka ny mason’io patsabe io, ary mihoatra lavitra noho ny zavatra vitan’ny fitaovana namboarin’ny olombelona ny zavatra vitany.”

Diniho izao: Misy karazana hazavana hitan’io patsabe io fa tsy hitan’ny mason’ny olombelona. Mahitsy be io hazavana io na miolakolaka toy ny resaoro. Tsy vitan’ny hoe mahita an’io karazana hazavana io fotsiny anefa ny mason’ny patsabe famakiloha, fa mahay manova azy io koa. Raha miolakolaka, ohatra, ilay hazavana, dia azony ovana ho mahitsy rehefa mandalo amin’ny masony, na raha mahitsy dia azony ovana ho miolakolaka. Tsy misy zavaboary hafa mahavita toy izany. Tena mahita be io patsabe io noho izany fahaizany izany.

Toy ny ataon’io patsabe io koa no ataon’ny fitaovana fandefasana DVD, mba hahafahany mamaky sary na soratra. Ovany ho miolakolaka ny hazavana mahitsy mandalo eo amin’ilay kapila, ary ovany ho mahitsy indray avy eo. Ny hazavana miloko mena ihany anefa no azony ovaovana, na raha tena arifomba ilay fitaovana dia ny miloko manga. Ny mason’ny patsabe famakiloha anefa afaka manova ny hazavana rehetra, na inona na inona lokony.

Mino ny mpikaroka fa afaka manamboatra fitaovana mamaky DVD mirakitra zavatra betsaka kokoa izy ireo, raha maka tahaka ny mason’ny patsabe famakiloha. Hoy i Roberts: “Tena mahavariana hoe tsotra ihany ny firafitry ny mason’izy io, raha ny marina. Tsara lavitra noho ny fitaovana rehetra efa nandramantsika namboarina anefa izy io.”

Ahoana ny hevitrao? Kisendrasendra ve sa nisy namorona ny mason’ny patsabe famakiloha, izay tena miavaka tokoa?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Courtesy Stephen Childs