Ahoana no Hanazavako Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Vehivavy?
Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Hanazavako Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Vehivavy?
Nifanoroka elaela ny vehivavy roa mpilalao sarimihetsika, tamin’ny fety fizarana loka. Ankona ny mpijery ary nihorakoraka avy eo. Faly erỳ ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Ny hafa mihevitra hoe natao hisarihana ny sain’ny olona fotsiny iny. Na ahoana na ahoana, dia hiseho imbetsaka amin’ny tele sy Internet iny sary iny.
HITA avy amin’io fa anisan’ny tena resahin’ny fampitam-baovao ny olo-malaza milaza hoe vehivavy miray amin’ny vehivavy izy na lehilahy miray amin’ny lehilahy na sady tia lehilahy no tia vehivavy. * Misy midera azy ireny noho ny fahasahiany, ny hafa manameloka azy, ary maro no mihevitra fa tsy mampaninona ny firaisan’ny samy lehilahy. Hoy i Daniel, * 21 taona: “Na ny ankizilahy tia vehivavy sy ny ankizivavy tia lehilahy aza, tamin’izaho nianatra, dia nihevitra fa manavakavaka sy tia mitsaratsara ianao raha hafahafa aminao ny firaisan’ny samy lehilahy.”
Mety tsy hitovy hevitra ny olon-dehibe sy tanora, na ny olona samy hafa firenena, raha ny firaisan’ny samy lehilahy no resahina. Tsy “havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao” anefa ny Kristianina. (Efesianina 4:14) Manaraka izay lazain’ny Baiboly kosa izy ireo.
Inona àry no lazain’ny Baiboly? Raha mankatò izay lazain’izy io ianao, ahoana no hamalianao an’ireo milaza hoe manavakavaka sy tia mitsaratsara ianao, na mankahala ny lehilahy miray amin’ny lehilahy? Diniho eto ambany izay azonao avaly azy ireo.
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy? Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany no avelan’Andriamanitra hanao firaisana. (Genesisy 1:27, 28; Levitikosy 18:22; Ohabolana 5:18, 19) Rehefa manameloka ny fijangajangana ny Baiboly, dia tafiditra amin’izany ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. *—Galatianina 5:19-21.
Raha misy manontany hoe: “Ahoana no fahitanao ny firaisan’ny samy lehilahy?”
Dia azonao valiana hoe: “Tsy ilay olona no tsy tiako fa ny fitondran-tenany.”
✔ Tadidio fa raha mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ianao, dia fiainanao izany ary zonao ny mifidy izany. (Josoa 24:15) Sahia mijoro amin’ny hevitrao.—Salamo 119:46.
Angaha ny Kristianina tsy tokony hanaja ny olona rehetra, na dia ny lehilahy miray amin’ny lehilahy aza? Tokony, satria hoy ny Baiboly: “Hajao ny karazan’olona rehetra.” (1 Petera 2:17) Tsy mankahala ny lehilahy miray amin’ny lehilahy àry ny Kristianina. Tsara fanahy amin’ny rehetra izy ireo, ary tsara fanahy amin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy koa.—Matio 7:12.
Raha misy manontany hoe: “Tsy mampirisika ny olona hanavakavaka an’ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy ve ny fomba fihevitrao?”
Dia azonao valiana hoe: “Tsy izany mihitsy! Ny ataony no tsy tiako, fa tsy izy.”
✔ Afaka milaza koa ianao hoe: “Izaho koa izao nifidy ny tsy hifoka sigara. Tena maharikoriko ahy izany. Eritrereto anefa hoe mpifoka ianao, ary tsy mitovy hevitra amiko. Tsy hanavakavaka anao noho ny hevitrao aho, ary mino aho fa tsy hanavakavaka ahy noho ny hevitro koa ianao. Sa tsy izany? Hoatr’izany koa ny fandraisako ny hevitsika tsy mitovy.”
Angaha moa i Jesosy tsy nampianatra antsika hahay hilefitra? Koa tsy tokony hilefitra amin’ny firaisan’ny samy lehilahy ve ny Kristianina? Tsy nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe tokony hankasitrahana daholo ny fomba fiainan’ny olona. Nampianatra kosa izy fa “izay rehetra maneho finoana azy” no ho voavonjy. (Jaona 3:16) Ankatoavin’ny olona maneho finoana an’i Jesosy ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, izay mandrara ny fanao sasany toy ny firaisan’ny samy lehilahy.—Romanina 1:26, 27.
Raha misy milaza hoe: “Tsy afaka miova intsony ny lehilahy tia lehilahy, fa efa hoatr’izany mihitsy hatramin’ny vao teraka.”
Dia azonao valiana hoe: “Tsy resahin’ny Baiboly ny toe-batan’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, nefa ekeny fa misy toetra tena lalim-paka ao amin’ny olona. (2 Korintianina 10:4, 5) Raran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy na dia misy olona toy izany aza.”
✔ Soso-kevitra: Aza variana miady hevitra momba ny hoe nahoana no misy lehilahy manana faniriana hiray amin’ny lehilahy, fa hamafiso hoe raran’ny Baiboly io fanao io. Azonao atao ny milaza hoe: “Lazain’ny olona hoe mora mahery setra ny olona sasany, satria efa toetra nolovany izany. (Ohabolana 29:22) Mety ho fantatrao anefa fa melohin’ny Baiboly ny fipoahan’ny fahatezerana. (Salamo 37:8; Efesianina 4:31) Dia tsy rariny ve izany io fitsipika io satria misy olona mora mahery setra?”
Fa maninona moa no tsy avelan’Andriamanitra hiaraka ny lehilahy mifankatia? Tsy rariny izany! Mihevitra ny olona hoe tsy maintsy omena fahafaham-po ny faniriana hanao firaisana. Diso hevitra anefa izy ireo. Asehon’ny Baiboly fa manana ny fahamendrehany ny olombelona, matoa omeny toky fa afaka mifidy ny tsy hanaraka ny filan-dratsiny raha tena tsy te hanao an’izany.—Kolosianina 3:5.
Raha misy milaza hoe: “Tokony hovanao ny fiheveranao ny firaisan’ny samy lehilahy, na dia tsy manao an’izany aza ianao.”
Dia azonao valiana hoe: “Eritrereto hoe tsy tia miloka aho, nefa ianao tia. Dia mety ve raha terenao hanova ny fomba fihevitro aho, satria fotsiny hoe olona an-tapitrisany no miloka?”
✔ Tadidio fa manana ny fitsipika arahiny ny ankamaroan’ny olona, anisan’izany ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Tsy eken’ny sainy, ohatra, ny fisolokiana, ny tsy rariny, na ny ady. Raran’ny Baiboly ireo, ary rarany koa ny fanao sasany, toy ny firaisan’ny samy lehilahy.—1 Korintianina 6:9-11.
Tsy hentitra loatra ny Baiboly sady tsy mampirisika ny olona hanavakavaka. Mitovy ihany ny zavatra takiny amin’ny lehilahy tia lehilahy sy amin’ny lehilahy tia vehivavy, dia ny hoe: “Andosiro ny fijangajangana.”—1 Korintianina 6:18.
An-tapitrisany ny lehilahy tia vehivavy na vehivavy tia lehilahy mifehy tena na dia misy fakam-panahy aza, satria te hankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Anisan’izy ireny ny mpitovo mety tsy ho afaka hanambady sy ny vadin’ireo marary tsy afaka manao firaisana. Sambatra izy ireo, na dia tsy manome fahafaham-po ny faniriany aza. Afaka manao toy izany koa ny lehilahy tia lehilahy raha tena te hampifaly an’Andriamanitra.—Deoteronomia 30:19.
Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Voakasika koa ny vehivavy tia vehivavy sy ny firaisan’ny samy vehivavy, na dia ny lehilahy aza no voatonona matetika ato.
^ feh. 4 Novana ireo anarana.
^ feh. 7 Tsy fanaovana firaisana fotsiny no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “fijangajangana.” Tafiditra amin’izany koa ny fikasikasihana ny filahiana na fivavian’olon-kafa, sy ny fanaovana firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana.
ERITRERETO IZAO:
● Nahoana Andriamanitra no manome fitsipika momba ny fitondran-tena?
● Inona no soa ho azonao raha mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ianao?
[Efajoro, pejy 24]
AHOANA RAHA SADY TIA LEHILAHY NO TIA VEHIVAVY?
Misy lehilahy toy izany, nefa toa ny ankizivavy no mihabetsaka. Nahoana? Ireto misy antony vitsivitsy:
● Te ho tian’ny hafa
“Tsy miafinafina ny ankizilahy milaza fa tia vehivavy miray amin’ny vehivavy. Hanao izay azony atao ny ankizivavy tsy matoky tena, mba hitiavan’ny ankizilahy azy.”—Sariaka, 16 taona.
● Te hahafanta-javatra
“Lasa te hanandrana ny ankizy rehefa misy vehivavy mifanoroka, aseho amin’ny filma na ao amin’ny tele na amin’ny hira, indrindra raha mihevitra izy ireo hoe tsy ratsy izany.”—Meva, 26 taona.
● Tia an’ilay olona
“Nihaona tamiko tany amin’ny fety ny ankizivavy roa tia lehilahy sady tia vehivavy. Reko avy eo fa tia ahy ry zareo. Nanomboka nandefa hafatra tamin’ny iray amin’izy ireo aho, ary lasa tia azy.”—Vero, 13 taona.
Tsy tokony hanandrana an’ireo fanao lazain’ny Baiboly hoe maloto ianao, raha te hampifaly an’Andriamanitra. (Efesianina 4:19; 5:11) Ahoana kosa raha tena sady tia lehilahy ianao no tia vehivavy? Maro no hampirisika anao hanaiky an’izany sy hampirisika anao hilaza an-karihary fa toy izany ianao. Tokony ho fantatrao anefa fa matetika no mandalo ihany ny fitiavanao lehilahy na vehivavy toa anao. Izany no tsapan’i Liantsoa, 16 taona. Hoy izy: “Azoko kokoa ny aiko, rehefa noresahiko tamin’ny ray aman-dreniko izay tsapako. Nianarako tany am-pianarana koa fa mety hiovaova be ny habetsahan’ny hormonina raha mbola tanora. Tena mino aho fa raha betsaka kokoa ny ankizy mahalala tsara ny momba ny vatany, dia ho takany fa handalo ihany ny fitiavany lehilahy na vehivavy toa azy, ary tsy ho tsapany hoe tsy maintsy ho hoatr’izany izy.”
Mety tsy handalo fotsiny ny zavatra tsapanao fa haharitra ela kokoa. Tadidio anefa fa azo tanterahina tsara ny zavatra asain’ny Baiboly atao, dia ny hoe afaka mifidy ny tsy hanatanteraka fanirian-dratsy ianao. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 43 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 28 hoe “Ratsy ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?”, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 23]
Sahy mijoro amin’ny heviny ny Kristianina fa tsy manara-drian-drano fotsiny