Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 2
Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 2
Asyria Fahiny
Miresaka momba an’ireo firenena matanjaka resahin’ny Baiboly ny “Mifohaza!”, ka ity no faharoa amin’ireo lahatsoratra fito misesy momba izany. Nosoratana ireo lahatsoratra ireo mba hampiharihariana fa azo itokisana ny Baiboly, avy amin’ny fanahy masina, ary mampanantena fa hifarana ny fijaliana vokatry ny fitondran’olombelona feno habibiana.
NETY ho nihoron-koditra ny mponina fahiny tany Israely sy ny manodidina azy raha vao nandre hoe Asyria. Resahin’ny bokin’i Jona, fa nivily lalana io mpaminany io rehefa nirahin’Andriamanitra hitory didim-pitsarana tamin’i Ninive, renivohitr’i Asyria. (Jona 1:1-3) Nanao izany izy, angamba noho i Asyria nalaza ho nampahatahotra.
Tantara azo itokisana
Antsoin’i Nahoma mpaminanin’Andriamanitra hoe “toeran’ny liona” sy “tanàna mpandatsa-dra” i Ninive. Hoy koa izy: “Tsy mitsahatra miremby [i Ninive]. Injay ny feon’ny karavasy sy ny fikatrokatroky ny kodiarana! Indreny fa miriotra mafy ny soavaly ary mitontontontona ny kalesy! Indreny koa ny mpitaingin-tsoavaly sy ny sabatra mamirapiratra Nahoma 2:11; 3:1-3) Manamarina an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Asyria ve ny tantara?
ary ny lefona manjelanjelatra! Maro be ny voavono, ary be dia be ny maty. Tsy hita isa ny faty, ka voafingan’ireny ny olona.” (Antsoin’ny boky Fanazavan’ny Tantara Fahiny (anglisy) hoe “milina fiadiana tsy mifaditrovana manao izay hampitahorana ny fahavalony” i Asyria. Izao no nilazan’i Assournasirpal II, mpanjakan’i Asyria, an’izay ataony amin’ireo manohitra azy:
‘Nanangana andry nanoloana ny vavahadin’ny tanànany aho. Nendahako ny hoditr’ireo lohandohany rehetra nikomy, ary namonosako an’ilay andry. Nisy nogadraiko tao anatin’ilay andry, fa ny sasany kosa nahantoko tamin’ny tsato-kazo teo ambonin’ilay andry. Notapahiko koa ny rantsambatan’ireo tandapa nikomy. Maro tamin’ireo azoko babo no nodorako, ary betsaka no nataoko sambo-belona.’ Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa nisy sary mahatsiravina mampiseho ny fampijaliana babo, teny amin’ny rindrin’ny lapan’ny Asyrianina.
Resin’i Asyria i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, tamin’ny 740 Talohan’i Kristy (T.K.), ary nobaboiny ny mponina. Nanafika an’i Joda i Asyria, valo taona taorian’izay. * (2 Mpanjaka 18:13) Nasain’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, nanome talenta volamena 30 sy talenta volafotsy 300 i Hezekia Mpanjaka. Milaza ny Baiboly fa naloan’i Hezekia ireo, nefa mbola nasain’i Sankeriba nitolo-batana i Jerosalema, renivohitr’i Joda.—2 Mpanjaka 18:9-17, 28-31.
Nahita an’io tantara io tao amin’ny firaketan’i Sankeriba tany Ninive koa ny mpikaroka. Nirehareha toy izao ilay mpanjaka asyrianina, tao amin’ny iraizotongotra misy lafiny enina, vita amin’ny tanimanga: ‘Tsy nanaiky ny ziogako i Hezekia jiosy ka nataoko fahirano ny 46 tamin’ireo tanànany mafy sy toby mimanda ary tanàna kely maro be teny amin’ny manodidina azy ireo, ary nobaboiko. Izy kosa nohazoniko tao an-dapany tao Jerosalema, toy ny vorona voagadra ao anaty tranom-borona.’ Nolazainy koa fa nandefasan’i Hezekia ‘talenta volamena 30, talenta volafotsy 800, vatosoa, ary karazan-java-tsarobidy isan-karazany’ izy. Nampitomboiny ny isan’ny talenta volafotsy azony.
Mariho anefa fa tsy nilaza i Sankeriba hoe nandresy an’i Jerosalema. Tsy nolazainy ilay hoe nanao zavatra Andriamanitra ka resy ny tafiny. Milaza ny Baiboly fa novonoin’ny anjely tao anatin’ny iray alina ny miaramila asyrianina 185 000. (2 Mpanjaka 19:35, 36) Hoy i Jack Finegan, manam-pahaizana: ‘Tsy hitantara ny fahareseny toy ireny mihitsy i Sankeriba, rehefa jerena ireo zavatra be dia be voarakitra an-tsoratra, nireharehan’ireo mpanjaka asyrianina.’
Faminaniana azo itokisana
Nilaza i Isaia, zato taona teo ho eo talohan’ny haharavan’i Asyria, fa hataon’i Jehovah Andriamanitra ampamoaka ireny mpanafika Isaia 10:12) Nilaza mialoha koa i Nahoma fa horobaina i Ninive, hisokatra eo anoloan’ny fahavalo ny vavahadiny, ary handositra ny mpiambiny. (Nahoma 2:8, 9; 3:7, 13, 17, 19) ‘Hatao tsy misy mponina’ ilay tanàna, hoy i Zefania mpaminany.—Zefania 2:13-15.
manambony tena ireny, satria nanivaiva ny vahoakany. Hoy i Jehovah: “Hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Asyria, noho izy manivaiva sy miandranandrana manambony tena.” (Tanteraka tamin’ny 632 T.K. ireo faminaniana ireo, rehefa noravan’ny Babylonianina sy ny Medianina i Ninive. Nahamenatra ny fiafaran’ny Fanjakana Asyrianina. Milaza ny tantaran’i Babylona fa “nentin’ireo [mpandresy] ny zavatra maro be azony tao amin’ilay tanàna sy ilay tempoly”, ary “noravany” i Ninive. Sisan-javatra eo atsinanan’ny Reniranon’i Tigra sisa ilay Ninive taloha, izay eo ampitan’ny tanànan’i Mossoul, any Irak.
Nisy faminaniana tanteraka koa rehefa rava i Asyria. Nobaboin’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folo, tamin’ny 740 T.K. Tamin’izay koa i Isaia mpaminanin’Andriamanitra no nilaza fa ‘hanapotika ny Asyrianina’ i Jehovah, ary ‘hanitsakitsaka azy’, sady hamerina ny Israelita any amin’ny taniny. Nilaza i Isaia fa ‘hanangona ny olony sisa niangana avy any Asyria’ Andriamanitra. Izany tokoa no nitranga, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Isaia 11:11, 12; 14:25.
Fampanantenana azo itokisana
Ela be talohan’ny haharavan’i Ninive, fony mbola nampihorohoro an’ireo fahavalony ny mpanjakan’i Ninive, dia efa niteny i Isaia fa ho avy ny mpanjaka iray tena miavaka. Hoy izy: “Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no homena antsika, ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana. Ny anarany dia hatao hoe ... Andrianan’ny Fiadanana. Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana, eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io, ary ny rariny sy ny hitsiny no hampitoetra azy, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.”—Isaia 9:6, 7.
Hanjaka eo amin’ny tany manontolo i Jesosy Kristy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana.” Hoy ny Salamo 72:7, 8: “Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana. Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany.”
Ilay “Andrianan’ny Fiadanana” no hampiasain’i Jehovah Andriamanitra hanatanteraka ny fampanantenany ao amin’ny Salamo 46:8, 9 hoe: “Avia ianareo hijery ny asan’i Jehovah. Manao zava-mahagaga eto an-tany izy. Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.”
Efa tanteraka sahady io faminanian’ny Baiboly io. Manahaka an’i Jesosy mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah ka mampianatra Baiboly ny olona, mba hahafantaran’izy ireo ny lalan’ny fiadanana. Tsy olombelona tokoa fa Andriamanitra no hanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’i Isaia 2:4 hoe: “Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.” Ankehitriny kosa dia iray tapitrisa tapitrisa dolara isan-taona no lanin’izao tontolo izao sy ny mpitondra, eo amin’ny resaka ady.
Tsy manan-tsahala ny Baiboly satria marina ny tantara sy faminaniana raketiny. Hitan’ireo tena mikaroka ny marina àry fa azo itokisana tokoa ny Baiboly. Hodinihintsika ao amin’ny laharana manaraka ny momba an’i Babylona, renivohitry ny fanjakana matanjaka fahatelo resahin’ny Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Nizara roa ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely taorian’ny nanjakan’i Solomona. I Joda sy Benjamina no fanjakana tany atsimo, ary i Jerosalema no renivohiny. Ireo foko folo hafa kosa no tany avaratra, ary i Samaria no renivohiny.
[Sarintany, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
FANJAKANA ASYRIANINA
MEDIA
ASYRIA
Khorsabad
Ninive
Kala
Asyra
Babylona
Tigra
Eofrata
Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)
Samaria
Jerosalema
EJIPTA
[Sary, pejy 26]
Omby goavana manana elatra sy lohan’olona no miaro an’ireo lapan’ny mpanjaka asyrianina
[Sary, pejy 27]
Iraizotongotra misy ny zavatra nireharehan’i Sankeriba, tamin’izy nandrava an’i Joda
[Sary, pejy 26, 27]
Sary mivohitra mampiseho ny fanendahana ny hoditry ny babo mbola velona
[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]
Pejy 26, ambony: Sary mivohitra ejipsianina sy sarin’i Néron: Photograph taken by courtesy of the British Museum; sary mivohitra persianina: Musée du Louvre, Paris; omby manana elatra sy sary eto amin’ny pejy 27: Photograph taken by courtesy of the British Museum