Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Jaona 6:5-13. Inona no zavatra telo diso eo? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no nasain’i Jesosy nangonin’ny mpianany? Nahoana? Inona no ianaranao momba an’i Jesosy? Inona no azonao atao mba hahaizanao mitsitsy?

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Miaraha mamaky an’ilay tantara, ka raha mety, dia ny iray manao mpitantara, ny iray Jesosy, ny iray Filipo, ary ny iray Andrea.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 1 JOSOA

FANONTANIANA

A. Ahoanao no nandrodanan’i Josoa sy ny tafiny ny mandan’i Jeriko?

B. Tohizo ity tenin’i Josoa ity: “Fa izaho sy ny ankohonako kosa . . .”

D. Iza koa no anaran’i Josoa?

[Tabilao]

4026 T.K. Taona 1 98

Noforonina Niaina tamin’ny Vita ny fanoratana

i Adama 1500 T.K. tany ho any ny Baiboly

[Sarintany]

Avy tany Ejipta ho any amin’ny Tany Nampanantenaina

EJIPTA

TANY NAMPANANTENAINA

JOSOA

MOMBA AZY

Zanak’i Nona. Nanompo an’i Mosesy izy ary lasa mpitarika ny Israelita. (Eksodosy 33:11; Deoteronomia 34:9; Josoa 1:1, 2) Tsy natahotra i Josoa nitondra ny vahoakan’Andriamanitra ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Natoky ny fampanantenan’i Jehovah izy, nankatò ny tari-dalany, ary tsy nivadika.

VALINY

A. Nankatò an’Andriamanitra izy ireo, ka nihodidina an’ilay tanàna.—Josoa 6:1-27.

B. “. . . hanompo an’i Jehovah.”—Josoa 24:15.

D. Hosea.—Nomery 13:8, 16.

Olona sy Tany

4. Victor no anarako, 7 taona aho, ary mipetraka eto Malawi, atỳ Afrika. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah eto Malawi: 750 sa 7 500 sa 75 000?

5. Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ aminay? Ataovy anaty boribory izany. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Malawi.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

● Any amin’ny pejy 22 ny valin’ny pejy 30 sy 31

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Ankizilahy no nitondra an’ilay sakafo, fa tsy ankizivavy.

2. Mofo dimy no tokony ho eo, fa tsy paoma dimy.

3. Trondro roa no tokony ho eo fa tsy katsaka roa.

4. 75 000.

5. D.