Fomba Iarovana An’ireo Be Taona
Fomba Iarovana An’ireo Be Taona
MATETIKA ny ankizy no tsy maninon-tsy maninona akory rehefa mianjera. Tapaka kosa ny taolan’ny vehivavy iray efa be taona rehefa nianjera tao an-tranony izy. Nodidiana izy ary volana maromaro vao sitrana. Tsy dia mampiasa vatana intsony izy satria matahotra ny hianjera, ka lasa mihamalemy.
Mihoatra ny ampahatelon’ny olona 65 taona na mahery no mianjera, isan-taona, any amin’ny tany tandrefana iray. Izany koa no tena mahatonga azy ireo haratra ka ho faty. Marina izay lazain’ny Baiboly momba ny be taona hoe: “Lasa mampahatahotra azy ny toerana avo, ary misy zava-mampitebiteby azy eny an-dalana.”—Mpitoriteny 12:5.
Matetika no mihaosa ny olona rehefa mihantitra, nefa misy zavatra azonao atao ihany mba hiarovana kokoa ny tenanao sy hanatsaranao ny fiainanao. Afaka miezaka ny ho salama sy hatanjaka foana ianao. Azonao atao koa izay hahatonga ny tranonao tsy hampidi-doza.
Miezaha ho salama sy hatanjaka foana
Mety tsy hahay hibaiko tsara ny vatana intsony ny atidoha, tsy hahita tsara ny maso, ary ho mora mianjera isika, rehefa mihantitra. Mihamalemy koa ny hozatra sy ny taolana ka lasa marefo isika. Hatanjaka kokoa anefa isika raha mampiasa vatana foana ary misakafo tsara. Hoy i Nita, mpitsabo: “Tena ilaina ny manao fanatanjahan-tena mahatonga anao tsy ho mora fanina, hijoro tsara, hatanjaka, ary mahatonga ny vatanao halefadefaka.”
Hoy ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Fanasoavam-bahoaka any Etazonia: “Tena handray soa ny be taona raha mampiasa vatana foana, na manao ahoana na manao ahoana ny fahasalamany sy ny tanjany. Mbola afaka mampiasa vatana foana ianao ary handray soa amin’izany, na dia efa sahirana aza rehefa mijoro na mandeha. Ny tsy fanaovana izany aza, raha ny marina, no mety hanimba anao.” * Hanampy anao hiady amin’ny aretim-po, aretin’ny tonon-taolana, fahosan’ny taolana, ary ny fahaketrahana koa ny fampiasana vatana. Hanatsara ny fikorianan’ny ra sy ny fandevonan-kanina ary ny torimaso izany, ary hahatonga anao hatoky tena sy hahiratra kokoa.
Tsara raha manatona dokotera aloha ianao raha tsy zatra manao fanatanjahan-tena. Miresaha koa aminy raha fanina ianao na marary tratra rehefa manao fanatanjahan-tena. Fahendrena ny miantso ny mpamonjy voina, raha mitranga ny toy izany. Soritr’aretina lehibe ireo ka aza hamaivanina. Ampirisihina koa
ianao mba hizaha maso any amin’ny dokotera, indray mandeha isan-taona.Aza mihinana sakafo tsy ampy vitaminina sy mineraly, na dia azo karakaraina haingana aza izy ireny. Ny be taona no tena tokony hihinana sakafo be vitaminina D sy kalsioma, satria samy manamafy taolana ireo na, fara faharatsiny, mampiadana ny fahosany. Miezaha àry mihinana voamaina, sakafo tsy matavy be, ary voankazo sy legioma. Miresaha aloha amin’ny dokoteranao vao manova ny fahazaranao misakafo. Mety hanoro hevitra anao izy hoe inona no tokony hohaninao na tsy hohaninao noho ny toe-pahasalamanao.
Misotroa rano foana. Maro ny be taona tsy ampy rano, indrindra fa ireo mipetra-drery na ireo any amin’ny trano fitaizana ny be antitra. Raha tsy ampy rano anefa ianao, dia ho mora mianjera, ho be fanadinoana, hitohana, hihenjana ny hoditra, ho mora maratra, ary mety ho faty mihitsy.
Trano tsy mampidi-doza
Ao an-trano matetika no tena mora mampianjera. Tsy hateti-pitranga anefa izany raha mitandrina ianao. Eritrereto ny ao an-tranonao, eo am-pamakiana an’ireto:
Efitra fidiovana:
● Tokony tsy halama ao rehefa mando fa ho azo ijoroana tsara.
● Tokony tsy halama koa izay hitsahina rehefa mandro. Raha mampiasa seza ianao rehefa mandro, dia tsy tokony ho lavitra ny raobine izany. Mety hanampy koa ny fampiasana fantsona misy lohany miendrika telefaonina, mba ho afaka hipetraka foana ianao rehefa mandro.
● Tsara raha misy fitazonana azonao ianteherana, rehefa miditra na mivoaka ny faritra fandroana ianao, na rehefa hampiasa kabine. Tokony ho mafy sy mipetaka tsara ireny fitazonana ireny. Tokony ho avo tsara koa ny fipetrahana ao an-kabine, mba tsy hila hiezaka be ianao rehefa hipetraka na hitsangana.
● Avelao hirehitra foana ny jiro, na mampiasà jiro fanao am-paosy.
Tohatra:
● Tokony hazava tsara izy io ary tsy ho be korontana na ho simba.
● Tokony hisy fitazonana mafy tsara ny andaniny roa amin’ny tohatra, raha mety. Tsy tokony halama koa izy io, ary tokony hisy fanapihana jiro, eny ambany sy eny ambony.
● Hatanjaka foana ny tongotry ny be taona raha miaka-midina amin’ny tohatra izy. Aza manao an’izany irery anefa raha mora fanina.
Efitra fatoriana:
● Ataovy malalaka sy azonao andehanana ny manodidina ny fandriana sy ny fanaka hafa.
● Asio seza azonao ipetrahana rehefa misolo akanjo.
● Tokony hanana jiro kely mora raisina ianao rehefa matory.
Lakozia:
● Tsy tokony ho feno korontana ny latabatra ao an-dakozia, mba ho mora ametrahana sakafo sy zavatra hafa avy novidina.
● Tokony tsy halama na hitaratra be ny gorodona na karô ao amin’ny lakozia.
● Tsy tokony ho avo na iva loatra ny lalimoara, mba ho mora raisina ny entana. Aza mianika amin’ny tohatra na seza bory, ary aza mianika amin’ny seza mihitsy!
Amin’ny ankapobeny:
● Tokony hisy jiro manazava ny lalana mankany amin’ny efitra fidiovana sy izay toerana mety halehanao amin’ny alina.
● Tsara ny mampiasa tehina rehefa hitsangana amin’ny alina, raha mbola tsy mifoha tsara.
● Tokony tsy hihetsiketsika ny sezanao (tsy misy kodiarana) ary hisy fitoeran-tanana. Tokony ho antonony ny haavony mba tsy ho sahirana ianao rehefa hipetraka sy hitsangana.
● Amboary, soloy, na esory izay zavatra mety hamingana, toy ny karô vaky na gorodona simba. Ataovy manaraka rindrina ny tariby
mitondra herinaratra fa aza atao eny amin’ny lalana fandehanana.● Tokony hesorina izay famafana tongotra mety hamingana. Tokony haraikitra tsara kosa izany raha eny amin’ny toerana malama, toy ny karô na gorodona.
● Aza manao kapa mitsoatsoaka, efa simba, tsy misy aoriana, na kapa malama faladia. Aza manao kiraro na kapa avo.
● Misy fanafody mahafanina na mahatorana olona sasany. Resaho ny dokoteranao raha mitranga aminao izany. Mety hovany ny fatran’ilay fanafody na hosoloany mihitsy.
Misy zavatra mbola tokony hokarakaraina ve nefa tsy vitanao irery? Nahoana raha mitady fanampiana amin’ny havana na namana, na ireo olona miandraikitra ny fikojakojana trano? Aza mangataka andro.
Izay azon’ny hafa atao
Manana ray aman-dreny na namana be taona, na raibe sy renibe ve ianao? Inona no azonao atao mba hiarovana azy ireo tsy hianjera? Azonao atao ny miara-mandinika aminy an’ireo soso-kevitra voatanisa etsy ambony sy manampy azy hanaraka an’izany. Mahaiza miresaka rehefa manao izany. Mety ho azonao atao ny mikarakara sakafo mahasalama ho azy ireo, indray mandeha na indroa isan-kerinandro. Mila manao fanatanjahan-tena tsy tapaka koa ny be taona. Azonao entina mandeha an-tongotra miaraka aminao ve izy rehefa misy dia alehanao? Maro ny be taona tia mivoaka ny trano, raha olona itokisany no miaraka aminy. Manampy ny be taona ny fanjakana, any amin’ny tany sasany, ka manome trano fitaizana ny be antitra, mitsabo sy mikarakara azy, ary mikojakoja ny tranony mba tsy hampidi-doza. Afaka manampy anao hahalala bebe kokoa momba an’izany ny dokoteranao.
“Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be” no iantsoana ny Mpamorona antsika. (Daniela 7:9) Asainy hajaintsika ny be taona, indrindra fa ny ray aman-drenintsika. Hoy izy: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Eksodosy 20:12) Nandidy koa izy hoe: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo ianao, ary asio fiheverana ny zokiolona, ka matahora an’Andriamanitrao.” (Levitikosy 19:32) Tena matahotra an’Andriamanitra isika raha manaja ny be taona. Ho be fitiavana sy haneho fiheverana koa isika raha tena ankasitrahan’ireo be taona ny fanampiantsika. Ny adidy ho vita ary ny fahafinaretana ho azo!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Resahin’ny Mifohaza! 8 Jona 2005 amin’ny an-tsipiriany ny soa azo avy amin’ny fanatanjahan-tena.
[Efajoro/Sary, pejy 15]
FITAOVANA ELEKTRONIKA MANAMPY REHEFA MISY LOZA
Afaka mahazo fitaovana elektronika kely ny be taona, any amin’ny tany sasany. Misy bokotra azo tsindriana eo amin’ilay izy, raha sendra misy loza, ohatra hoe mianjera izy ka tsy tafatsangana. Azo iambozonana izy io na atao eo amin’ny hatotanana. Afaka mandray soa avy amin’io fitaovana io ianao, raha misy azy io any aminareo, indrindra raha mipetra-drery ianao.