“Naka Taratasy Fotsiny Aho”
“Naka Taratasy Fotsiny Aho”
HOY i Andre, lehilahy fotsy hoditra teraka tao Afrika Atsimo ary mipetraka any Namibia: “Tsy hohadinoiko mihitsy ilay indray alatsinainy maraina tao amin’ny paositra. Feno olona tao, ary nahita sakaosy iray nipetrapetraka aho. Nangataka ny taratasiko aho ary lasa. Nandre feo nipoaka be aho raha vao nandeha telo minitra tamin’ny fiarako. Hay nisy baomba nipoaka teo akaikin’ilay toerana nijoroako.”
Hoy ihany i Andre: “Naka taratasy fotsiny aho. Nalahelo be anefa aho rehefa nieritreritra hoe olona maro tsy manan-tsiny no maty, ary olom-pantatro ny ankamaroany. Mbola mihoron-koditra aho mieritreritra an’ilay izy, nefa efa 25 taona lasa izay. Mitamberina ao an-tsaiko indraindray ireo olona maro maty sy naratra mafy ary takatro hoe efa saika maty koa aho.”
Olana maneran-tany
Mbola tsy niainanao angamba izany nefa mety ho efa henonao hoe mitranga matetika ny toy izany, eran-tany. Mihabetsaka ny olona mampiasa herisetra mba hanatratrarana ny tanjony. Izany no antsoina hoe asa fampihorohoroana.—Jereo ilay efajoro hoe “Iza Ireo Mpampihorohoro?”, ao ambadika.
Nilaza ny mpanao gazety nikaroka momba ny asa fampihorohoroana tanterahin’ny olona vonona hamoy ny ainy fa “firenena efatra monja no nahitana foana” an’izany, tamin’ny 1997. Nilaza anefa izy tamin’ny 2008 fa “firenena telopolo mahery any amin’ny kontinanta rehetra, ankoatra an’i Aostralia sy ny any amin’ny Tendrontany Atsimo, no efa rava”
vokatr’io karazana asa fampihorohoroana io. Nilaza izy teo am-pamaranana fa “mihabetsaka ny fikambanana [manao asa fampihorohoroana], ka mihabetsaka ny maty vokatr’izany isan-taona.”—Maritiora Eran-tany (anglisy).Diniho ilay fanafihana voaresaka terỳ aloha. Mihevi-tena ho mpiady ho an’ny fahafahana ilay antokon’olona nanapoaka an’ilay paositra. Nitady fahaleovan-tena avy tamin’ilay fitondrana nifehy ny taniny izy ireo. Nahoana izy ireo no manao zavatra mampihoron-koditra toy izany, mba hanatratrarana ny tanjony? Diniho ny fiainan’i Hafeni.
Teraka tany Zambia i Hafeni ary notezaina teny amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana teny amin’ny firenena manodidina. Hoy izy: “Romotra aho nahita ny herisetra sy ny tsy rariny nampiharina tamin’ny fianakaviako sy ny olon-kafa.” Lasa anisan’ilay antoko mpitolona nisy ny ray aman-dreniny àry izy.
Hoy ihany i Hafeni rehefa mamisavisa ny lasa: “Ny fiainako tamin’izaho mpitsoa-ponenana no mampalahelo ahy indrindra. Nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny sy ny iray tam-po aminy ny ankizy. Lasa niady ireo efa lehibebe, ary maro no tsy tafaverina intsony. Tsy mbola hitako mihitsy ny raiko, na tamin’ny sary aza. Fantatro fotsiny hoe maty an’ady izy. Mampalahelo ahy izany hatramin’izao.”
Zavatra maro àry no tafiditra amin’ilay izy. Raha azonao tsara izany, dia ho takatrao hoe inona no ilaina mba hahafoana an’io karazana herisetra io.
[Efajoro/Sary, pejy 4]
IZA IREO MPAMPIHOROHORO?
Hoy i Mark Juergensmeyer, mpikaroka: “Rehefa misy asa feno herisetra, dia miankina amin’ny fiheveran’ny olona ny maha ara-drariny an’ilay izy no hamaritany raha ‘fampihorohoroana’ ilay izy na tsia. Miankina amin’ny fahitany ny manodidina izany. Fampihorohoroana no hilazany azy, raha heveriny hoe milamina ny tany. Ara-drariny kosa no ho fahitany azy, raha heveriny hoe misy ady.”
Matetika àry no misy ifandraisany amin’ny toe-draharaha ara-politika ny fampiasana an’ilay teny hoe “fampihorohoroana.” Mpitolona maro no mihevitra ny tenany ho mpiady ho an’ny fahafahana fa tsy mpampihorohoro. Izao no amaritan’ny mpanoratra iray ny hoe fampihorohoroana: 1) Asa nokendrena hamelezana ny sivily, sy 2) fampiasana herisetra mba hanatratrarana tanjona, dia ny hampitahorana ny olona. Matetika àry ireo mpitolona no mampiasa paikady feno fampihorohoroana, na anisan’ny antoko mpanohitra izy ireo na sivily.