Fikarakarana Marary efa ho Faty
Fikarakarana Marary efa ho Faty
“Tsy afa-niala teo am-pandriana intsony i Neny. Efa 94 taona izy ary voan’ny aretin’i Alzheimer sady narary fo. Tsy nety nisakafo izy ary hoatran’ny hoe tsy nety nifoha. Nilaza ny tao amin’ny hopitaly fa toy ny matory izy ary tsy mahabaiko ny vatany manontolo. Tiako hokarakaraina tany an-trano izy nefa nila fanampiana aho.”—Jeanne.
MAFY ny manjo ny marary efa ho faty, ary mafy amin’ny fianakaviany koa izany. Sarotra amin’ny havany ny manapa-kevitra hoe tsy maintsy hohazonina ve ny ain’ilay marary na dia hijalijaly aza izy, sa tokony hatao izay hahatsara ny fiainany amin’ny fotoana sisa hiainany.
Maro no mitady fanampiana amin’ireo fikambanana mpikarakara marary. Manome izay ilain’ilay marary eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po, ara-panahy, ara-tsosialy, ary ara-bola ny fikambanana toy izany. Ny hanamaivana ny fahorian’ny marary efa ho faty no tanjony. Antsasany eo ho eo amin’ny firenena eran-tany no ahitana an’ireny fikambanana ireny, na dia voafetra ihany aza ny vitan’ny sasany aminy. Efa manana na vao miezaka hanorina azy ireny, ohatra, ny ankamaroan’ny firenena atỳ Afrika, satria mihabetsaka ny voan’ny VIH/SIDA na kansera.
Inona no tanjony?
Mety hisy marary hihevitra hoe efa andrasana ho faty izy sisa, raha asaina karakarain’ireny fikambanana ireny. Ny fianakaviany koa mety hihevitra fa tsy mety ny hametrahana azy any satria toy ny hoe miandry izay hahafatesany fotsiny. Tsy izany anefa no tanjon’ireny fikambanana ireny fa ny hampihena ny fanaintainan’ilay marary sy hanampy azy hankafy fiainana, ela araka izay azo atao, miaraka amin’ny havan-tiany. Hanampy ny fianakaviana koa izy ireny, mba hahafahany hampionona sy hampahery an’ilay marary, ela araka izay ilaina.
Tsy manasitrana aretina mahafaty ny fikambanana mikarakara marary nefa afaka mitsabo aretina, toy ny pnemonia na ny aretin’ny tatavia. Ho afaka hanaraka fitsaboana mahazatra ilay marary raha misy ny fiovana, ohatra hoe mihasitrana izy.
Ny tombon’ny fikarakarana ao an-trano
Any amin’ny trano manokana ihany no ahitana fikarakarana toy izany, any amin’ny tany sasany. Azo karakaraina any an-tranony anefa ny marary, any an-tany hafa. Afaka miaraka amin’ny fianakaviany izy amin’izay.
Mifanaraka amin’ny kolontsaina any amin’ny tany maro koa izany. Ny havana, ohatra, no tokony hikarakara ny marary sy ny be taona, any Ogandà.Matetika dia dokotera iray, mpitsabo mpanampy sy ny mpanampy azy, ary olona iray mpanao asa sosialy no mivezivezy any an-tranon’ilay marary. Azon’izy ireo atoro an’izay mikarakara an’ilay marary hoe ahoana no atao mba hahazo aina foana ilay marary, sy hoe inona no mety hitranga rehefa ho faty izy. Tanterahiny koa ny fanirian’ilay marary sy ny fianakaviany. Tsy hanao fitsirihana tsy ilaina, ohatra, ireo mpitsabo na hampiasa fantsona fampidiran-tsakafo, rehefa tsy mahalevon-kanina intsony ilay marary, raha toa ka izany no irin’ny fianakaviana.
Karakarain’i Dolores sy Jean ao an-trano ny rainy 96 taona. Mahafaly azy ireo ny fanampiana azony, satria mihaosa ny rainy. Hoy i Dolores: “Misy olona tonga indimy isan-kerinandro mba hanampy anay hampandro an’i Dada. Manolo ny lambam-pandriana koa izy ary manamboamboatra ny paozin’i Dada, raha tianay. Misy mpitsabo mpanampy tonga isan-kerinandro mba hanara-maso ny fahasalaman’i Dada sy hitondra ny fanafodiny. Mitsidika isaky ny telo herinandro eo ho eo kosa ny dokotera. Azonay antsoina foana izy ireo rehefa ilaina.”
Azo antsoina foana ireo mpikarakara marary ampy traikefa. Arahiny maso ny fiasan’ny fanafody ary ataony azo antoka fa tsy manaintaina ilay marary ary mahatsiaro saina. Afaka mampiditra oksizenina amin’ilay marary koa izy ireo. Noho ny fanampian’izy ireo dia lasa matoky tena ilay marary sy ireo mikarakara azy ka tsy hatahotra an’izay fanaintainana na fambara mety hiseho, rehefa hanary aina ilay marary.
Tsara fanahy
Fantatr’ireo anisan’ny fikambanana mpikarakara marary fa ilaina foana ny manaja ny marary. Hoy i Martha, izay efa niasa 20 taona mahery tao amin’ireny fikambanana ireny:
“Lasa nahalala an’ireo marary aho. Fantatro ny zavatra tiany sy tsy tiany, ary niezaka nampifalifaly azy ireo aho nandritra ny andro kely sisa niainany. Lasa niraiki-po be tamin’ny sasany taminy aho. Marina fa nisy nahery setra ireo voan’ny aretin’i Alzheimer na ny aretin-tsaina hafa, ka nitady hikapoka na hanaikitra na handaka ahy mihitsy aza. Niezaka foana anefa aho nitadidy fa tsy sitrapon’ilay olona ny hanao izany fa noho ilay aretiny.”Afa-po koa i Martha noho izy nanampy ny havan’ireo marary. Hoy izy: “Maivamaivana izy ireo nikarakara ny havan-tiany, satria nampiako. Nampahery azy ireo na dia ny nahalala fotsiny aza hoe nisy nanampy.”
Misy fikambanana mpikarakara marary, toy izay voaresaka tato, ve any aminareo? Mety hahazo fikarakarana tsara àry ianareo, nefa tsy voatery hankany amin’ny hopitaly na ny trano fitaizana ny be antitra. Faly i Jeanne, ilay voaresaka terỳ am-piandohana, satria fikambanana toy ireny no nofidiny hikarakara ny reniny. Hoy izy: “Afaka nijanona tao an-tranony foana i Neny, niaraka tamin’ny havany izay nikarakara sy nampahery azy ary nanatanjaka ny finoany. Nikarakara azy sy nanara-maso ny fanafody nilainy koa anefa ireo tao amin’ilay fikambanana. Samy za-draharaha sy tsara fanahy izy ireo. Sarobidy ny toroheviny sy ny fahaizany. Mino aho fa tena tian’i Neny koa ilay fikarakarana.”
[Teny notsongaina, pejy 17]
Azo antsoina foana ireo mpikarakara marary ampy traikefa
[Efajoro/Sary, pejy 16]
‘Afaka niaraka taminy foana izahay’
Voan’ny kanseran’ny nono ny renin’i Isabel, any Meksika, nandritra ny 16 taona, ary tsy azo notsaboina intsony izany avy eo. Hoy i Isabel: “Nanahy mafy izahay mianakavy hoe hijaly i Neny. Olona maro voan’ny kansera no mijaly be rehefa ho faty. Nivavaka izahay mba tsy hijaly toy izany i Neny. Nivaly ny vavakay satria nahita dokotera mahay manamaivana fanaintainana izahay tatỳ Meksika. Nitsidika anay isan-kerinandro izy sady nanome fanafody fampitonena. Tsotra sy mazava ny toromarika nomeny anay mahakasika ny fomba hampiasana an’ilay fanafody, sy ny fomba hikarakarana an’i Neny. Tsy dia nanahy izahay satria fantatray fa azo antsoina foana ilay dokotera, na andro na alina, ary azo antoka fa ho tonga izy. Fitahiana lehibe ny nahita an’i Neny tsy nanaintaina sady nilamin-tsaina tsara nandritra ny andro sisa niainany. Afaka nankafy ny sakafo kely azony nohanina mihitsy aza izy. Afaka niaraka taminy tato an-trano foana izahay, mandra-pahatapitry ny ainy.”
[Efajoro, pejy 17]
Alohan’ny Hialany Aina
Ataovy madio sy maina foana ny lambam-pandriana ary aza avela miforiporitra. Avadiho matetika izy mba tsy hahamasaka ny hodiny. Soloy matetika koa ny atin’akanjony na ny kilaotiny, raha efa mandeha ho azy ny malotony. Misy fanafody sy ranoka azo ampidirina eo amin’ny lava-pitombenana mba hampivoaka ny malotony. Tsy hampihena ny fijalian’ilay marary ny sakafo sy ny rano raha efa ho faty izy. Aza avela ho maina ny molony, fa mampiasà gilasy na lamba mando na menaka mahamandimandina molotra. Mampahery azy na dia ny famihinanao ny tanany aza. Tadidio koa fa henony foana izay lazainao, mandra-pialan’ny ainy.