Hodi-kazo Lasa Tsentsin-tavoahangy
Hodi-kazo Lasa Tsentsin-tavoahangy
Fantatrao ve hoe misy hodi-kazo tena ilaina amin’ny maotera, na karazana baolina, na divay? Efa an’arivony taona izy io no nampiasain’ny mpanarato sy ny vehivavy manan-kaja, ary efa nampiasaina hatrany ambony tsy taka-maso any mihitsy aza. Ny tena mahavariana dia hoe tsy voatery hokapaina akory ilay hazo!
TSY inona izany fa ny hoditry ny hazo oaka bosoa. Tsy toy ny hodi-kazo rehetra izy io, fa maivana sy mahatanty afo ary toy ny elastika.
Mamokatra hodi-kazo mafy foana io hazo io. Mety hahatratra hatramin’ny 25 santimetatra ny hatevin’ny hodiny raha tsy esorina. Tena ilain’ilay hazo izany mba hiaro azy amin’ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny doro tanety. Mamokatra hoditra indray ilay hazo rehefa esorina ny hodiny, ka azo alaina izany rehefa afaka folo taona eo ho eo.
Avy any Portogaly ny 55 isan-jato eo ho eo amin’ny bosoa vokarina eran-tany, avy any Espaina ny 30 isan-jato eo ho eo, ary avy any an-tany hafa (toa an’i Alzeria, Frantsa, Italia, Maroc, ary Tonizia) ny 15 isan-jato. *
Azo ampiasaina amin-javatra maro
Hitan’ny Romanina sy ny Grika fa mety tsara ny bosoa mba hampitsingevana ny harato sy hanaovana faladian-kapa. Toa nampiasa azy io hatao tsentsina siny koa izy ireo. Mihenjana foana ny bosoa na dia mahamay be aza, ka mety tsara hampiasaina ao amin’ny maotera mba hisakanana ny rano sy ny menaka tsy hifangaro na hitete. Ampiasaina hiarovana ny sambon-danitra sasany amin’ny hafanana koa izy io.
Betsaka koa no mampiasa ny taila vita amin’ilay hodi-kazo mba hampihaingoana rindrina sy gorodona, satria tian’ny olona ny paoziny ary mihazona hafanana izy. Hitan’ireo mpanamboatra fitaovana amin’ny fanatanjahan-tena koa fa mety tsara hanamboarana ny atin’ny baolina base-ball sy hanamboarana haranjono ilay hodi-kazo. Izy atao tsentsina tavoahangin-divay anefa no tena ahalalana azy.—Jereo ilay efajoro hoe “Tsentsin-tavoahangy Tena Mety.”
Miaro ny tontolo iainana
Hita avy amin’ireo alana oaka bosoa fa azo atao tsara ny mitrandraka ny natiora nefa tsy manimba azy. Manatsara ny endriky ny any ambanivohitra ireo hazo oaka bosoa efa antitra, manome alokaloka sy sakafo ho an’ny omby miraoka ahitra, sady mampangatsiatsiaka amin’ny fahavaratra.
Manao ny akaniny eo amin’ireo hazo oaka bosoa vaventy ny vorona sasany efa ho lany
tamingana, toy ny voromaherin’ny mpanjaka sy ny vaotoro mainty ary ny vanobe mainty. Ireny ala ireny koa sisa no mba fialokalofan’ny sakadia iberika, izay efa ho lany tamingana. Vao haingana ny World Wildlife Fund (WWF) no nilaza fa miantoka ny hoavin’io biby io ny firoboroboan’ny fambolena an’ilay hazo any Espaina sy Portogaly.Saintsaino àry izao rehefa hanala bosoa amin’ny tavoahangin-divay ianao, amin’ny manaraka: Akora voajanahary no nakana azy, tsy manimba ny tontolo iainana izy rehefa mihalevona, ary nisy solony rehefa nesorina tamin’ny hazo. Miaro ny tontolo iainana mihitsy aza ny fampiasana azy. Aiza indray isika no hahita hazo hoatr’izany?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Maniry any an-toeran-kafa koa ny hazo oaka bosoa. Avy any amin’ny faritr’i Mediterane anefa ny ankamaroan’ny vokatra amidy. Maniry ho azy io hazo io any.
[Efajoro/Sary, pejy 20]
“Tsentsin-tavoahangy Tena Mety”
Manazava ny fampiasana bosoa atao tsentsin-tavoahangy i Miguel Elena, lehiben’ny fikambanana iray momba ny hazo, any Estrémadure, Espaina.
Mety tsara mba hatao tsentsin-tavoahangy tokoa ve ny bosoa?
Nahita bosoa nesorina tamin’ny tavoahangina divay niotrika 100 taona mahery aho, ary tsy simba mihitsy ilay divay. Ny bosoa no tsentsin-tavoahangy tena mety.
Tokony ho firy taona ilay hazo vao azo akana hatao tsentsin-tavoahangy?
Dimampolo taona, fara fahakeliny, ny hazo oaka bosoa vao hahazoana tsentsin-tavoahangy tsara karazana. Efa azo alaina anefa ny hodiny, raha vao 25 taona izy. Mazava ho azy fa vitsy no vonona hampiasa vola, raha 50 taona vao hahazo tombony. Izaho aloha tsy mahita orinasa mahandry ela be hoatr’izany e!
Firy taona ny hazo oaka bosoa vao maty?
Velona 200 taona eo ho eo ny hazo oaka bosoa ary misy velona ela kokoa noho izany. Alaina isaky ny sivy taona ny hodiny atỳ Estrémadure, Espaina.
Inona ny ezaka atao mba hitohy foana ny famokarana bosoa?
Ampirisihina hamboly hazo oaka bosoa ny olona, ka ny Vondrona Eoropeanina sy ny fanjakana no mpamatsy vola amin’izany. Zanaka hazo bosoa maro be àry no nambolena tato ho ato. Nohatsaraina koa ny fikarakarana an’ireo alam-bosoa.
Inona ny fandrosoana vita teo amin’ny famokarana bosoa, tato ho ato?
Nanao fikarohana be dia be izahay, tato anatin’ny 20 taona, mba hamantarana an’izay masomboly tena tsara. Miara-miasa akaiky amin’ireo firenena mpamokatra bosoa koa izahay mba hanatsarana ny vokatra. Namorona tsofa kely izahay mba ho voaendaka tsara kokoa ireo hodi-kazo. Famaky mantsy no nampiasaina hatramin’izay.
[Sary, pejy 19]
Misy hodi-kazo vaovao miforona isaky ny esorina ny teo aloha
[Sary, pejy 19]
Mitandrina tsara ny mpanendaka hodi-kazo
[Sary, pejy 19]
Ampifanaingenina ireo hodi-kazo, ary miandry ny dingana manaraka
[Sary, pejy 19]
Mbola atao tanana ny fanamboarana an’ireo bosoa ambony karazana
[Sary, pejy 18, 19]
Angonina ireo potipotiny ary akambana mba hanamboarana zavatra hafa