Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ilay Milina Mora Miana-javatra Indrindra”

“Ilay Milina Mora Miana-javatra Indrindra”

“Ilay Milina Mora Miana-javatra Indrindra”

NANTSOINA hoe “ilay milina mora miana-javatra indrindra” ny atidohan’ny zazakely, ary marina izany. Efa vonona hianatra avy amin’izay hitany sy reny ary tsapany ny zaza vao teraka.

Variana ny zazakely rehefa mijery ny endriky ny olon-kafa sy mihaino ny feony ary kasihiny. Hoy i Penelope Leach ao amin’ilay bokiny hoe Fahazazana (anglisy): “Maro ny fandinihana natao momba an’izay hitan’ny zaza ka mahaliana azy indrindra, sy izay reny ka mahavariana azy, ary izay tsapany ka tiany hiverina foana. Izay olon-dehibe mikarakara azy no manome azy an’ireo rehetra ireo matetika.” Tsy mahagaga raha tena mila ray aman-dreny ny zaza mba hitomboany.

“Niteny toy ny zaza”

Gaga ny ray aman-dreny sy ny dokoteran-jaza satria mihaino fotsiny ny zaza vao teraka dia efa mahay fiteny iray. Hitan’ny mpikaroka fa zatra ny feon-dreniny sahady ny zazakely, ao anatin’ny andro vitsivitsy, ary izany no tiany kokoa noho ny feon’ny olon-kafa. Hainy koa ny manavaka ny fitenin’ny ray aman-dreniny sy ny fiteny hafa, ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, ary vitany ny manavaka ny teny tsirairay ka fantany ny teny misy dikany sy ny feo tsy misy dikany, ao anatin’ny volana vitsivitsy.

Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza.” (1 Korintianina 13:11) Ahoana no fitenin’ny zaza? Matetika izy no mibadabada. Tsy hoe mitabataba fotsiny anefa izy amin’izany. Milaza ny Pr. Lise Eliot ao amin’ny boky iray momba ny fiasan’ny atidohan’ny zaza, fa rehefa miteny isika dia “mila miara-miasa haingana ireo hozatra mampihetsika ny molotra, ny lela, ny lanilany, ary ny lohatraoka.” Hoy koa izy: “Toy ny hoe te hojerena fotsiny ny zazakely rehefa mibadabada, nefa tena ilainy izany satria manazatra ny hozatra ilainy rehefa hiteny izy.”

Mamaly ny zanany mibadabada ny ray aman-dreny ka sady miteny no manao fihetsiketsehana be, ary misy mahatsara an’izany. Mandrisika an’ilay zaza hamaly izany, ka mampianatra azy hifampiresaka amin’ny hafa. Ilainy mandritra ny androm-piainany izany.

Miova ny andraikitry ny ray aman-dreny

Revo mikarakara an’izay ilain’ny zanany kely ny ray aman-dreny, isan’andro. Omena sakafo avy hatrany izy na soloana na trotroina, raha vao mitomany. Mety izany sady ilaina, satria ny ray aman-dreny no tena tokony ho mpikarakara ny zanany.—1 Tesalonianina 2:7.

Ara-dalàna àry raha mihevitra ny zazakely fa natao hanao ny sitrapony fotsiny ny olon-dehibe, indrindra fa ny ray aman-dreniny. Diso hevitra izy nefa tena rariny raha mieritreritra an’izany. Tadidio fa izany foana no niainany nandritra ny herintaona. Mihevitra ny tenany ho mpanjaka izy ary ny olon-dehibe no vahoaka natao hanompo azy. Hoy i John Rosemond, mpanoro hevitra ny fianakaviana: “Tsy ampy 2 taona akory ilay zaza dia mino an’izany zavatra mahafinaritra be izany, nefa mila 16 taona, fara fahakeliny, ny manitsy an’izany. Hafahafa ilay izy nefa izay mihitsy no asan’ny ray aman-dreny, raha ny marina. Ataony mieritreritra zavatra tsara be ny zanany nefa tapahiny moramora ilay nofin-janany avy eo.”

Tapaka tokoa ilay nofy, rehefa roa taona eo ho eo ilay zaza. Tsy mpikarakara intsony ny ray aman-dreniny fa lasa mpampianatra. Lasa takatr’ilay zaza fa tsy hanaiky hotarihiny ny ray aman-dreniny, fa izy no tokony hanaraka azy ireo. Niongana ny fitondrany ary mety tsy hanaiky an’ilay fitondrana vaovao izy. Tezitra izy ary miezaka hiaro ny sezany. Ahoana no hanaovany izany?

Mila vaniny

Miova be ny toetran’ny ankizy maro rehefa roa taona eo ho eo izy. Mety ho lasa be dongy sy mila vaniny izy. Tena manahirana ny ray aman-dreny izany. Tampoka teo ilay zaza dia lasa tia miteny hoe: “An an an!” na hoe “Izaho tsy tia!” Mety ho lasa kizikizitina amin’ny tenany sy ny ray aman-dreniny izy, satria te hanalavitra azy ireo nefa tsy mahasaraka koa. Very hevitra ireo ray aman-dreny ary tsy hitany intsony izay hatao. Fa maninona ilay zaza?

Eritrereto ny fiovana teo amin’ny fiainan’ilay zaza. Hatramin’izay, raha vao mifendrofendro fotsiny izy dia tonga ny olon-dehibe. Manomboka tonga saina anefa izy hoe vetivety ihany no “nanjaka”, ary mba mila manao zavatra izy, fara faharatsiny, ho an’ny tenany. Takany tsikelikely fa mila manaiky izy, araka ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo.”—Kolosianina 3:20.

Tsy tokony hanaiky hofehezin’ny zanany mihitsy ny ray aman-dreny, amin’io fotoana io. Hanaiky ny toerany vaovao ihany ny zanany raha hentitra sy be fitiavana ny ray aman-dreny. Hanampy an’ilay zaza izany rehefa mihalehibe izy.

Mianatra manavaka ny tsara sy ny ratsy

Vitan’ny biby ny mamantatra teny sy mamerina an’izany. Mahay an’izany koa na ny milina sasany aza. Ny olombelona ihany anefa no afaka mandini-tena. Izany no mahatonga ny zaza roa na telo taona eo ho eo hirehareha na hahatsapa ho nanao diso na menatra. Manomboka mihalehibe izy amin’izay, ka ho lasa olon-dehibe manao izay heveriny fa mety foana, na dia manao zavatra tsy mety aza ny hafa.

Misy zavatra mahafinaritra ny ray aman-dreny koa amin’io fotoana io. Lasa mahatsapa an’izay tsapan’ny hafa ilay zanany. Nilalao teny akaikin’ny olon-kafa fotsiny izy tamin’izy roa taona. Mety hiaraka hilalao amin’ny hafa kosa izy izao. Fantany koa rehefa falifaly ny ray aman-dreniny ary te hampifaly azy ireo izy. Mety ho mora atoro kokoa àry izy.

Rehefa telo taona ny zaza no tena mianatra manavaka ny tsara sy ratsy sy ny mety sy tsy mety. Amin’izay indrindra àry ny ray aman-dreny no tena mila mampiofana ny zanany ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Zatra ny feon-dreniny sahady ny zazakely, ao anatin’ny andro vitsivitsy, ary izany no tiany kokoa noho ny feon’ny olon-kafa

[Teny notsongaina, pejy 6]

Rehefa telo taona ny zaza no tena mianatra manavaka ny tsara sy ratsy sy ny mety sy tsy mety

[Efajoro, pejy 6]

INONA NO METY HAHATONGA AN’ILAY ZAZA HILA VANINY FOANA?

Hoy i John Rosemond ao amin’ny boky iray: “Mihevitra ny ray aman-dreny sasany fa mila vaniny ny zanany satria nisy tsy nety ny nataon’izy ireo rehefa nisy zavatra nangatahin-janany. Mihevitra izy ireo fa mila manao zavatra haingana raha nahatonga an’ilay zaza hila vaniny. Lasa manaiky an’izay tadiavin’ilay zanany àry izy ireo na dia nanda aza, na lasa manamelo-tena ka manome mihoatra an’izay notadiavin’ilay zaza tamin’ny voalohany, na dia efa nikapoka azy aza. Toa mahomby erỳ izany, satria tsy mila vaniny intsony ilay zaza ary maivamaivana ny ray aman-dreny. Hitan’ilay zaza fa hahazo izay tadiaviny izy raha vao mila vaniny, ka vao mainka izany ataony foana.”