Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampitsikitsiky Olona ny Tingatinga

Mampitsikitsiky Olona ny Tingatinga

Mampitsikitsiky Olona ny Tingatinga

HOY i Daniel Augusta, lehiben’ny Fikambanan’ny Mpanao Zava-kanto Tingatinga: “Mahatonga antsika hahita ny tontolo manodidina antsika, toy ny fahitan’ny ankizikely azy, ny Tingatinga, satria mampihomehy sy mahafinaritra ary maro loko.” Mampiseho ny fiainana any ambanivohitr’i Afrika sy ny fomba amam-panao any izy io, indrindra fa ny any Tanzania, toerana niandohan’ilay zava-kanto.

I Edward Tingatinga, teraka tamin’ny 1932, no niandohan’io karazana hoso-doko io ka lasa nampitondraina ny anarany izany. Nihalehibe tany ambanivohitra, tany amin’ny faritra atsimon’i Tanzania, i Edward ary hita fa tsy nohadinoiny mihitsy ny zavatra hitany sy ny bibidia tany. Niala tao an-trano izy tamin’izy 25 taona teo ho eo ary nitady asa mba hananana fiainana tsara kokoa. Nifindra tao Dar es-Salaam renivohitr’i Tanzania izy, tatỳ aoriana, ary lasa mpanao zaridaina. Nahay nihira sy nandihy izy ka afaka nampiseho ny talentany isan-kariva. Lasa mpanao fampisehoana malaza mihitsy aza izy.

Niova be ny fiainan’i Edward tamin’ny 1968. Lasa niasa tao amin’ny hopitalim-panjakana tao Muhimbili, ao Dar es-Salaam, izy. Nanam-potoana izy tany ka afaka nanao sary araka izay nahaizany azy. Nataony hoso-doko àry ny zavatra niainany tamin’izy mbola kely. Nanomboka teo ny tantaran’ny Tingatinga. Tsy mba afaka nividy fitaovana manokana fanaovana hoso-doko i Edward, toy ny borosy fandokoana, ny loko, na ny vovo-doko. Izay fitaovana azo novidina teny amin’ny fivarotana tsotra àry no nampiasainy. Hazo malamalama sy mangirana, ohatra, no nanaovany ny hoso-dokony ary verinia fandokoana no nampiasainy, ka nangirana erỳ ny hoso-dokony.

Tsotra ny fomba fanaovan’i Edward sary hoso-doko. Loko iray na roa aloha no ampiasainy, ary avy eo asiany sary marevaka sy mampihomehy, mampiseho biby afrikanina. Tsy nanampy sarin-javatra hafa izy.

Navelan’i Edward nijery azy nanao hoso-doko ny havany sy ny namany vitsivitsy. Tsy ela dia lasa “mpianany” ny maro taminy ary nihanalaza ny fomba fanaovany hoso-doko.

Tamin’ny voalohany, dia notsorina ireo hoso-doko Tingatinga, natao marevaka, ary natao miavaka kokoa ny sisin’ny sarim-biby. Nivoatra anefa izany ka lasa be tsipiriany kokoa sy nahitana sarin-javatra samihafa. Lasa nofenoina sarina olona sy biby ary zavatra hafa izy ireny.

Ny aingam-panahin’ny mpanakanto

Mahita hevitra foana ireo mpanao hoso-doko Tingatinga, noho ireo biby sy zavamaniry isan-karazany any Afrika, indrindra fa ireo miloko marevaka. Anisan’izany ny antilopa, elefanta, gidro, hipopotama, liona, ombidia, zebra, zirafy. Eo koa ny trondro sy ny vorona ary ny biby hafa, mbamin’ny voninkazo sy ny hazo. I Kilimandjaro matetika no ataon’ny olona sary eo andamosina. Io tendrombohitra any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Tanzania io no avo indrindra any Afrika.

Mampiseho ny mponin’i Afrika sy ny kolontsainy koa ny Tingatinga maoderina. Mety ho zava-miseho eny an-tsena na ao amin’ny hopitaly na ao an-tanàna no atao sary.

Nahafahan’ny mpanakanto afrikanina naneho ny heviny foana ny hoso-doko Tingatinga sady nampidi-bola ho azy ireo. Nanangana fikambanana tao Dar es-Salaam mihitsy izy ireo. Misy aza mbola mampiasa verinia toy ny taloha. Ahoana re hoy i Edward Tingatinga raha mbola velona teo izy e? Efa maty tamin’ny 1972 izy nefa azo antoka fa ho nitsiky be raha fantany hoe lasa nalaza be ny hoso-doko noforoniny.