Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Tena Hampahafinaritra ny Fety?

Ahoana no Tena Hampahafinaritra ny Fety?

Asio ✔ eo amin’izay zavatra tena tianao hatao rehefa misy fety.

  • hisakafo

  • handihy

  • hilalao

  • hitady namana vaovao

  • hihaona amin’ny namana

  • hafa ․․․․․

TIA miaraka ny ankamaroan’ny tanora, ary tsy misy maha ratsy an’izany. Miresaka zavatra tsara momba izany mihitsy aza ny Baiboly.

Asa raha fantatrao fa...

Mahafinaritra tokoa ny miaraka amin’ny namana. Mampalahelo anefa fa tsy mahasoa ny fiaraha-mikorana sasany.

TENA NISY “Voasa tamin’ny fety iray aho, ary afaka nandeha tany daholo ny rehetra. Tao an-tranon’ny ankizilahy iray ilay izy ary tsy tao ny ray aman-dreniny. Soa ihany aho fa tsy nandeha. Reko ny ampitson’iny hoe feno toaka tany ary mamo be ny olona sasany. Matin’ny toaka aza ny ankizilahy telo. Nisy niady koa tao ka tsy maintsy nofaranan’ny polisy ilay fety.”—Janelle.

LESONA Eritrereto mialoha izay hataonao. Valio ireo fanontaniana ao amin’ireo pejy manaraka, na hanasa olona ianao na hasaina. Amin’izay dia ho azo inoana kokoa hoe zavatra tsara no hotsaroanao amin’ilay fety fa tsy ratsy.

FETY NAHAFINARITRA

“Rehefa manao fety ny namako, dia fantatry ny mamany daholo izay misy an’ireo nasaina. Nanontaniany mihitsy aza aho rehefa nandeha naka akanjo mafana tany anaty fiara. Tafahoatra ve ny azy? Angamba. Tsy tezitra anefa aho satria hitako hoe aleo misoroka toy izay mitsabo.”—Kim.

“Betsaka ny fety mahafinaritra nalehako, ary fantatro ny nahatsara azy. Nisy ankizy sy olon-dehibe tany, sady efa nisy zavatra tsara nomanin’ny tompom-panasana ka tsy nisy nipetra-potsiny na nanao zavatra mitokana.”—Andrea.