Ilay Voninkazo Lehibe Indrindra
Ilay Voninkazo Lehibe Indrindra
NIKAROKA zavamaniry vaovao tany amin’ny Nosy Sumatra any Indonezia i Joseph Arnold, teratany anglisy sady manam-pahaizana momba ny zavamaniry. Hoy ilay mpitarika azy taminy: “Avia ange ianao Ramose e! Atỳ misy voninkazo mahagaga! Ngezabe ilay izy sady tsara tarehy be!” Nanaraka azy i Arnold ary nilaza fa “tena mahagaga tokoa” ilay zavamaniry. Mbola io karazana voninkazo hitany tamin’ny 1818 io no voninkazo lehibe indrindra, hatramin’izao. Rafflesia no anarany.
Tena maro karazana io voninkazo io ary any anaty ala any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Azia ihany no ahitana azy. Mbola misy karazany vaovao hita anefa hatramin’izao. Ny ngeza indrindra dia ny rafflesia arnoldii, izay avy amin’ny anaran’i Joseph Arnold sy ilay namany atao hoe Thomas Raffles, izay nanorina an’i Singapour sady governora tany. Tsy azo atao fehezam-boninkazo anefa izy io, na dia tsara toy inona aza. Nahoana?
Diniho aloha ny habeny. Mety hahatratra iray metatra ny savaivony, izany hoe toy ny kodiarana bisy, ary mety hahatratra 11 kilao ny lanjany. * Dimy ny felany ary matevina sy miloko volontsôkôlà manopy mavokely. Ahitana pentimpentina fotsifotsy mivohibohitra eny amin’izy ireo. Misy toy ny vilany be eo afovoan’ireo felany ary mahazaka rano hatramin’ny enina litatra izy io.
Eritrereto koa ny fofony. Milaza ny boky iray fa toy ny fofona “fatin’omby efa lo” izany. * Ny lalitra mpihinana fatim-biby no tena mpamindra ny vovobonin’izy io satria tiany loatra ilay fofona.
Mety tsara ny iantsoana azy hoe voninkazo faty sy hoe lisy maimbo faty.Tsy misy tahony sy raviny ary fakany io voninkazo io, fa maniry eny amin’ny tahon’ny zavamaniry mandady amin’ny tany any anaty ala. Afaka folo volana ny tsimoka iray mipoitra avy eo amin’ny hoditr’ilay zavamaniry aniriany, vao mitovy habe amin’ny laisoa lehibe. Mbola afaka ora maromaro indray vao vaky felana ilay bokony. Misy zavatra matsilotsilo ao anatin’ilay toy ny vilany be, eo afovoan’ireo felana. Tsy dia fantatra loatra ny asan’ireo zavatra matsilotsilo ireo. Mihevitra anefa ny mpikaroka sasany fa manaparitaka hafanana izy ireo, ka mahatonga an’ilay fofona hahery kokoa.
Vetivety dia malazo ilay voninkazo. Maty ilay izy rehefa afaka andro vitsivitsy ary lo, ka vongan-javatra mandomando maintimainty sisa tavela.
Tsy fahita firy ny rafflesia arnoldii ary efa mihalany tamingana. Tsy maintsy mifanakaiky mantsy ny voninkazo misy lahimbony sy vavimbony vao afaka mifindra ny vovoboniny. Mbola kely anefa ny bokony dia efa misy maka. Ataon’ny olona fanafody mantsy izy ireny na ataony sakafo. Vitsy kely amin’izy io àry sisa no maniry any an’ala. Mitohy foana koa ny fanimbana an’ilay ala aniriany.
Anisan’ny zavatra miavaka eo amin’ny fiainana izany hoe mahita rafflesia izany. Mahavariana ny habeny. Ela vao ho hadinonao ny fofony. Manaitra koa ny lokony sy ny bikany. Iray monja amin’ireo asa mahatalanjona maro be nataon’ilay Mpamorona io voninkazo lehibe indrindra io. Hoy ny Salamo 104:24: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Misy karazany sasany, mirefy folo santimetatra monja ny savaivon’ny felany.
^ Antsoina hoe voninkazo faty koa ny araoma goavam-be ary matetika no afangaron’ny olona sasany amin’ny rafflesia.—Jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 2000, pejy 31.
[Sarintany, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
MALEZIA
SUMATRA
[Sary, pejy 17]
Bokony efa ho vaky felana