Mpanamboatra Milina Tena Nahay
MILINA azo baikoina izao no manao ny ankamaroan’ny asan’ny orinasa. Oviana no nisy azy ireny voalohany? Vao taonjato vitsivitsy lasa ve, izany hoe tamin’ny fotoan’ny fandrosoana tany Eoropa? Tsia. Efa ela be talohan’izay.
Teo anelanelan’ny taonjato faha-8 sy faha-13 tany ho any, dia niroborobo be ny siansa tao amin’ny Fanjakana Silamo, izany hoe tany Espaina ka hatrany Afghanistan, ary anisan’izany i Afrika Avaratra sy ny tany arabo. Nadikan’ny manam-pahaizana silamo ho amin’ny teny arabo ny asa soratra momba ny siansa sy filozofia nosoratan’ireo manam-pahaizana grika toa an-dry Archimède, Aristote, Ctésibios, Héron avy any Aleksandria, ary Philon avy any Byzance. * Tamin’ny taonjato fahasivy tany ho any no natao ilay fandikan-teny, ka voatahiry ny asa soratr’ireo manam-pahaizana fahiny. Ireny asa soratra ireny sy ny asa soratra hafa no nahafahan’ny Silamo nanamboatra milina azo baikoina.
Nilaza i Donald Hill, mpahay tantara, fa vitan’ireny milina ireny ny “miasa mandritra ny ora na andro maromaro, ary na maherin’izany aza, nefa tsy mila kitihina foana.” Nahoana? Efa nahita teknika mahatonga ny milina handeha ho azy ny injeniera tamin’izany. Misy fitoeran-drano natao somary avo toerana, mamatsy angovo an’ilay milina. Afaka mihidy sy misokatra ho azy ny paompy mandefa an’ilay rano avy ao amin’izy io. Miova ho azy koa ny fikorianan’ilay rano. Tsy atahorana hampidi-doza ilay milina ary efa voabaiko hijanona na handeha ho azy ny rano. Andeha isika hijery ohatra vitsivitsy.
Telo Lahy Marani-tsaina
Nipetraka tany Bagdad ny zanak’i Musa telo mirahalahy, tamin’ny taonjato fahasivy. Nahavita nanamboatra fitaovana 100 mahery izy ireo, rehefa nandalina ny asa soratr’ireo manam-pahaizana grika fahiny, toa an-dry Philon sy Héron ary ny injeniera sinoa sy karàna ary persianina. Milaza i Ehsan Masood, mpanoratra, fa anisan’ny zava-bitan’izy ireo ny dobo kely misy rano mifantsitsitra, ary azo baikoina hiovaova ny fivoakan’ilay rano. Teo koa ny famantaranandro be pitsipitsiny misarika ny maso ary ny fitaovana mpandroso zava-pisotro, izay feno rano ho azy ary ahitana fitaovana mitsinkafona sy fivoahan-drano ary fantsona. Mitovy habe amin’ny olona koa ny fitaovana sasany namboarin’ny zanak’i Musa, toa an’ilay fitaovana mpandroso dite miendrika tovovavy. Eo koa ilay mpitsoka sodina. “Io angamba no milina azo baikoina voalohany indrindra”, hoy i Jim Al-Khalili, mpahay tantara.
Mitovitovy amin’ny fitaovana maoderina ihany ireny fitaovana fahiny ireny. Hoy i Ehsan Masood: “Mitovy ihany ny fomba fiasan’izy ireo fa rano fotsiny no nampiasaina fa tsy herinaratra.”
Al-Jazari, Ilay “Namorona ny Robots”
Vitan’i Ibn al-Razzaz al-Jazari tamin’ny 1206 ilay boky nosoratany, izay nadika matetika hoe Fanazavana Momba ny Lalàna Mifehy ny Milina sy ny Fampiasana Azy (anglisy). Nantsoina hoe “fianarana manamboatra milina” izy io. Tsara lavitra noho ny an’ireo zanak’i Musa ny fanazavan’i al-Jazari sasany. Nataony tamin’ny an-tsipiriany koa ny fanazavany sy ny kisary nataony ka mbola afaka namerina nanamboatra ny zavatra namboariny ireo injeniera ankehitriny.
Anisan’ny hita tao amin’ny bokin’i al-Jazari ny sarina fitaovana fampakaran-drano, famantaranandro rano, famantaranandro labozia, fitaovana mpizara rano, fitaovana mpitsoka mozika. Eo koa ny paompy manova ny milina ahodin-drano tsy hihodinkodina fa handroso sy hihemotra. Mitombo kokoa ny rano tafakatra amin’izay. Milaza ny mpahay siansa hoe efa nahavita paompy mpisintona rano i al-Jazari, 300 taona talohan’ny nahavitan’ny Tandrefana an’izany.
Nanamboatra famantaranandro mahatsikaiky nefa mandeha tsara koa izy. Ao amin’ny fivarotana lehibe iray any Dobay no misy an’ilay aseho an-tsary eto. Naverina namboarina mantsy izy io. Misy vilia baolina nolavahana apetraka eo ambony fitoeran-drano ao anaty kibon’ny elefanta iray. Feno rano ilay vilia baolina isaky ny antsasak’adiny ary milentika, ka mahatonga an’ireo zavatra eo an-damosin’ilay elefanta hihetsika, anisan’izany ireo tady sy baolina ao anatin’ilay toy ny lapa kely. Mitsingevana ho azy ilay vilia baolina misy rano aorian’izany, ary miverina indray ilay zava-nitranga teo, dia toy izany hatrany. Io fitaovana io sy ny milina hafa namboariny no nahatonga an’i al-Jazari hantsoina hoe ilay “namorona ny robots.”
Mahavariana tokoa ny fahaizan’ny olombelona! Tsy tantara mahaliana fotsiny anefa izany fa mampieritreritra koa. Maro mantsy no mirehareha noho ny fandrosoana eo amin’ny teknolojia. Nandova ny zavatra nataon’ireo olona nahira-tsaina fahiny fotsiny anefa isika raha ny marina.
^ Miresaka ny fandikan-teny nataon’ny manam-pahaizana arabo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Nahatonga ny Teny Arabo ho Fitenin’ny Avara-pianarana?”, ao amin’ny Mifohaza! Febroary 2012.
Paompy: © Gianni Dagli Orti/The Art Archive at Art Resource, NY; famantaranandro: © The Metropolitan Museum of Art/Art Resource, NY