Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba ny Fahasalamana

Maresaka Momba ny Fahasalamana

Na dia mandroso be aza ny fitsaboana, dia mbola be dia be foana ny aretina mampijaly ny olona. Hita anefa hoe azo sorohina ny ankamaroan’izy ireny.

Zava-misy Eran-tany

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa hahatratra 24 tapitrisa ny olona voan’ny kansera isan-taona, amin’ny 2035. Mihoatra 70 isan-jato izany raha oharina amin’ny olona voa amin’izao fotoana izao, izay tombanana ho 14 tapitrisa mahery. Ny antsasak’ireo anefa no heverina fa vokatry ny ataon’ilay olona ihany. Ohatra hoe misotro toaka be loatra, mifoka sigara, tsy manao fanatanjahan-tena, matavy loatra, na tsy mitandrina amin’ny taratra mankarary.

Grande-Bretagne

Nampanao fanadihadiana ny fanjakana raha marina tokoa hoe tena mifindra amin’ny olona amin’ny alalan’ny fampidiran-dra na ny toy izany ny maladie de la vache folle, na aretin’ny ombivavy adala. Hoy i Andrew Miller, solombavambahoaka: ‘Tena mampanahy anay ny maheno tatitra hoe mbola be dia be no atahorana ho voan’io aretina tsy ahitana fanafany io. Voalaza mantsy fa anisan’ny mahatonga azy io koa ny fampidiran-dra sy ny famindrana taova.’

Norvezy

Atahorana hijanona tampoka ny fon’ny olona kivy sy miady saina loatra. Izany no hita tamin’ny fanadihadiana natao nandritra ny 11 taona, tamin’ny Norvezianina efa ho 63 000. Namoaka tatitra avy amin’io fanadihadiana io ny Fikambanana Eoropeanina Miady Amin’ny Aretim-po hoe rehefa miady saina ny olona, dia lasa mamokatra hormonina be dia be ny vatany. Mety hankarary ny fony anefa ireny hormonina ireny, sady mahatonga azy tsy ho vonona handray torohevitra hanatsarana ny fahasalamany.

Etazonia

Nilaza ny mpahay siansa fa mankarary ny fofon-tsigara tavela ao an-trano, na any anaty fiara, na any amin’ny hotely. Arakaraka ny maha ela azy ireny no mampitombo an’ilay poizina ao anatiny. Mandinika ny voka-dratsin’izany izao ny mpahay siansa.