Aza Tia Tena Hoatran’ny Olona eo Amin’izao Tontolo Izao
TSIKARITRAO ve fa betsaka ny olona mieritreritra hoe tokony homena tombontsoa na zo manokana, na hoe tokony hohajahajaina be? Na dia efa azony aza izany dia mieritreritra ry zareo hoe mbola mendrika ny hahazo tsara kokoa. Ny toe-tsaina tia tena sy tsy mahay mankasitraka, izay mampiavaka ny olona amin’ny andro farany, no mahatonga an-dry zareo ho hoatr’izany.—2 Tim. 3:2.
Tsy vao izao no misy olona tia tena. Nanapa-kevitra, ohatra, i Adama sy Eva hoe ry zareo ihany no hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy, nefa loza be ny vokany. Nieritreritra koa i Ozia mpanjakan’ny Joda, taonjato maro tatỳ aoriana, fa mendrika ny hanolotra emboka manitra tao amin’ny tempoly izy. Diso be anefa izy dia voan’ny nataony. (2 Tan. 26:18, 19) Nieritreritra koa ny Fariseo sy ny Sadoseo hoe tokony hiangaran’Andriamanitra ry zareo satria fotsiny hoe taranak’i Abrahama.—Mat. 3:9.
Tia tena ny olona manodidina antsika ary mety hifindra amintsika izany toe-tsaina izany. (Gal. 5:26) Mety hanomboka hieritreritra isika hoe mendrika ny hahazo tombontsoa manokana, na hoe tokony hohajahajaina be. Inona no hanampy antsika tsy hanana an’izany toe-tsaina izany? Tokony hofantarintsika aloha ny fomba fijerin’i Jehovah. Misy torolalan’ny Baiboly roa hanampy antsika.
I Jehovah no mamaritra an’izay mendrika antsika. Diniho ireto ohatra ireto:
-
Efes. 5:33) Tsy tokony ho taratara amin’iza na iza ankoatra ny vadiny ry zareo satria mendrika an’izany ny vadiny. (1 Kor. 7:3) Manan-jo hitaky amin’ny zanany ny ray aman-dreny hoe tokony hankatoavina ry zareo, ary tokony ho ampy tsara ny fitiavana sy ny fanohanana azon’ny ankizy amin’ny ray aman-dreniny.—2 Kor. 12:14; Efes. 6:2.
Ao amin’ny fianakaviana: Mila mahatsapa hoe hajain’ny vadiny ny lehilahy, ary mila mahatsapa hoe tian’ny vadiny ny vehivavy. ( -
Ao amin’ny fiangonana: Mendrika ny hohajaintsika ny anti-panahy miasa mafy. (1 Tes. 5:12) Na izany aza dia tsy manan-jo hanjakazaka amin’ny rahalahy sy anabaviny izy ireo.—1 Pet. 5:2, 3.
-
Fanjakan’olombelona: Nomen’Andriamanitra zo hitaky hetra sy hahazo fanajana avy amin’ny vahoakany ny manam-pahefana.—Rom. 13:1, 6, 7.
Manome mihoatra noho izay mendrika antsika i Jehovah satria izy be fitiavana. Ny ho faty ihany no mendrika antsika satria isika mpanota. (Rom. 6:23) Mbola manome fitahiana be dia be ho antsika ihany anefa i Jehovah satria tia antsika sy tsy mivadika amintsika izy. (Sal. 103:10, 11) Izay fitahiana na tombontsoa azontsika avy aminy dia noho ny hatsaram-panahiny miavaka daholo, fa tsy hoe mendrika an’izany akory isika.—Rom. 12:6-8; Efes. 2:8.
INONA NO HANAMPY ANTSIKA TSY HO TIA TENA SY TSY HANAMBONY TENA?
Mitandrema amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mety tsy ho tsikaritsika akory hoe efa mihevi-tena ho mendrika kokoa noho ny hafa isika. Nampiasa an’ilay fanoharana momba an’ireo mpiasa nikarama iray denaria i Jesosy, mba hampisehoana hoe mora manana an’izany toe-tsaina izany isika. Vao maraina be dia efa nanomboka ny mpiasa sasany, sady niasa mafy tontolo andro sy niaritra ny hafanana migaingaina. Ny hafa kosa niasa adiny iray fotsiny. Nieritreritra ireo niasa tontolo andro hoe mendrika ny homena karama betsaka kokoa. (Mat. 20:1-16) Nasehon’i Jesosy tamin’io fanoharana io hoe tokony ho afa-po amin’izay omen’Andriamanitra ny mpanara-dia azy.
Mahaiza mankasitraka fa aza mitakitaky. (1 Tes. 5:18) Tahafo ny apostoly Paoly. Nanan-jo hitaky an’izay zavatra nilainy tamin’ireo rahalahy tany Korinto izy nefa tsy nanao an’izany. (1 Kor. ) Tokony hankasitraka ny fitahiana rehetra azontsika koa isika fa tsy ho tia mitakitaky. 9:11-14
Miezaha hanetry tena. Rehefa mihevi-tena ho ambony loatra ny olona iray, dia matetika izy no mieritreritra hoe tokony hahazo mihoatra noho izay efa ananany. Ny fanetren-tena no fanafodin’izany toe-tsaina manapoizina izany.
Modely ho antsika i Daniela mpaminany satria nanetry tena. Taranak’olona ambony izy, tsara tarehy, kinga saina, ary manam-pahaizana. Mety ho nahatonga azy hieritreritra izany hoe rehefa nomena tombontsoa sy nokarakaraina manokana izy, dia hoe tena mendrika an’izany. (Dan. 1:3, 4, 19, 20) Nanetry tena foana anefa i Daniela dia izany no nahatonga azy ho sarobidy tamin’i Jehovah.—Dan. 2:30; 10:11, 12.
Andao àry isika hiezaka mba tsy ho tia tena sy tsy hanambony tena hoatran’ny olona maro eo amin’izao tontolo izao. Andao kosa isika hiezaka ny ho faly foana amin’izay fitahiana rehetra omen’i Jehovah antsika, noho ny hatsaram-panahiny miavaka.