Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha mba ho Tena Namana

Miezaha mba ho Tena Namana

EFA nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe niady irery teo amin’ny fiainana? Miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” isika dia mety hahakivy antsika izany, ary mahatonga antsika hahatsapa ho manirery. (2 Tim. 3:1) Tsy voatery hiady irery anefa ianao. Asongadin’ny Baiboly hoe sarobidy ny tena namana afaka manampy amin’ny “fotoan-tsarotra.”​—Ohab. 17:17.

MANAMPY NY HAFA NY TENA NAMANA

Afaka nanao ny fanompoany foana ny apostoly Paoly na dia nambenana tao an-trano aza, satria nanohana azy tsara ny namany

Nanampy be an’ny apostoly Paoly ny namany niara-nanao dia misionera taminy. (Kol. 4:7-11) Rehefa nigadra tany Roma izy dia ny namany no nanao an’izay asa tsy vitany. Ohatra amin’izany i Epafrodito. Izy no nirahin’ny rahalahy sy anabavy tany Filipy hanatitra ny zavatra tena nilain’i Paoly. (Fil. 4:18) I Tykiko indray no nitondra ny taratasin’i Paoly tany amin’ny fiangonana samihafa. Nahavita tsara ny fanompoany i Paoly na dia nambenana tao an-tranony sy nogadraina aza, satria nanohana azy ny namany. Afaka ny ho tena namana koa ve ianao?

Hita amin’ny ataon’ny rahalahy sy anabavy amin’izao hoe sarobidy ny tena namana. Hoatr’izany ny anabavy iray. Nasehony hoe tena naman’i Elisabet, mpisava lalana any Espaina, izy. Rehefa hita hoe voan’ny kansera ny maman’i Elisabet ary tsy ho sitrana intsony, dia nandefasan’ilay anabavy hafatra mampahery be dia be avy ao amin’ny Baiboly izy. Izao no lazain’i Elisabet: “Nanome hery ahy hiatrehako ny andro tsirairay ireny hafatra ireny, ka tsy nahatsiaro ho niady irery aho.”​—Ohab. 18:24.

Vao mainka isika hinamana be amin’ny mpiara-manompo raha manampy an-dry zareo amin’ny fivoriana sy ny fanompoana. Afaka mitondra rahalahy na anabavy be taona amin’ny fiaranao ve, ohatra, ianao rehefa hivory na hanompo? Azo inoana hoe hampahery be ny resadresaka ifanaovanareo. (Rom. 1:12) Tsy afaka mivoaka ny trano anefa ny Kristianina sasany. Ahoana no hampisehoanao, amin’izay, hoe tena namana ianao?

ASEHOY HOE TENA NAMAN’IREO TSY AFAKA MIVOAKA NY TRANO IANAO

Tsy afaka mivory mivantana ny mpiara-manompo sasany satria marary na manana olana hafa. Hoatr’izany i David, rahalahy iray voan’ny kansera. Enim-bolana mahery izy no nanaraka fitsaboana simika, dia tsy afaka nivory mivantana izy sy Lidia vadiny fa nanaraka fivoriana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Ahoana no nataon’ny namany tany am-pivoriana mba hanampiana azy mivady? Miezaka miresaka amin’i David sy Lidia amin’ny vidéoconférence ny rahalahy sy anabavy sasany manatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana, isaky ny vita ny fivoriana. Rehefa mamaly teny koa i David sy Lidia dia andefasan’ny mpiara-manompo hafatra mampahery be dia be rehefa mirava. Lasa tsy dia mahatsiaro ho manirery àry izy mivady.

Miaraha manompo amin’ireo tsy afaka mivoaka ny trano

Afaka miara-manompo amin’ireo tsy afaka mivoaka ny trano ve ianao? Asehonao hoe tsy manadino an-dry zareo ianao raha manao fanovana kely fotsiny. (Ohab. 3:27) Azonao atao, ohatra, ny mandamina ny fotoananao mba hiarahana mitory an-taratasy na an-telefaonina amin-dry zareo. Azo ampanarahina fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny vidéoconférence koa ry zareo. Nanao an’izany ny mpiara-mivory tamin’i David sy Lidia dia faly be izy mivady. Hoy i David: “Afaka niara-nidinika vetivety sy niara-nivavaka tamin’ny mpitory izahay. Izay fotsiny dia efa nanome hery be anay.” Azonao atao koa indraindray ny mitondra mpianatra Baiboly any amin’ireny mpitory tsy afaka mivoaka ny trano ireny. Any atao ilay fianarana raha hita hoe mety izany sady tsy mampidi-doza an’iza na iza.

Rehefa miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy tsy afaka mivoaka ny trano ianao dia ianao mihitsy no hahita ny toetra tsaran-dry zareo. Hiraiki-po kokoa aminy ianao amin’izay. Ho voamarikao, ohatra, rehefa miara-manompo amin-dry zareo ianao hoe mahay mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra ry zareo mba hanohinana ny fon’ny olona, dia vao mainka hahafinaritra anao ry zareo. Hihabetsaka ny namanao raha manampy ny mpiara-manompo amin’ny fivoriana sy ny fanompoana ianao.​—2 Kor. 6:13.

Nampahery an’i Paoly ny niaraka tamin’i Titosy namany. (2 Kor. 7:5-7) Mampahatsiahy antsika izany hoe tsy ny tenintsika ihany no mampahery olona fa ilay isika miaraka aminy eo, sy manao izay azo atao mba hanampiana azy.​—1 Jaona 3:18.

ASEHOY HOE TENA NAMANA IANAO REHEFA MISY FANENJEHANA

Ohatra tsara ny rahalahy sy anabavy any Rosia satria mifanohana. Diniho ny tantaran’i Sergey sy Tatyana vadiny. Nentina mba hatao famotorana izy mivady rehefa avy natao savahao ny tranony. I Tatyana no nalefan’ny polisy nody voalohany. Izao no tantarain’i Sergey: “Vao tonga kelikely tao an-trano [i Tatyana], dia nisy anabavy izay tonga tany aminay. Tena be herim-po izy! Nisy rahalahy sy anabavy hafa koa tonga nanampy anay nanadio sy nampirina ny tranonay, taorian’ilay izy nosavana.”

Hoy koa i Sergey: “Efa tiako foana ilay Ohabolana 17:17, hoe: ‘Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.’ Hatramin’izaho niatrika an’izao olana izao anefa, dia vao mainka lasa misy dikany be amiko ireo teny ireo rehefa tsy vitako ny miatrika samirery an’izay mahazo ahy. Nomen’i Jehovah namana be herim-po aho hanohana ahy.” a

Mila namana ianteherana isika amin’izao fiainana efa mafy be izao. Vao mainka hila an-dry zareo isika mandritra ny fahoriana lehibe. Andao àry isika hiezaka be mba ho tena namana dieny izao!​—1 Pet. 4:7, 8.

a Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay lahatsoratra hoe “Nomen’i Jehovah Namana Be Herim-po Aho Hanohana Ahy.”