INONA NO TENA MAHASAMBATRA?
Mahalala ny Antony Mampisy Antsika
MIAVAKA NY OLOMBELONA SATRIA AFAKA MANORATRA, MANAO SARY, MAMORON-JAVATRA, ARY MIERITRERITRA HOE: Nahoana no misy izao rehetra izao? Ahoana no nampisy antsika? Fa maninona isika no misy? Hanao ahoana ny hoavy?
Misy olona tsy te handany ron-doha amin’ireo fanontaniana ireo satria hoe sarotra be ny valiny. Ny hafa indray milaza fa tsy ilaina ireo satria nivoatra miandalana ny zavamananaina. Hoy i William Provine, mpahay tantara sy mpikaroka momba ny zavamananaina: “Tsy misy izany andriamanitra izany, sady tsy misy antony manokana nampisy antsika. ... Tsy misy afaka mamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy, ary tsy misy dikany ny fiainana.”
Tsy mitovy hevitra amin’izany kosa ny olona sasany. Hitan’izy ireo hoe misy lalàna voafaritra tsara mifehy an’izao rehetra izao. Mahavariana azy ireo koa ireo tsipiriany miavaka eo amin’ny natiora, izay ezahin’ny olona alaina tahaka rehefa hanamboatra zavatra. Miaiky izy ireo hoe tsy nisy ho azy ireny zavatra be pitsiny eo amin’ny natiora ireny, fa misy Mpamorona marani-tsaina nanao azy.
Tsy nino ny evolisiona intsony ny olona sasany noho izany. Diniho ireto ohatra roa ireto:
PR. ALEXEI MARNOV, MPANDIDY HOZA-PITATITRA. “Nampianarina anay tany an-tsekoly hoe tsy misy Andriamanitra, fa nivoatra miandalana ny zavamananaina. Tsy nahita fianarana, hono, izay olona mino an’Andriamanitra.” Niova hevitra anefa izy nanomboka tamin’ny 1990.
Hoy koa izy: “Niezaka foana aho mba hahatakatra ny antony mampisy ny zavatra iray, anisan’izany ny atidohan’ny olona. Izy io tokoa no be pitsiny indrindra eo amin’izao rehetra izao. Manampy antsika hahazo fahalalana sy hahay zavatra ny atidoha. Tsy misy dikany intsony anefa izy io rehefa maty isika. Lasa saina àry aho hoe: ‘Fa maninona isika no misy?’ Nandinika lalina an’izany aho dia nanatsoaka hevitra fa misy ny Mpamorona.”
Tapa-kevitra ny handinika ny Baiboly àry i Alexei. Dokotera ny vadiny ary tsy nino an’Andriamanitra koa. Nianatra Baiboly izy io, tatỳ aoriana, satria te hanaporofo hoe diso i Alexei! Samy mino an’Andriamanitra anefa izy ireo izao, ary mahalala ny fikasany momba ny olombelona.
PR. HUABI YIN, MPAHAY SIANSA. Nianatra momba ny fizika i Huabi Yin, ary nikaroka momba ny masoandro izy nandritra ny taona maro.
Hoy i Huabi: “Isaky ny mandinika an’ireo zavatra fahita eo amin’ny natiora izahay, dia mahita fa milamina tsara foana izy ireny satria misy lalàna voafaritra tsara mifehy azy. Dia lasa saina aho hoe: ‘Ahoana àry no nampisy an’ireny lalàna ireny? Na ny afo andrahoana sakafo aza mantsy tsy maintsy voafehy tsara. Dia iza izany no nanao an’ireo lalàna mifehy ny hafanan’ny masoandro?’ Niaiky aho, tatỳ aoriana, fa mitombina ilay voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.’”—Genesisy 1:1.
Marina aloha fa betsaka ny fanontaniana voavalin’ny siansa, toy ny hoe: Hoatran’ny ahoana ny fomba fiasan’ny selan’ny atidoha? Ahoana no ahafahan’ny masoandro mamokatra hafanana sy hazavana? Hitan’i Alexei sy Huabi anefa fa afaka mamaly fanontaniana lehibe kokoa ny Baiboly. Ohatra hoe: Nahoana no misy izao rehetra izao? Nahoana izy io no misy lalàna mifehy azy? Ary nahoana isika no misy?
Hoy ny Baiboly momba ny tany: “Tsy hoe tsy misy antony ny [namoronan’Andriamanitra] azy fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Misy antony tokoa matoa namorona ny tany izy. Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa mahatonga antsika hanantena hoavy tsara izany antony izany.