HO AN’NY MPIVADY
2: Mahaiza Miara-miasa
AHOANA IZANY?
Hoatran’ny mpanamory fiaramanidina sy ny mpanampy azy ny mpivady mahay miara-miasa. Mifanampy foana izy ireo na dia ao anatin’ny sarotra aza, fa tsy hoe samy maka ho azy.
TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.”—Matio 19:6.
“Tao trano, hono, tsy efan’irery. Tsy maintsy miara-miasa ny mpivady raha te hanana tokantrano sambatra.”—Christophe.
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
Raha tsy mahay miara-miasa ny mpivady, dia ho mora aminy ny hifanome tsiny rehefa mifamaly izy ireo. Na zavatra kely tsy misy dikany aza dia ho lasa olana lehibe.
‘Tena mila miara-miasa ny mpivady, raha tsy izany dia ho lasa hoatran’ny mpiray trano fotsiny sisa. Ho sahirana ry zareo rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe mila raisina.’—Alexandra.
INONA NO AZONAO ATAO?
FANTARO IZAO
-
Ahoana no fahitako ny karamako? Volako “irery” sa volanay mivady?
-
Rehefa tsy eo anilan’ny vadiko ve aho vao afa-po tsara rehefa miala voly?
-
Mihatakataka amin’ny havam-badiko ve aho, na dia mifandray be amin’ny vadiko aza izy ireo?
MIRESAHA AMIN’NY VADINAO
-
Rehefa manao inona isika roa no tena mahay miara-miasa?
-
Rehefa manao inona isika no tsy tena mahay miara-miasa fa mbola mila miezaka?
-
Inona avy no azontsika atao mba ho tiantsika kokoa ny miara-miasa?
SOSO-KEVITRA
-
Eritrereto hoe miara-manao fanatanjahan-tena ianareo mivady, ary ao anaty ekipa iray fa tsy hoe mpifanandrina.
-
Aza mieritreritra hoe: ‘Inona no tokony hataoko mba handresena azy?’, fa hoe: ‘Inona no tokony hataonay mba handresenay?’
“Aza ilaozana mifanome tsiny hoe iza no marina na iza no diso. Ny tena zava-dehibe dia hoe mihavana sy miray saina ianareo roa.”—Ethan.
TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:3, 4.