MIFOHAZA! No. 2 2019 | Zavatra Enina Mila Ampianarina ny Ankizy
Zavatra Enina Mila Ampianarina ny Ankizy
Tianao hanao ahoana ny zanakao rehefa lehibe?
Mahay mifehy tena
Manetry tena
Tsy mora kivy
Mahay mandray andraikitra
Matotra
Manao ny marina
Tsy tonga dia manana an’ireo toetra ireo ny zanakao fa mila ny fanampianao.
Hiresaka zavatra enina tokony hampianarinao ny zanakao ity gazety ity. Hanampy azy izany rehefa lehibe izy.
Mifehy Tena
Nahoana no tena ilaina ilay hoe mifehy tena? Ahoana no atao raha te hanana an’io toetra io?
Manetry Tena
Ampianaro hanetry tena ny zanakao, fa hahasoa azy izany dieny izao sy amin’ny hoavy.
Tsy Mora Kivy
Raha mbola kely ny ankizy dia efa miezaka ny tsy ho mora kivy, dia hahavita hiatrika olana izy rehefa lehibe.
Mandray Andraikitra
Rahoviana ny olona iray no mila mianatra mandray andraikitra? Dieny mbola kely sa rehefa lehibe?
Miana-javatra avy Amin’ny Olon-dehibe
Mila tari-dalana tsara ny ankizy. Iza anefa no afaka manome azy an’izany?
Manana Toetra Tsara
Ho lasa olon-dehibe matotra ny zanakao, raha dieny izao izy dia efa ampianarinao hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.
Afaka Manampy Anao Izy Io
Mila torohevitra koa ny ray aman-dreny. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia midira ao amin’ny jw.org/mg.