Nahoana no Zava-dehibe ny Valin’izany?
Zava-dehibe ve ny hoe nisy namorona izao rehetra izao? Raha nampiaiky anao ireo porofo hoe tena misy Andriamanitra ary mahery indrindra izy, dia mety ho tianao koa ny hamantatra raha avy aminy ny Baiboly na tsia. Ary raha matoky ny Baiboly ianao, dia hahazo an’ireto fitahiana ireto:
Hankafy kokoa ny fiainanao ianao
HOY NY BAIBOLY: “Nanao soa [Andriamanitra] ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.”—Asan’ny Apostoly 14:17.
AHOANA IZANY? Fanomezana avy amin’ny Mpamorona daholo ny zavaboary ankafizintsika. Vao mainka hahafaly anao izy ireny raha fantatrao hoe tena tia anao ilay nanome azy ireny.
Hahazo torohevitra mahasoa ianao
HOY NY BAIBOLY: “Ho takatrao ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana, eny, izay tsara rehetra.”—Ohabolana 2:9.
AHOANA IZANY? Fantatr’Andriamanitra hoe inona no hahasambatra anao, satria izy no namorona anao. Raha mamaky Baiboly ianao, dia hahita torohevitra hahasoa anao.
Ho voavaly ny fanontaniana manahiran-tsaina anao
HOY NY BAIBOLY: “Ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”—Ohabolana 2:5.
AHOANA IZANY? Rehefa mahafantatra ny Mpamorona ianao, dia mety ho hitanao koa ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Anisan’izany ireto: Nahoana isika no velona? Nahoana no be dia be ny olona mijaly? Manao ahoana ny olona rehefa maty? Mamaly an’ireo ny Baiboly.
Hanantena ianao hoe mbola ho tsara ny hoavy
HOY NY BAIBOLY: “‘Fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.’”—Jeremia 29:11.
AHOANA IZANY? Mampanantena Andriamanitra fa hesoriny ny faharatsiana sy ny fijaliana ary na ny fahafatesana aza. Raha matoky ny fampanantenan’Andriamanitra ianao, dia ho lasa be herim-po ka hahavita hiatrika olana.