Mahavariana Ilay Trondro Mareva-doko
TENA mahavariana ny trondro mareva-doko, toy ny poisson clown. Manaitra ny maso mantsy ny lokony, izay mitovitovy amin’ny lokon’akanjon’ny mpanao hatsikana ho an’ny ankizy. Hafakely koa ny fonenany. Ao anaty zavamaniry maro rantsana atao hoe anemôna izy no mipetraka, nefa manindrona ny rantsan’izy io. Antsoina hoe trondro anemôna koa àry izy.
Tia alaina sary toy ny ankamaroan’ny mpilalao sarimihetsika malaza io trondro io, sady tsy menamenatra. Afaka maka sary azy tsara ny mpanao antsitrika! Izy rahateo tsy dia miala lavitra ny toerana misy azy.
Hoatran’ny hoe misangy loza anefa io trondro io. Misy poizina mantsy ny rantsan’ilay zavamaniry misy azy, ka toy ny hoe manorim-ponenana ao an-davaky ny bibilava izy. Tsy afa-misaraka anefa izy sy ilay zavamaniry. Hafahafa ihany izany saingy tena mety amin’izy ireo. Nahoana?
‘TSY VELONA AHO RAHA TSY EO IANAO’
Mifampiankina ilay trondro mareva-doko sy ny anemôna. Hitan’ny mpikaroka
fa tsy ela velona io trondro io raha tsy misy an’ilay zavamaniry. Tsy dia mahay milomano mantsy izy io, ka mora lanin’ny biby mpiremby raha tsy eo ilay fialofany. Tsy manana ahiahy anefa izy ao, sady afaka mandositra mankao raha vao misy mampahatahotra. Mety hahatratra folo taona àry ilay trondro vao maty.Maharo tsara ny atodin’ilay trondro koa ny anemôna. Ataony eo am-pototr’izy io ny atodiny, dia mifarimbona manara-maso azy ireo ilay trondro lahy sy vavy. Tsy ela dia indreny fa milomano eo akaikin’ilay anemôna izy mianakavy kely.
Inona kosa no azon’ny anemôna avy amin’ireo trondro mareva-doko? Izy ireo no mpiambina an’io zavamaniry io. Tia mihinana ny rantsan’izy io mantsy ny trondro takobatra. Karazana anemôna iray, fara fahakeliny, no tsy ela velona raha tsy misy an’ireo trondro mareva-doko ireo. Rehefa nesorin’ny mpikaroka teo amin’ilay zavamaniry ireo trondro nipetraka teo dia nanjavona tanteraka izy io, tsy ampy iray andro taorian’izay. Angamba lanin’ny trondro takobatra.
Manampy an’ilay anemôna hitombo mihitsy aza ireo trondro mareva-doko. Mamoaka zezika misy amôniôma mantsy izy ireo. Mahazo oksizenina tsara koa ny rantsan’ilay zavamaniry, rehefa mivezivezy eny anelanelany eny ireo trondro ireo.
MIPETRAKA AMIN’NY TOERANA MAMPIDI-DOZA
Ny hodiny no tena miaro an’ilay trondro. Misy ranoka maditidity mantsy eo amin’izy io, ka izany no mahatonga azy tsy ho voatsindrona. Angamba heverin’ny anemôna ho toy ny anemôna hafa ilay trondro noho izany.
Hitan’ny mpikaroka fa misy zavatra ataon’ilay trondro alohan’ny hifidianany ny toerana honenany. Raha sambany izy vao tonga eo amin’ny anemôna iray, dia mikasokasoka tsindraindray eo izy mandritra ny ora vitsivitsy. Mampiova ny tsiranoka eo amin’ny hodiny angamba izany, ka lasa voaro amin’ny poizina ao amin’ilay zavamaniry izy. Mety ho voatsindrona kely ihany ilay trondro amin’io fotoana io, nefa mifanaraka tsara izy ireo aorian’izay.
Tena mahay miara-miasa ireo zavaboary samy hafa ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hahavita zavatra miavaka ny olona avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana samy hafa, raha samy mitondra ny anjara birikiny rehefa miara-miasa. Toa an’ilay trondro mareva-doko, dia mety hila fotoana kely isika mba hifankazarana amin’ny mpiara-miasa amintsika. Hisy vokany tsara anefa ny ezaka ataontsika.