Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Atao Raha Te Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovao?

Ahoana no Atao Raha Te Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovao?

Nasehon’ireo lahatsoratra teo aloha fa kely sisa dia haringan’Andriamanitra ny ratsy fanahy ary hesoriny ny olana rehetra. Matokia fa tena hitranga izany. Nahoana? Efa nampanantena mantsy ny Baiboly hoe:

“Mandalo izao tontolo izao.”​—1 JAONA 2:17.

Afaka matoky isika fa tsy ny olon-drehetra no ho faty satria mampanantena koa io andininy io hoe:

“Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”

Mila manao ny sitrapon’Andriamanitra àry isika raha tsy te ho faty rehefa tonga ny farany. Tsy maintsy mianatra momba an’Andriamanitra isika raha te hahalala ny sitrapony.

“MIANATRA” MOMBA AN’ANDRIAMANITRA

Hoy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra.” (Jaona 17:3) Mila “mianatra hahalala” an’Andriamanitra àry isika raha te hiaina mandrakizay fa tsy ho faty rehefa tonga ny farany. Tsy ampy raha mahafantapantatra azy fotsiny isika na mino fotsiny hoe misy izy. Mila minamana aminy isika. Raha te hinamana akaiky amin’olona iray izao isika dia mila manokana fotoana hiarahana aminy. Hoatr’izany koa ny minamana amin’Andriamanitra. Tena mila mahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika raha te ho naman’Andriamanitra sy ho akaiky azy foana. Diniho ny sasany amin’izany fahamarinana izany.

VAKIO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mivavaha mba hampian’Andriamanitra ary ankatoavy izy, dia tsy ho ringana ianao amin’ny faran’izao tontolo izao

Mila misakafo isika mba ho velona. Hoy anefa i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.”​—Matio 4:4.

Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny tenin’i Jehovah. Rehefa mianatra an’io boky masina io ianao dia ho fantatrao izay nataon’Andriamanitra taloha sy izay ataony amin’izao fotoana izao ary izay hataony any aoriana any.

MIVAVAHA MBA HAMPIAN’ANDRIAMANITRA

Ahoana raha te hankatò an’Andriamanitra ianao nefa sarotra aminao ny miala amin’ny zavatra lazainy hoe ratsy? Raha mahafantatra tsara an’Andriamanitra ianao dia ho vitanao izany.

Eritrereto ny zavatra niainan’ny vehivavy iray. Ratsy fitondran-tena izy taloha. Rehefa nianatra Baiboly izy dia lasa nahalala an’ilay didin’Andriamanitra hoe: “Andosiro ny fijangajangana.” (1 Korintianina 6:18) Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hampiany tsy ho ratsy fitondran-tena intsony. Mbola miady mafy amin’ny fakam-panahy anefa izy amin’izao. Hoy izy: “Raha vao misy eritreri-dratsy ao an-tsaiko dia mivavaka amin’i Jehovah aho. Tsoriko aminy ilay izy satria fantatro hoe tsy vitako ny miady irery amin’ilay izy. Lasa akaiky an’i Jehovah aho arakaraka ny hivavahako aminy.” Olona an-tapitrisany no lasa mahalala tsara an’Andriamanitra, hoatran’io vehivavy io. Ampian’Andriamanitra ireny olona ireny dia lasa mahavita miova sy mampifaly azy.​—Filipianina 4:13.

Rehefa mitombo ny fahalalanao an’Andriamanitra dia lasa namany sy “fantany” tsara ianao. (Galatianina 4:9; Salamo 25:14) Ho tafiditra ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenainy ianao amin’izay rehefa handringana an’ity tontolo ity izy. Hoatran’ny ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao? Vakio indray ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 15 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.