Mila Tontolo Vaovao Isika!
Hoy i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana: “Mikorontana be mihitsy ny fiainantsika.” Miombon-kevitra amin’izany angamba ianao.
Mampiady saina daholo ny vaovao henontsika
Aretina sy areti-mandringana
Hetraketraky ny natiora
Fahantrana sy mosary
Fahasimban’ny tontolo iainana
Heloka bevava, herisetra, kolikoly
Ady
Tena mila tontolo tsara kokoa isika, mba
Ho salama tsara daholo ny olona
Hiadana sy hilamina ny rehetra
Ho tondraka ny sakafo
Hadio tsara ny tontolo iainana
Hanjaka ny rariny sy ny hitsiny
Hisy fandriampahalemana eran-tany
Inona no tiantsika holazaina amin’ilay hoe tontolo tsara kokoa?
Hanao ahoana ny hiafaran’izao fiainantsika izao?
Inona no azontsika atao raha te hiaina ao amin’ny tontolo tsara kokoa isika?
Horesahin’ity Tilikambo Fiambenana ity ny valiny mampahery omen’ny Baiboly momba an’izany sy ny fanontaniana hafa.