Iza no Nanao An’ireo Toko sy Andininy ao Amin’ny Baiboly?
ERITRERETO hoe Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ianao, ary naharay taratasy avy amin’ny apostoly Paoly ny fiangonana misy anao. Rehefa novakina ilay izy, dia voamarikao hoe naka teny tao amin’ny “Soratra Masina” i Paoly matetika, izany hoe ny Soratra Hebreo. (2 Timoty 3:15) Mba tianao ho fantatra àry hoe taiza ho aiza no nakany azy ireny. Sarotra be anefa ny hanao an’izany. Fa nahoana?
TSY NISY TOKO SADY TSY NISY ANDININY
Hoatran’ny ahoana ny “Soratra Masina” tamin’ny andron’i Paoly? Iray amin’izany ilay aseho eo amin’ny sary. Bokin’i Isaia ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty izy io. Inona no hitanao eo? Lahatsoratra be fotsiny, fa tsy misy faingo na teboka. Tsy misy toko sy andininy hoatran’ny Baiboly ampiasaintsika amin’izao koa ilay izy.
Nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly daholo fotsiny izay nolazain’Andriamanitra taminy, fa tsy nozarazarainy tamin’ny toko sy andininy ilay izy. Tiany ho azon’ny olona mantsy izy rehetra fa tsy ny ampahany fotsiny. Tsy hoatran’izany ve moa no ataontsika rehefa mahazo taratasy avy amin’ny havana na namana? Vakintsika daholo izay nosoratany.
Niteraka olana anefa ilay izy tsy nisy toko sy andininy. Rehefa nanonona teny avy ao amin’ny “Soratra Masina”, ohatra, i Paoly, dia niteny fotsiny izy hoe “araka ny voasoratra hoe”, na koa hoe ‘araka ny nambaran’i Isaia mialoha.’ (Romanina 3:10; 9:29) Sarotra be àry ny nitady hoe taiza ho aiza no nakany azy ireny, raha tsy hoe efa zatra nampiasa ny “Soratra Masina” angaha ianao.
Tsy hoe fohy kely koa ny zavatra nasain’Andriamanitra nosoratana tao amin’ny “Soratra Masina”, fa lava be. Boky 66 samy hafa ilay izy tamin’ny fitambarany, rehefa vita tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Tena tian’ireo olona mazoto mamaky Baiboly àry ilay izy misy toko sy andininy. Lasa mora mantsy ny mitady andinin-teny ao, ohatra hoe ireo andininy noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasy nosoratany.
Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Iza izany no nanao an’ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly?’
IZA NO NANAO AN’IREO TOKO?
I Stephen Langton no voalaza fa nanao an’ireo toko ao amin’ny Baiboly, tany am-piandohan’ny taonjato faha-13, tamin’izy nampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Paris, any Frantsa. Anglisy izy ary mpitondra fivavahana. Lasa Arsevekan’i Cantorbéry izy tatỳ aoriana.
Efa nisy manam-pahaizana nanandrana nizarazara ny Baiboly talohan’i Langton. Nozarain’izy ireo ho toko maromaro ny Baiboly, mba hatao loharanon-kevitra. Mora kokoa tamin’izy ireo mantsy ny nitady andinin-teny, raha tao anaty toko iray ihany ilay izy no nokarohina. Fa eritrereto ange hoe tao amin’ilay boky iray manontolo ilay izy no tsy maintsy notadiavina e! Ny bokin’i Isaia anefa, ohatra, misy toko 66.
Nisy olana anefa. Samy nanana ny fomba nizarany an’ireo toko ny manam-pahaizana, ka lasa tsy nitovy ilay izy. Nisy, ohatra, nizara ny bokin’i Marka ho toko efa
ho 50, fa tsy 16 hoatran’ny hitantsika amin’izao. Nisy mpianatra avy any amin’ny firenena maro nianatra tany Paris, tamin’ny andron’i Langton, ary nitondra Baiboly tamin’ny fitenin-drazany izy ireo. Tsy afaka nifanoro anefa ny mpampianatra sy ny mpianatra tamin’izany, hoe aiza ho aiza ao amin’ny Baiboly no misy ny andinin-teny ilain’izy ireo. Nahoana? Satria tsy nitovy ny fomba nizarana an’ireo toko tao amin’ny Baibolin’izy ireo.Namorona fomba vaovao mihitsy àry i Langton rehefa nizara ny Baiboly ho toko maromaro. Nilaza ilay boky hoe Ny Tantaran’ny Baiboly (anglisy) fa “tena tian’ny mpamaky sy ny mpanao kopia Baiboly” ilay hevitr’i Langton, ka “vetivety ilay izy dia niparitaka nanerana an’i Eoropa.” Izy no nanao an’ireo toko hitantsika ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly ankehitriny.
IZA NO NANAO AN’IREO ANDININY?
Nahita hevitra tsara koa i Robert Estienne, Frantsay mpanao pirinty nalaza, teo antenatenan’ny taonjato faha-16, izany hoe 300 taona teo ho eo taorian’i Langton. Tian’i Estienne hazoto hianatra Baiboly ny olona. Nieritreritra àry izy hoe tsara raha atao mitovy daholo ny toko sy andininy ao amin’ny Baiboly rehetra.
Tsy i Estienne akory no nahita an’ilay hevitra hoe asiana andininy ny Baiboly. Nisy Jiosy mpanao dika soratra, ohatra, efa nizara ny Soratra Hebreo na ny Testamenta Taloha, taonjato maro talohan’izay. Nozarain’izy ireo ho andininy maromaro ilay izy tamin’izay, fa tsy toko. Tsy nitovy hoatran’ny tamin’ilay izy nozaraina ho toko koa anefa ny fomba nizaran-dry zareo an’ireo andininy.
Nasian’i Estienne andininy àry ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao, dia avy eo nakambany tamin’ilay Soratra Hebreo efa nisy andininy. Tamin’ny taona 1553 izy no namoaka Baiboly manontolo tamin’ny teny frantsay, ary nisy toko sy andininy ilay izy. Ireo toko sy andininy tao amin’io Baiboly io no ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly ankehitriny. Nisy nanakiana anefa ilay izy hoe lasa voazarazara be loatra ny zavatra voalaza ao amin’ny Baiboly. Tonga dia nanaiky sy nampiasa an’ilay izy kosa ny mpanao pirinty maro.
TENA MAHASOA AN’IREO MIANATRA BAIBOLY
Tena hevitra tsara ilay hoe nasiana toko sy andininy ny Baiboly. Lasa mora hita sy voafaritra tsara mantsy ny toerana misy ny andinin-teny tsirairay. Marina fa tsy avy amin’Andriamanitra ny toko sy andininy, sady indraindray aza izy ireny manapaka fehezanteny. Lasa mora kokoa amintsika anefa ny mitady andinin-teny na mampiseho azy ireny amin’ny hafa. Afaka manipika na manisy marika an’izay andinin-teny tena tiantsika koa isika, hoatran’ny fanaontsika rehefa misy teny na fehezanteny tena tiantsika hotadidina ao amin’ny boky na taratasy iray.
Tadidio foana anefa fa tena zava-dehibe ny mahazo tsara ny zavatra rehetra resahin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Miezaha àry ho zatra mamaky ny teny manodidina rehefa mamaky Baiboly ianao, fa aza mifantoka amin’ny andininy iray fotsiny. Hanampy anao hahay tsara ny “Soratra Masina” izany, ary ‘hampahahendry anao ho amin’ny famonjena.’—2 Timoty 3:15.